Tôko faha 13

1 Fagnintelony zao no nandalovako atô aminaré. ''Ny fiampangagna jiaby de tsy maintsy miorigna amin'ny porofo amin'ny vavôlombelogno roy na telo.'' 2 Efa nivôlagna tamin'iré zay nanota akô talôha sy tamin'iré amibiny jiaby kôfa také fagnindroiny, ké vôlagniko ndraiky izégny: ''Kô tônga ndraiky zaho, de tsy hiantra ananjy iré zaho.'' 3 Mivôlagna anaré izégny zaho satrià anaré de mitady porofo fô i Kristy de mivôlagna amin'ny alalako. Tsy marefo aminaré Izy. Fô ndraiky, mahery akô aminaré Izy. 4 Fô Izy nohombohagna amin'ny fahalimegna, nefa velogno tamin'ny herin'Andriamanitra. Fô atsika ndraiky de marefo akô aminy, kanefa atsika de miara-miaigna amin'ny herin'Andriamanitra aké agnivonaré. 5 Dinihy ny tegnanaré kôfa tianarè ho hita fô akô amin'ny finoagna anaré. Tsapao ny tegnanaré. Tsy mbôla azonaré an-tsaigny vô izégny momba ny amin'ny tegnanaré fô i Jesosy Kristy de akô aminaré? Kôfa tô anaré ké tsy nahomby tamin'ny fitsapagna. 6 Ké zaho mahatoky fô anaré de rahalahiky fô atsika de nahomby amin'izégny fitsapagna izégny. 7 Avaizo atsika de mivavaka amin'Andriamanitra fô tsy afaka ny anà raha ratsy anaré. Zaho de tsy mivavaka ny afaka ahitana fô atsika de nahomby amin'ny fitsapagna. Fô ndraiky, zaho de nivavaka ny mbô ahafahanaré magnano zay mety kanefa atsika de mety ho hita ho karaha ny tsy nahomby tamin'ny fitsapagna. 8 Fô atsika de tsy afaka ny hagnano raha manohitra amin'ny fahamarignana, fô ho an'ny fahamarignana irery foagna. 9 Fô atsika de mifaly kôfa marefo ké mafy anaré. Fô atsika foagna koà de mivavaka mbô ho atôtsika feno anaré. 10 Manoratra itô raha itô zaho kôfa magnalavitra anaré zaho, ké kôfa miaraka aminaré zaho de tsy vôtery mitôndra anaré an-katizeragna amin'ny fampiasagna ny fahifako namian'ny Tompo anahy, mbô ananganako anaré, ké tsy hanimba anaré. 11 Farany, ry rahalahy, mifalia! miasà ho amin'ny famerenagna amin'ny laoniny, mahereza, mifanikià ny tsiraikaraiky, miainà am-piadagnana, kè ny Andriamanitry ny fitiavagna ndraiky fiadanagna de hiaraka aminaré. 12 Mifagnontsafâ anaré amin'ny fagnorohona Masina. 13 Iré mpino jiaby de magnano velôma anaré. [Fagnamarihagna: Iré dika-vôlagna sanany de manambatra ny andininy faha 13 amin'ny andininy faha 12 ké magnano ny andininy faha 14 ho andininy faha 13. ] 14 Enga ané ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan'Andriamanitra, ndraiky fiarahagna amin'ny Fanahy ho akô aminaré jiaby.