Tôko faha 10

1 Izaho, Pôly, miangavy anaré ny tegnako, amin'ny fanetretégna sy hamoram-pagnahin'i Kristy. Malemy fagnahy za réfa akeo amin'ny fagnatréhanare, néfa sahy ny aminaré za réfa tsy akeo. 2 Mangataka aminaré za, réhéfa miaraka aminaré za, tsy mila sahy amin'ny fahatokisan'tégna. Néfa za mieritreritra fo mila masahy manôhitra iré izay mievitra fô antsika de miaigny araka ny nôfo. 3 Fô na izégny aza de mandeha araka ny nôfo izahay, tsy miady araka ny nofo. 4 Fô ny fiadiagna izay iadianay de tsy ara-nôfo. Nôho izégny, managna hery avy agny an-dagnitra iré mbô hamotéhagna ny fagnahy ratsy. Fo tsy mitondra na ino na ino ny hevim-pitaka njaré ré 5 Ho simbaintsika ndraiky koà irè raha agnambo izay manangagna fanoheragna ny fahalalagna an'Andriamanitra. Fo mievitra ny hagnababo ny tsiraikaraika amin'ny fankatoavagna an'i Kristy antsika. 6 Ary miômagna amin'ny sazy ny fihetsika tsy fankatoavagna jiaby antsika, vantagny vô tanteraka ny fankatoavagna naré. 7 Zahavo mazava izay eo alöhanare. Fo na zôvy na zôvy no resy lahatra fo izy no Kristy, ôka hampatsiahy ny tégnany izy fo izy tokoàtra de Kristy, de kara izégny kôa antsika. 8 Ya fo na de miréharéha kely aza za mômban'ny fahifantsika, izay namian'ny Tômpo antsika mbô hananganagna ary tsy hanimba anaré, tsy ho mégnatra za. 9 Tsy tiàko izégny hampihôrohoro anaré amin'ny alalan'ny taratasiko. 10 Fo ny ôlogna sasany nivôlagna hoe: "Matotra sy mahery ny taratasiny, anéfa malemy ara-vatagna izy. Tsy mendrika ho tandrignesigna ny koragnany." 11 Ôka ny ôlogna karaha n'irégny hafantatra fo irè teny akô amin'ny taratasinaï tamin'ny fotôagna tsy nahatakéo anay de mampiseho ny asa tôkony hatônay réfa tônga akagny zahay. 12 Tsy mandéha lavitra zahay na mampitôvy ny tégnanay amin'iré izay midôka-tegna. Fo izikôa mandrefy ny tégnany amin'ny hafa, de ho mailo. 13 Antsika, na de izégny aza, tsy hiréharéha mihôatra ny tôkony ho izy. Fo kôsa, atônay ihany izégny izay fetrany araka ny nanéndren'Andriamanitra anay, fétra izay mahakasika anaré. 14 Fo tsy mitandrigna ny tégnany izahay réfa tônga takégny aminaré. Izahay no tônga vôlongany hatragny aminaré niaraka tamin'ny filazantsaran'i Kristy. 15 Tsy niréharéha mihôtra ny fétra antsika ny mômban'ny asan'ny sasany. Néfa kôza, antenainay fo mbô hitombo ny finôagnanaré amin'ny asa maventy miandry ny tsiraikaraika, ary samy amin'ny fétrany avy. 16 Fo izaô no antenainay, mbô ahafahanay mitôry ny filazantsara na de agny amin'ny toéragna lavitra anaré aza. Tsy hiréharéha mômba ny asa efa vita tagny amin'ny faritra hafa antsika. 17 "Néfa ôka ny araika izay miréharéha, hiréharéha ao amin'ny Tômpo." 18 Fô tsy le araiky izay manôlotra ny tégnany no ankatôavigna. Néfa kôza, aoka le araiky izay namiagna ny Tômpo.