Tôko faha 7

1 Iré malalako, hatramin'ny nanagnantsika iré teny fikasagna de ôka atsika hagnadio ny tegnantsika amin'ny raha-jiaby zay mahatônga fahalotoagna aké amin'ny vatagna sy fagnahintsika. Oka atsika hikatsaka ny fahamasinagna amin'ny fatahoragna an'Andriamanitra. 2 Raiso zahay! Fô tsy nagnano ratsy taminjôvy na zôvy. Tsy nandratra na nagnararaotra na zôvy na zôvy zahay. 3 Tsy hagnameloko anaré no hivolagnako zao. Fô efa novolagnako fô atô ampônay anaré, fô miara-maty ké miara-velogno atsika. 4 Managna fahatokisagna fôntry anaré zaho, kè mipoera nohon'ny aminaré. Feno fampiononagna zaho. Mitômbatômbaka ny hafaliako na de aké aza ny fampahoriagna jiaby. 5 Kôfa tônga tagny Makedonia zahay, tsy hanam-pitsaharagna ny tegnanay. Noho izégny, ory tamin'ny fômba jiaby zahay nohon'ny fifandiragna tagny ivelany, ndraiky tahotro takô agnaty. 6 Fô Andriamanitra, zay mpampahery ny kivy, nampahery anay tamin'ny fahatongavan'i Titosy. 7 Tsy tamin'ny alalan'ny fahatongavany koa no hampaherezan'Andriamanitra antsika. Fô tamin'ny fampaherezagna zay noraisin'i Titosy avy aminaré. Mivôlagna antsika izy ny amin'ny haben'ny fitiavanaré, ny alahelonarè, ké ny fiahianaré ahy laligna. Kè hifaly mandrakizay zaho. 8 Na de nampalahelo anaré aza ny taratasiko, de tsy nampanegnigna anahy izégny. Fô nanegnigna tamin-jégny zaho kôfa nahita fô nampalahelo anaré ny taratasiko. Fô nalahelo nandritra ny fotoagna fohy anaré. 9 Avaizo de faly zaho, tsy hoe satrià ory anaré, fô satrià ny alahelonaré no nitôndra anaré ho amin'ny fibebahagna. Anaré de niaigna ny fahoriagna akô amin'Andriamanitra, koa tsisy very ny nijalianaré ho anay. 10 Ny fahoriagna akô amin'Andriamanitra de mitondra amin'ny fibebahagna ny mbô hahatanteraka ny famonjegna tsisy fanegnenagna. Na izégny aza, ny alahelon'izô tontôlo zô, de mitondra fahafatesagna. 11 Zahavo ny vokatrin'ny hamaventin'ny fikirizanaré tamin'ny fahoriagna akô amin'Andriamanitra. Maventy tokoà ny hamaventin'ny fikirizanaré takô aminaré mbô hagnaporofoagna fô tsy manan-tsiny anaré. Maventy tokoà ny hamaventin'ny fahatezeranarè, ny tahotraré, ny alahelonaré, ny zotom-pônaré, ké ny fagnirianaré ahita ny fahamarinagna zay tôkony atô! Amin'ny raha-jiaby de nagnaporofo tamin'ny tegnanaré anaré mbô tsy ho meloko amin'izégny raharaha izégny. 12 Na de nanôratra tamin'iré aza zaho, Zaho de tsy nanôratra ho an'iré mpagnano ratsy, na ho an'ny araiky zay miharitra ny ratsy. Nanôratra zaho mbô tôkony hampahafantaragna ny fahazotoanaré také aminay aké agnatrehan'Andriamanitra. 13 Tamin'ny alalan'izégny no nampaherezagna anay. Mihoatra nohon'ny fampaherezagna zay efa anagnanay, niho-papagna ny fifaliany nohon'ny fifalian'i Titosy, satrià ny fanahy de velombelogno noho ny aminaré jiaby. 14 Kôfa takô ké nirehareha taminanjy ny momba anaré zaho, de tsy mbô afa-baraka zaho. Mifagnohitra amin'izégny, iré raha jiaby zay noteneninay taminarè de marigna avokoà, ny fireharehanay momba anaré tamin'i Titosy de vôporofo fô marigna. 15 Ny fitiavanay anaré de lehibe tokoà, karaha ny nahatsiarovanay ny fagnikianaré jiaby, endrey ny fandraisanaré azy tamin'ny tahotro sy hovitra. 16 Faly zaho satrià managna fahatokiagna tanteraka taminaré.