Tôko faha 3

1 Hanômboko hidera-tegna ndraiky vô zahay? Zahay de tsy mila iré taratasy fagnamarignana aminaré na avy aminaré, karaha ny ôlogno sanany, mô tsy izegny? 2 Ny tegnanaré no taratasy fanagnamarignanay, zay voasôratra akô am-pôntsika, zay fantatra ké vakian'ny ôlogno jiaby. 3 Anaré de maneho fô taratasy fagnambaragna avy amin'i Kristy, zay namiantsika. izegny de tsy voasôratra tamin'ny ranomainty fô tamin'ny Fanahin'ilay Andriamanitra velogno. Izegny de tsy voasôratra také amin'ny takela-bato, fô také amin'ny takelaky ny fôn'ny ôlombelogno. 4 Ké izegny no toky zay anagnantsika akè agnatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy. 5 Atsika de tsy mahefa amin'ny tegnantsika mbô handray na ino na ino zay avy amintsika. Fô kôfa, ny fahefantsika de avy amin'Andriamanitra. 6 Andriamanitra no nagnano antsika mbô ho mpanompon'ny fagnekegna vôvô. Izegny de fagnekegna tsy avy amin'ny sôratra fô an'ny Fanahy. Fô ny sôratra mamôno, ké ny Fanahy magnamia aigna. 7 Ké ny asa zay niteraka fahafatesagna - de vôsôratra také ambonin'ny vato - de tônga tamim-bôninahitra lehibe ké ny vahôkan'Israely de tsy afaka nibanjigna ny tavan'i Mosesy. Izegny de noho ny vôninahitry ny tavany, ny vôninahitra zay nihalevogna. 8 Ho vôninahitra lehibe karakôry ny asa zay atôn'ny Fanahy? 9 Fô Kô nanagna voninahitra ny asan'ny fagnamelohagna, de ho karakôry ny fitomboan'ny voninahitry ny asan'ny fahamarinagna! 10 Satrià tokoà, zay namiagna voninahitra indraika mandehà de tsy hanamboninahita intsony amin'izègny fômba izégny, noho ny voninahitra zay mampitombo izégny. 11 Fô kô izay nandalo foagna no anagna voninahitra, de tsy hanagna voninahitra mihoàtra noho izégny vô zay maharitra! 12 Satrià managna toky karaha izegny atsika, de sahy tokoà. 13 Atsika de tsy karaha an'i Mosesy, zay nagnarogna ny tavany tamin'ny voaly, mbô tsy hahafahan'ny vahoàkan'Israely mizaha ananjy mivantagna amin'ny fiafaran'ny voninahitra zay nandalo foagna. 14 Fô ny sainjaré ré de donto. Na de mandrak'ankehitriny izégny voaly izégny de mbôla mijanogna aké amin'ny famakiagna ny fagnekegna talôha. Tsy misôkatra izégny, satrià akô amin'i Kristy foagna izégny no esorigna. 15 Nefa na de avaizo aza, na rahoviagna na rahoviagna no vakiana ny lalàn'i Mosesy, de magnarogna ny fonjaré ré ny voaly. 16 Nefa kô mitodika amin'ny Tompo ny ôlogno, de esorigna ny voaly. 17 Ary ny Tompo de Fanahy. Zay misy ny Fanahin'ny Tompo, de misy fahafahagna. 18 Ké atsika jiaby, tsy misarom-boaly, de mahita ny voninahitry ny Tompo. Atsika de efa vôvô ho akô amin'ny voninahitra mitovy zay avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, zay avy amin'ny Tompo, zay tsy zay fô ny Fanahy.