Tôko faha 12

1 Zaho de tsy maintsy mirehareha, fô tsisy na ino na ino azo avy amin'izégny. Fô zaho de hanohy ny amin'iré fahitagna sy iré fagnambaragna avy amin'ny Tompo. 2 Mahafantatra lalahy akô amin'i Kristy zaho zay efatra ambin'ny fôlo taogna lasa zay—na akô amin'ny tegna na ivelan'ny tegna, zaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra—nalaigna niakatra tagny amin'ny lagnitra faha telo. 3 Ké fantatro fô io lalahy io—na akô amin'ny tegna, na ivelan'ny tegna, zaho tsy mahafantatra, Andriamanitra mahafantatra— 4 de nalaigna niakatra takô amin'ny paradisa ké naregny raha zay tegna masina lôatra amin'ny ôlogno ny hivôlagna ananjy. 5 Amin'ny agnaran'ny ôlogno karaha izégny de hirehareha zaho. Fô amin'ny agnaran'ny tegnako de tsy hirehareha zaho, afa-tsy ny momba iré fahalimeko. 6 Kôfa te hirehareha zaho, de tsy ho adala zaho, fô te hivôlagna ny marigny. Fô hifehy tegna amin'ny fireharehagna zaho, mbô tsy hisy na zôvy na zôvy hihevitra anahy ho ambôny noho zay hita aminahy na ré avy aminahy. 7 Hifehy tegna amin'ny fireharehagna ndraiky koà noho iré karazagna fagnambaragna miavaka iré. Noho izégny, mbô tsy ho feno fireharehagna zaho, de natô tsilo ny nofoko, ny mpitôndra hafatr'i Satana hagnakorontagna anahy, mbô tsy hirehareha loatra zaho. 8 Intelo zaho no nitalaho tamin'ny Tompo ny momba izégny, mbô hagnaisoragna izégny aminahy. 9 Fô ahozy taminahy hoe: ''Ampy ho anà ny fahasoavako, fô ny hery de natô ho lafatra akô amin'ny fahalimeko.'' Aleoko mirehareha bebe kokoà ny amin'n fahalimeko, mbô hipitrahan'ny herin'i Kristy atô aminahy. 10 Noho izégny finaritra noho i Kristy akô amin'ny fahalimeko, amin'ny fagnevativagna, amin'ny korontagna, amin'ny fagninjehagna ké akô amin'ny fotoan-tsarotro zaho. Fô na oviagna na oviagna malemy zaho, de matanjaka. 11 Zaho de lasa adala! Anarè no nanery anahy amin'izégny, fô zaho de tôkony noderainaré. Fô zaho de tsy ambany noho iré zay antsoigna hoe apostoly ambôny iré mihintsy, na de tsinontsinogna aza zaho. 12 Iré famantaragna marigna ny maha Apostoly de notantirahigna také aminaré tamin'ny fahateragna tanteraka, famantaragna sy fahagagagna ary asa mahery, 13 Fô akôry anaré no tsy de manan-danja noho iré fiangonagna sanany, ankoatry ny tsy mahavesatra anahy ho anaré? Mamilà anahy noho izégny fahadisoagna izégny! 14 Io! Vonogna ho tônga fagnintelony agny aminaré zaho. Tsy ho vesatra ho anaré zaho, fô zaho de tsy mila zay anaré. Anaré no ilaiko. Fô tsy ny zanaka no tôkony hihary ho an'iré ray aman-dreny. Fô kosa, iré ray aman-dreny no tôkony hihira ho an'iré zanaka. 15 Zaho de ho faly tanteraka handany sy ho lanigna ho an'ny fagnahinaré. Kôfa mitia be anaré zaho, de hotiavigna hely vô zaho? 16 Fô na de karaha izégny aza, tsy nagnavesatra anaré zaho. Fô, satrià zaho fetsifetsy be, de zaho lay araika nahazo anaré tamin'ny fitaka. 17 Mô vô nagnararaotra anaré tamin'ny alalan'ny ôlogno zay nalefako taminarè zaho? 18 Nagniraka faingagna an'i Titosy ho agny aminaré zaho, ké nalefako niaraka taminy iré rahalahy sanany. Mô vô tsy miray lalagna atsika? Mô vô tsy niray dia atsika? 19 Mô vô mieritreritra anaré fô nandritra izégny fotoagna jiaby izégny de niaro ny tegnanay taminaré zahay? Aké agnatrehan'Andriamanitra, no ivolagnanay takô amin'i Kristy ny raha jiaby mbô ho fampahirezagna anaré. 20 Fô matahotra zaho fandrao kôfa tônga zao de mety tsy hahita anaré araky ny fanantinako. Matahotra zaho fandrao tsy ho hitanaré araky ny fanantinanaré. Matahotra zaho fô sô de mety hisy fifandiragna, fialognana, firehetan'ny fahatizeragna, fikasagna amin'ny fitiavan-tegna, fifosagna, fieboeboagna, ary fikorontagnana. 21 Matahotra zaho fandrao kôfa miverigna, de hanetry anahy aké agnatrehanaré ny Andriamanitro. Matahotro zaho fandrao mety halahelo ny amin'iré maro zay nanota také alôha, ké mbôla tsy nibebaka tamin'ny fahalotoagna ndraiky fijangajangagna ké ny fijejojejoagna feno fagnirian-dratsy zay natônjaré ré.