Tôko faha 4

1 Noho izégny, satrià zahay magnano izégny asa fanompoagna izégny, ké vô nahazo famindram-pô, de kivy zahay. 2 Fô kosa, tsy nikeny iré fomba mahamegnatra sy miafina. Tsy miaigna amin'ny fitaka zahay, ké mampiasa marigna ny tenin'Andriamanitra. Amin'ny fanehoagna ny marigna, zahay de mandidy ny tagnanay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny ôlogno mbô ho entigna aké imason'Andriamanitra. 3 Fô kôfa vôsarogna ny filazantsaranay, izégny de ho vôsarogna amin'iré zay naty irery foagna. 4 Amin'ny toe-draha mitranga aminjaré ré, ny andriamanitr'izao tôntolo zao nahajamba iré saina tsy minon-jaré ré. Vokatry izegny, tsy afaka mahita ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy zaré ré, zay endrik'Andriamanitra. 5 Fô zahay tsy manambara ny tegnanay, fô i Kristy Jesosy karaha ny Tompo, ké ny tegnanay karaha ny mpanomponaré nohon'ny amin'i Jesosy. 6 Fô Andriamanitra de lay araika zay nivôlagna hoe: ''Ny fahazavana hamiratra akô amin'ny haizigna.'' Zaré namiratra takô am-pônay, mbô hagnamià ny fahazavan'ny fahalalagna ny voninahitr'Andriamanitra aké amin'ny fanatrehan'i Jesosy Kristy. 7 Fô zahay managna izégny hariagna izégny akô agnaty tavoara tanimanga, mbô hazava fô ny hery lehiby mihotra lavitra de an'Andriamanitra fô tsy anay. 8 Ampahoriagna amin'ny fômba jiaby zahay, fô tsy resy. Very hevitra zahay fô tsy feno famoizam-pô. 9 Enjehina zahay fô tsy nilaozagna. Vonoigna zahay fô tsy rava. 10 Mitondra aké amin'ny tegnanay ny fahafatesan'i Jesosy hatragny zahay, amin'izay ny fiaignan'i Jesosy foagna kôa de hiseho aké amin'ny tegnanay. 11 Zahay zay velogna de mitondra hatragny akô amin'ny vatanay ny fahafatesan'i Jesosy, amin'izay ny fiaignan'i Jesosy de hiseho aké amin'ny vatanay olombelogno. 12 Noho izegny ny fahafatesagna de miasa akô amintsika, fô ny fiainagna miasa akô aminaré. 13 Fô zahay managna fanahin'ny finoana mitôvy araka zay voasoratra hoe: 14 ''Nino zaho, ary de nivôlagna zaho.'' Mino foagna koà zahay, ké de nivôlagna foagna koà zahay. Fantatray fô lay araiky zay nanangagna ny Tompo Jesosy de hanangagna antsika foagna koà miaraka amin'i Jesosy. Fantatray fô hitôndra anay miaraka aminaré akô amin'ny fagnatrehany Izy. 15 Ny raha-jiaby de ho anaré, mbô araka ny fahasoavagna voapariaka tamin'ny ôlogno fôntry, no hitomboan'ny fagnomezam-pisaoragna akô amin'ny voninahitra. 16 Noho izegny de tsy ho kivy zahay. Na de malemy ivelany aza zahay, de havaozigna isan'andro isan'andro ny akô agnatinay. 17 Fô amin'izô andro mandalo zô, ny fahoriagna maivagna de magnomagna anay ho amin'ny lanjan'ny voninahitra maharitra mandrakizay zay mihoatra ny fandaniagna jiaby. 18 Fô atsika tsy mizaha raha zay hita, fô mety raha tsy hita. Iré raha zay mety hitantsika de tsy maharitra, fô iré raha zay tsy hita de maharitra mandrakizay.