Tôko faha 9

1 Mikasika ny asa fanompoagna ho an'ny mpino, tsy tegna ilaiko ny manôratra ho anaré. 2 Haiko ny mômba ny faniriànaré, zay ireharehako amin'ny ôlon'i Makedonia. Nivolagniko anjaré iré fô akaia de efa vonogna nanômboka tamin'ny taogno lasa. Ny zotom-pônaré no hanosika ny ankamaroà-njaré ré hiasa. 3 Ké nasaiko ny rahalahy mbô tsy ho zava-poagna ny fireharehantsika mômba anaré, ary mbô ho vôgnona anaré, karaha ny efa nivolagniko ho anaré. 4 Kô tsy' izény, izikoà misy Makedoniana fôntro miaraka aminahy ké mahita anaré mbôla tsy vonona, de ho ménatra antsika-tsy mivôlagna na ino na ino mômba anaré zaho-noho ny fahatokisagna anaré. 5 Ké mieritreritra zaho fô ilaigna ny mamporisika iré rahalahy hankagny aminà ké hagnano fifanarahana mialôha ny amin'ny fanomezagna efa nampanantenainà. Izégny de ahafahagna mivôgnona karaha ny fitahiagna, fô tsy ny raha tsy azo ekégna. 6 Ny tegna izy de ity: Ny araiky izay mamafy hely de hijinja hely indraiky koa, ary ny araika izay mamafy amin'ny tanjom-pitahiagna de hijinja fitahiagna ndraiky koà. 7 Ambilao ny tsiraikaraika hagnome araka izay efa narafitra ny takô am-pony. Aza ambéla magnome fahoriagna na fagneriteregna izy. Fô ny mpagnome am-pifaliagna no tian'Andriamanitra 8 Ary Andriamanitra de afaka mampitômbo ny fitahiagna ho anô, mbô, amin'ny raha jiaby, de afaka hahazo izégny ilainaré jiaby mandrakariva anaré. Izégny no misy de mbô afahanare magnatômbo ny asa soa anaré. 9 Izégny de araka ny vôsoratra hoe: "Nozaraigna irè haregnany ary nagnamia ananjy iregny ho an'ny mahantra. Maharitra mandrakizay ny fahamarignany." 10 Izy izay mamatsy ambeoka ho an'ny mpambôly izay mamafy sy ny môfo ho an'ny sakafo, de hamatsy sy hampitômbo ny ambeo ka nô ndraiky koà ho amin'ny famafazagna. Hampitômbo ny vokatry ny fahamarignanô izy. 11 Hahazo hariàgna amin'ny fômba jiaby anô mbô ahatônganô ho malala-tagnana. Izégny de hitôndra fanehôam-pisôragna an'Andriamanitra amin'ny alalanay. 12 Ny fagnatanterahagna io asa fagnompôagna io de tsy vitan'ny hoe mahafeno ny raha ilain'ny mpino fôagna ihany. Mitomboa ihany koà izégny amin'ny asa fagnamiazagna fisôragna an'Andriamanitra fôntro. 13 Fô noho ny fitsapagna anaré izay vôporôfo amin'io asa io, de hagnamia voninahitra an'Andriamanitra koà anaré amin'ny fankatoavagna ny fibaboagna naré amin'ny filazantsaran'i kristy. De hagnamia voninahitra an'Andriamanitra koà anaré amin'ny fahalalantagnanaré amin'ny fagnomezagna ho an'izy iré ndraiky ôlo jiaby. 14 Magniry anô izy iré, ary mivavaka ho anô izy iré. Manô izégny izy irè nôho ny fahalehibiazagna ny fahasoavagna an'Andriamanitra akô aminô. 15 Ho an'Andriamanitra anie ny sôtra noho ny fagnomezagna ny tsy hay ikoragnina!