Tôko faha 8

1 Tianay ho fantatraré, ry rahalahy, ny momban'ny fahasoavan'Andriamanitra zay namiagna takô amin'iré fiangonan'i Makedonia. 2 Nandritran'ny fitsapagna maventy amin'ny fahoriagna, ny fitobaky ny hafaliagna ndraiky fara-fahantranjaré ré de niteraka haren-dehiben'ny falalan-tanagna. 3 Satrià mijôro vavolombelogno zaho fô nagnano be arak'izay vitanjaré ré, ké mihoàtra an'izay vitany aza. Ké tamin'ny sitrapônjaré ré manôkagna 4 sy niaraka tamin'ny fitalahoagna mafy no nangatahinjaré ré taminay ny fahafahagna mbô hanagna anjara amin'itô asa fanompoagna aké amin'iré mpino itô. 5 Tsy niseho arak'izay nantenainay izégny. Fô kôfa, nagnolotra ny tagnany mialôha tamin'Andriamanitra zaré ré ké nagnolo-tegna ho anay zaré ré tamin'ny sitrapôn'Andriamanitra. 6 Kè namporisika an'i Titosy zahay, zay efa nanômboka an'izégny asa izégny, mbô hagnantanteraka ny fahasoavagna aké aminaré. 7 Fô anaré ndraiky de manan-kariagna amin'ny raha jiaby, amin'ny finoagna, amin'ny vôlagna, amin'ny falalagna, amin'ny fahazotoagna jiaby, ké amin'ny fitiavanaré anay. Koà atôvy azo antoka mbô hanan-kariagna amin'izégny asa fahasoavagna anaré. [Ny ULB ndraiky UDB, miaraka amin'iré dika-vôlagna maro hafa, de mivaky karanjô: ''Akô amin'ny fitiavanà anay.'' Ny dika-vôlagna hafa de mivaky karanjô: ''Ké akô amin'ny fitiavanay anaré''] 8 Tsy mivôlagna izégny karaha ny didy zaho. Fô ndraiky, mivôlagna izégny zaho amin'ny fitsapagna ny fahamarignan'ny fitiavanaré amin'ny fampitahagna izégny amin'ny zôtom-pôn'ny ôlogno hafa. 9 Satrià fantanandré ny fahasoavan'ny tompontsika Jesôsy Kristy. Ké na nanan-kariagna aza izy, de lasa maskiny noho ianaré, koà amin'ny alalan'ny fahantranaré no manjary hazahoà naré hariàgna. 10 Amin'izégny résaka izégny de hagnome toro-hevitry anaré izaho izay hagnampy anaré. Herintôgna lasa izay, de tsy nanomboko nagnano raha fotsiny anaré, fô nagniry ny magnano izégny. 11 Niany vitao izégny, karaha ny nisian'ny zôtom-pô sy ny fagniriagna hagnano izégny, de énga anie hagnatantéraka izégny koà ianaré, arak'izay azonaré hatô. 12 Satria raha magniry mafy ny hagnano izégny asa izégny ianaré,de raha tsara sy azo ekegna izégny.Tsy maintsy mifôtotro amin'izay hananan'ny ôlogna iray izégny, fô tsy izay tsy anagnany. 13 Fô izény asa izégny de tsy mbô hagnamévagna ny hafa ké hagnavésatra anaré. Fô koà, tokony hisy rariny. 14 Ny haregna naré amin'izô fotoàgna izô de hagnome izay ilain'jaré ré. Ké izégny koà de mbô hagnomezan'ny hariagnan'jaré ré izay ilainaré. Ké mbô agnomezan'izy iré ny rariny 15 araka izay éfa voasôratra hoe: ''Ilay arèky izay nanagna fontry de tsy nanagna ambiny, ké ilay arèky izay nanagna ny hely de tsy nanagna ny tsy ampy. 16 Fô an'Andriamanitra ny fisaoragna, izay namètraka ny tiako am-pôn'i Titosy ny faharoizagna izay anako aminaré. 17 Fô izy tsy nagneky foagna ny antsontsika, fô tègna matotra ny amin'izégny ihany koà. Nagnatogna anô tamin'ny sitrapony manôkagna izy. 18 Naléfanay izy niaraka tamin'ilay rahalahy izay noderaigny také anténtégnan'ny fiangonana jiaby noho ny asany izay mitôry ny filazantsara. 19 Tsy izégny ihany, fô izy ihagny kô de notendren'iré fiangognagna mbô handeha hiaraka aminay hitondra izao asan'ny fahalalan-tagnagna izao. Izégny de ho an'ny voninahitr'izy Tompo ary ho an'ny fanirianay hanampy. 20 Mitandrigny izahay ny amin'ny mety hisiàn'ny ôlogna mitaraigny mômbanay mahakasikan'io asa fahalala-tagnana zay hataonay io. 21 Ké mila mitandrigny zahay mbô hagnano ny mendrika, fô tsy aké anatrehan'ny Tômpo araiky foàgna, fô aké alôhan'ny ôlogna koa. 22 Mandefa rahalahy araiky hafa fôagna koà zahay miaraka aminjaré iré. Matetika zahay no nitsapa ananjy, ké nahita ananjy mafana fô tamin'ny asa maro. Mazoto kokoà izy izao avaizo noho ilay fahatokisagna lehibe zay anagnanay aminaré. 23 Kô ny amin'i Titosy, izy no kamaradiko sy mpiara-miasa amiko ho anaré. Izy kô ny amin'ny rahalahinay, de nalefan'iré fiangonagna zaré ré. Voninahitra ho an'i Kristy zaré ré. 24 Kô asehoy ananjy iré ny fitiavanaré, koà asehoy amin'ny fiangonagna ny anton'ny fireharehanay momba anaré.