Tôko faha 6

1 Miara-miasa aminanjy, zahay foagna koà de mamporisika anaré tsy handray ny fahasoavan'Andriamanitra fahatany. 2 Fô nivôlagna izy hoe: ''Tamin'ny fotoagna mety de naregny anaré Zaho, ké tamin'ny andron'ny famonjena de nagnampy anaré Zaho. Zahavo, avaizo no fotoagna mety. Zahavo, avaizo no andron'ny famonjegna. 3 Tsy mametraka vato fagnafitohignana aké agnoloanjôvy na zôvy zahay, fô zahay tsy magniry ny haharatsy laza ny asa fanompoanay. 4 Fô kôfa, zahay de magnaporofo ny tegnanay amin'ny asanay jiaby, fô mpanompon'Andriamanitra zahay. Zahay no mpanompony amin'ny fiaretagna be, fahoriagna, fahatiriagna, fahasarôtagna, 5 iré vango, fagnagadragna, fikomiagna, amin'ny asa mafy, amin'iré aligna tsy misy torimaso, amin'ny havasilôgna, 6 amin'ny fahadiovagna, fahalalagna, faharetagna, fahatsoram-pô, amin'ny Fagnahy Masigna, amin'ny tegna fitiavagna. 7 Zahay no mpanompony akô amin'ny tenin'ny fahamarignana, akô amin'ny herin'Andriamanitra. Zahay de managna ny fiarôvan'ny fahamarinagna ho an'ny tagnana havanagna ndraiky havia. 8 Zahay de miasa amin'ny voninahitra sy amin'ny fahafam-baraka, amin'ny fagnaratsiagna ndraiky fideragna. Zahay de vômpanga ho mpamitaka kanefa zahay de marigna. 9 Zahay de miasa karaha iregny tsisy mahafantatra iregny kanefa zahay de mbôla fanta-daza. Miasa karaha ny ho foaty zahay-jeré-mbôla miaigna zahay. Miasa zahay karaha ny saziagna nohon'ny asanay nefa tsy karaha ny vôheloka ho foaty. 10 Zahay de miasa karaha ny malahelo, kanefa de mifaly lalandava. Zahay de miasa karaha ny mahantra, kanefa de mampanan-kariagna ôlogno fôntry zahay. Miasa karaha ny tsy managna na ino na ino zahay kanefa karaha ny managna ny raha jiaby. 11 Zahay de nivôlagna ny marigna jiaby taminaré, ry Korintiana, ké ny fônay de misôkatra malalaka. 12 Ny fônaré de tsy nofihezinay, fô anaré no namehy iré fihetseham-pônarè manôkagna. 13 Ké ho valiny ara-drariny-mivôlagna aminaré karaha ny amin'ny zaza aho-voay halalaka ny fônaré. 14 Aza mifamatotra amin'iré tsy mpino. Fô ino no iraisan'ny fahamarinagna ndraiky fandikan-dalàgna? Fô ino no iarahan'ny mazava amin'ny maizigna? 15 Ino no mety ho fifanarahagna aké amin'i Kristy sy Beliala? Na ino no tôkony anjara anagnan'ny mpino araiky sy amin'ny tsy mpino araiky? 16 Ké ino no fifagnarahagna misy aké amin'ny tempolin'Andriamanitra ndraiky sampy? Fô atsika de tempolin'Andriamanitra velogno, araka ny efa novolagnin'Andriamanitra hoe: ''Hipetraka aké aminjaré ré Zaho ké handeha aké aminjaré ré. Zaho de ho Andriamanitr'izy ré ké Izy iré de ho ôloko.'' 17 Noho izégny, ''Miboaha hiala aké aminjaré ré, ké mitokagna,'' ahozy ny Tompo. ''Aza mikasika raha maloto, ké Zaho handray anaré. 18 Zaho de ho Baba ho anaré, ké anaré ho zanako lahy sy ho zanako viavy,'' ahozy ny Tompo Tsitoha.