Tôko faha 11

1 Magniry za mbô ahafahanaré maméla anahy hanô fahadalagna hély sasany. Fo tégna maméla anahy tokôa anaré! 2 Fô saro-piaro ny mômba anaré za. Managna fahasarotam- piaro araka an'Andriamantra aminaré za, hatramin'ny nagnamiazako toky anaré tô amin'ny fanambadiagna ho an'ny vady araiky ihany. Nagnamia toky za ny hanôlotra anaré karaha ny virijiny madio ho an'i Kristy. 3 Fo matahotra za saode, karaha ny namitahan'ny ménaragna an'i Eva tamin'ny alalan'ny hafitsiagnany, ny eritreritraré de mety hiàla amin'ny fanolôran-tégna amin-kitsimpô ndraiky madio amin'i Kristy. 4 Fo eritrereto hoe misy ôlogna araiky tônga hitôry Jesosy hafa nôho le araiky toriantsika. Na eritrereto hoe mandramby Fagnahy hafa nôho izay raisinarè ianaré. Na eritrereto hoe mandramby filazantsara hafa nôho le araiky izay noraisinaré anaré. Maméla irégny raha irégny tsara ihany anarè! 5 Satrià meritreritra za fo tsy farany ambany nôho iré lazaigna fo hoé apostôly ambôny. 6 Fa na de tsy nizaragna nandaha-koragna aza za, de nizarigna tamin'ny fahalalagna. Tamin'ny fômba jiaby sy tamin'iré raha jiaby de natônay ho fantatraré izagny. 7 Angaha nanota mô za tamin'ny fanétren-tégnako mbô hisandratanaré? Fo nitory ny filazantsaran'Andriamanitra maimaimpôgna ho anaré za. 8 Nandrômba iré fiangonagna hafa za tamin'ny alalan'ny fagnikiagna fanohanagna avy amin'izy iré mbô ahafahako manômpo anarè. 9 Réhéfa niaraka taminarè za sy nila fagnampiagna, de tsy nagnavésatra na zôvy na zôvy. Fo iré raha nilaiko de namiàn'irè mpirahalahy izay tônga avy agny Makedonia. Tamin'ny raha jiaby de nitandrigna ny tégnako tsy ho enta-mavesatra aiminaré za, ary hanôhy hagnano izégny. 10 Izikôa akato Aminahy ny fahamarignan' i Kristy, de tsy hangina izégny firéharéhako izaigny agny amin'ny faritr'i Akaia. 11 Nagnino? Satrià tsy tiàko maï anarè? Andriamanitra mahay. 12 Ary ny raha atôko de mbôla ho atôko ihany, mbô mety afahako magnala ny fitaraignana nôhon'ny fanakianagna anahy sy ny fitaraignana nôho iré izay tian'izy iré hiréharehagna- fo izy iré de hita manô asa mitôvy amin'izay atônay. 13 Fo ny ôlogna karaha izégny de apôstôly sandoka sy mpiasa mamitaka. Izy iré de magnano sarintsarin'ny tégnany. Karaha ny apostôlin'i Kristy. 14 Ary izégny de tsy mahagaga, fo na ny satana asa mampiseho ny tégnany karahà ny anjelin'ny fahazavagna. 15 Tsy mahagaga intsony izikôa mampiseho ny tégnan'izy iré karaha ny mpanômpon'ny fahamarignana iré mpanômpony. Ny anjaran'izy iré de izay méndrika ny asan'izy iré. 16 Koragniko indraiky hoé: "Aza ambéla hisy hieritreritra hoe adala za. Fo raha magnano izaigny anaré, de raiso karaha ny adala za ké mbô hiréharéha hély. 17 Izay koragniko mômba ity fahatokigna miréharéha ity de tsy araka ny koragnin'ny Tômpo, fo mivôlagna karaha ny adala za. 18 Fo éfa fôntro ny ôlogna no miréharéha araka ny nôfo, de hiréharéha ndraiky kôa za. 19 Nagnaiky am-pifaliagna iré adala anaré. De hoé hendry ny tègnanaré! 20 Fô mandefitra amin'ny ôlogno ianaré raha magnandevo anaré, mandray ny tegnany ho ambôny nôho anarè, na izikôa mamango tefantsofigna anaré izy. 21 Ho koragniko amin'ny fahafaham-barakanay fô malemy loàtra izahay tamin'ny fanôvagna izégny. Izikôa misy miréharéha de mikoragna karaha fôka za - Izaho ihany kôa de hiréharéha. 22 Hebreo mô izy iré? Izaho ndraika kôa. Israelita mô izy iré? Izaho ihany koà. Taranak'i Abrahama mô izy iré? Izaho ndraika kôa. 23 Mpanômpon'i Kristy mô izy iré? ( Mikoragna karaha ôlogno very saigna za. ) Mihôatra nôho izégny za. Mbôla niasa mafy nihôatra nôho izégny aza za, tagny am-ponja mahéky, tamin'ny vango mihôatra ny fépetra, tamin'ny fiatréhagna lôza fôntro mahafaty. 24 Avy amin'ny alalan'irè Jiosy no nandraisako "vango efapôlo latsaka araiky" Indimy. 25 Intelo za no novangogna tamin'ny kakazo. Indraika za no notoraham-bato. Intelo za no vaky sambo. Nàndany araiky haligna sy raiky andro tegny an-dranomasigna za. 26 Nandeha mahéky za, tamin'ny lôzan'ny ôloko manôkagna, tamin'ny lozan'iré Jentilisa, tamin'ny loza tagny amin'ny tanàgna, tamin'ny loza tagny an'efitra, tamin'ny loza tagny an-dranomasigna, tamin'ny loza avy amin'iré ralàhy sandoka. 27 Efa tamin'ny asa mafy sy raha-tsarotro zaho, tamin'ny aligny tsisy torimaso, tamin'ny havasilogna sy hetaheta, tamin'ny fifadin-kanigna matetika, tamin'ny hatsiaka sy fitanjahagna. 28 Akôtry ny raha hafa, misy tsindry isan'andro aminahy nohon'ny fagnahiko amin'ny fiangonagna jiaby. 29 Zôvy no malemy, ké tsy malemy zaho? Zôvy no manafintohina, ké tsy mirehitra zaho? 30 Raha tsy maintsy mirehareha zaho, de hirehareha momba zay maneho iré fahalimeko. 31 Lay Andriamanitra sy Baban'ny Tompo Jesosy, lay zay deraigna mandrakizay, de mahafantatra fô tsy mandainga zaho! 32 Tagny Damaskosy, ny governora ambanin'i Areta mpanjaka de niambigna ny tanàgnan'i Damaskosy mbô hisambotro anahy. 33 Fô nampidinigna tamin'ny sobika také amin'ny manda zaho, ké de nandositra ny tanany.