Tôko faha 2

1 Fô nanapa-kevitra ny tsy agnantogna anaré ndraiky ny tegnako amin'ny fotoam-pangirifiriagna. 2 Kô niteraka alahelo anaré zaho, zôvy no afaka mampifaly anahy akoatran'ilay araika zay noratraiko foagna? 3 Nanôratra zaho karaha natôko mbô tsy ho voaratran'iré zay tôkony nampifaly anahy kôfa tônga tagny aminaré. Zaho de managna fahatokisagna ny aminarè jiaby fô ny fifaliako de fifaliagna mitôvy amin'ny anaré jiaby. 4 Fô nanôratra ho anaré zaho avy amin'ny fahoriagna lehibe, miaraka amin'ny fangirifirian'ny fô, ké miaraka amin'ny ranomaso be. Tsy te ampalahelo anaré zaho. Fô ndraiky, te hampahafantatra anaré ny alalin'ny fitiavagna zay anagnako ho anaré. 5 Kôfa nisy ôlogno niteraka alàhelo, tsy niteraka izégny taminahy ndraiky izy, fô amin'ny endrika hafa—tsy hagnitaragna latra izégny—aminaré jiaby. 6 Ampy ny fanasaziagna natôn'ny fôntry an'isa io ôlogno io. 7 Ké avaizo kôfa tôkony ho fanasaziagna, anarè de tôkony hamèla hekoka sy hampionona ananjy. Atôvy izégny mbô tsy handifotra ananjy amin'ny àlahelo fôntry loàtra. 8 Noho izegny mankahery anaré zaho mbô hagnamafy ampahibe-maso ny fitiavanaré Ananjy. 9 Izegny no antony anoratako, amin'izay mbô mety hitsapako anare ké ahafantarako na manaiky amin'ny raha jiaby anaré. 10 Kôfa mamela ôlogno anaré, mamela izegny ôlogno izegny kôa zaho. Zay navelako—raha namela ny raha jiaby zaho—izegny famelagna izegny de fitiavagna anaré amin'ny fagnatrehan'i Kristy. 11 Izegny de mbô tsy hamitahan'ny Satana zahay. Satria zahay de mahafantatra iré drafiny. 12 Nisôkatra ho anahy ny varavaragna tamin'ny Tompo kôfa tônga takô amin'ny tanàgna fôntry an'i Troasy nitory ny filazantsara an'i Kristy tagny. 13 Na izegny aza, tsy nanagna fiadanan-tsaigna zaho, satrià tsy nahita ny rahalahiko Titosy tagny. Araka izegny, nandao izy iré zaho ké nandéha niverigna tagny Makedonia. 14 Fô fisaoragna ané ho an'Andriamanitra, zay akô amin'i Kristy mitarika anay mandrakariva akô amin'ny fandresegna. Amin'ny alalantsika de hapariakany na eza na eza ny hagnitra mamin'ny fahalalagna ananjy.. 15 Fô zahay de hagnitra mamin'i Kristy an'Andriamanitra, na také amin'iré zay novonjegna sy také amin'iré zay ho foaty. 16 Ho an'ny ôlogno zay ho foaty, izegny de hagnitra avy amin'ny fahafatesagna ho amin'ny fahafatesagna. Ho an'iré sanany zay novonjegna, de hagnitra avy amin'ny fiainagna akô amin'ny fiainagna. Zôvy no mendrika amin'iré raha iré? 17 Fô zahay de tsy mitôvy amin'iré ôlogno fôntry zay mivarotra ny tenin'Andriamanitra mbô ahazoagna tômbony. Fô kôfa, amin'ny fahadiovam-pô, no hiresahanay amin'i Kristy, satrià nalefa avy amin'Andriamanitra zahay, takô amin'ny fahitan'Andriamanitra.