Tôko faha 5

1 Fantantsika fô kôfa rava ny fonenagna aketo an-tany zay ipitrahantsika, de managna tragno avy amin'Andriamanitra atsika. Izégny de tragno tsy natôn'ny tagnan'ôlombelogno, fô tragno mandrakizay, agny an-dagnitra. 2 Fô aketo amin'itô tragno-lay itô atsika no misento, magniry mafy ny hitafy ny fipitrahantsika agny an-dagnitra. 3 Magniry mafy izégny atsika satrià amin'ny fanaovantsika izégny de tsy ho hita mitandraka atsika. 4 Fô kôfa mbôla aketo amin'itô tragno-lay itô tokoà atsika, de misento, mavesatr'entagna. Tsy tenhitanjaka atsika. Fô kôfa, te hitafy atsika, mbô ho atelin'ny fiainagna zay mety naty. 5 Lay araika zay nagnomagna antsika ho amin'izégny raha izégny indrindra de Andriamanitra, zay nagnamia antsika ny Fanahy ho fagnambaragna zay ho avy. 6 Noho izegny de mahatokià hatragny. Tôngava saigna fô kôfa akô an-dragno amin'ny vatagna atsika, de lavitra ny Tompo. 7 Fô mandihana amin'ny finoagna atsika, fô tsy amin'ny fahitagna. 8 Noho izégny de managna fahatokiagna atsika. Aleontsika lavitry ny vatagna fô akô an-tragno miaraka amin'ny Tompo. 9 Ké de atôtsika tanjogna izégny, na agny an-dragno atsika na lavitra izégny, mbô hahafinaritra Ananjy. 10 Fô atsika jiaby de tsy maintsy hiseho aké alôhan'ny seza fitsaràn'i Kristy, mbô mety ahazoan'ny tsirairaiky zay mifanaraka amin'iré raha vita takô amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. 11 Noho izégny, ny fahafantaragna ny tahotra ny Tompo, no handresentsika lahatra ny ôlogno. Ny maha atsika antsika de hitan'Andriamanitra mazava. Antenaiko fô mazava amin'ny feon'ny fieritreretanaré foagna koà izégny. 12 Tsy miezaka ny handresy lahatra anaré ndraiky zahay mbô hijery anay karaha ny mahitsy fô. Fô ndraiky, magnamia antony ho anaré hirehareha nohon'ny aminay zahay, mbô hanagnanaré valin-teny ho an'ire zay mirehareha ny amin'ny endrika ivelany fô tsy ny amin'izay akô am-pô. 13 Fô kôfa very saigna zahay, de ho an'Andriamanitra izégny; ary kôfa tônga saigna tsara zahay, de ho anaré izégny. 14 Fô ny fitiavan'i Kristy no manery anày, satrià azonay antoka ny hoe: nisy ôlogno araiky naty ho an'ny jiaby, ké noho izégny de naty ny jiaby. 15 Naty Izy ho an'ny jiaby, mbô tsy ho velogna ho an'ny tegnanjaré rè intsony iré zay velogna fô ho Ananjy zay naty ké natsangagna nohon'ny fitiavagna ananjy iré. 16 Noho izégny antony izégny, manomboka zô de tsy mitsara na zôvy na zôvy araky ny fômban'ny ôlombelogno atsika, na de efa nizaha an'i Kristy karaha izégny aza atsika talôha. Fô avaizo atsika de tsy mitsara na zôvy na zôvy karaha izégny koà. 17 Noho izégny, raha misy ôlogno akô amin'i Kristy, de ôlom-bôvô izy. Efa lasa irè raha talôha. Indré, fô efa tônga vôvô izy iré. 18 Iré raha jiaby iré de avy amin'Andriamanitra. Nampihavagniny tamin'ny tegnany tamin'ny alalan'i Kristy atsika, ké nagnamia antsika ny asa fanopoan'ny fihavanagna. 19 Izégny hoe, akô amin'i Kristy Andriamanitra no mampihavagna zao tôntolo zao amin'ny tegnany, tsy magnisa ny fahadisoanjaré ré aminjaré ré. Nankinigny taminày ny hafatry ny fampihavanagna. 20 Koà vôtendry ho mpisolon-tegnan'i Kristy zahay, karaha hoe amin'ny alalanay no hanaovan'Andriamanitra ny fiantsôny. Miangavy anaré zahay, noho i Kristy: ''Mihavàgna amin'Andriamanitra!'' 21 Natôny tônga sôrogno ho an'ny fahotantsika Kristy. Izy lay Araiky zay tsy nanôta mihitsy. Natôny izégny mbô ho tônga fahamarignan'Andriamanitra akô aminy atsika.