Tôko faha 4

1 Noho izégny, satrià nijaly tamin'ny nofo i Kristy, de atôvy fiadian'ny tegnanaré izégny tanjogna izégny. Fô zay jiaby nijaly tamin'ny nôfo de nitsahatra tamin'ny fahotagna. 2 Vokatr'izégny, ny ôlogna karaha, mandrindra ny fotoagna sisa hiaignany, de tsy hiaigna ho an'ny fagnirian'ny ôlogna intsony, fô ho an'ny sitrapôn'Andriamanitra. 3 Fô ampy zay ny fotoagna lasa nagnanaovagna zay tian'ny Jentilisa atô- hafalian'ny nôfo, fijejojejoagna, fimamoagna, fitondran-tegna mahamegnatra, fidôlavan-dratsy, ké iré asan'ny fanompoan-tsampy maharikoriko. 4 Heverin-jaré fô hafahafa satrià tsy mikambagna aminjaré ré akô amin'izégny fagnaranam-pô be izégny anaré, noho izégny de hivôlagna ratsy momba anaré zaré ré. 5 Hamaly ny araiky zay vonogna hitsara ny velogna sy ny maty zaré ré. 6 Noho izégny antony izégny no nitoriagna ny vôvô mahafaly tamin'iré naty ihany koà, mbô, na de notsaraigna tamin'ny nôfo karaha ny ôlogna aza zarè ré, de hiaigna takô an'Andriamanitra akô amin'ny fagnahy. 7 Magnakaiky ny faran'ny raha jiaby. Noho izégny tongava saigna, ké mahonogna tegna amin'ny eritreritraré ho an'ny fitiavam-bavaka. 8 Ambônin'ny raha jiaby, manàgna fitiavagna feno ho an'ny tsiraikaraika avy, fô ny fitiavagna mandrakotra fahotagna maro. 9 Mifampiantranoa tsy am-pitarainagna. 10 Fô ny tsiraikaraika aminaré de nandray fagnomezam-pahasoavagna, ampiasao hifanompoagna izégny. Magnanôva izégny karahà ny mpitan-draharahan'ny fagnomezam-pahahasoavagna maro maimaimpoagna an'Andriamanitra. 11 Kô misy mivôlagna, ôka izy hagnano izégny karahà ny araika mivôlagna ny tenin'Andriamanitra. Kô misy manompo, ôka izégny ho avy amin'ny hery zay vatsian'Andriamanitra. Magnanôva iré raha iré mbô hamiàm-bôninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy amin'ny fômba jiaby Andriamanitra. Ôka ho an'i Jesosy Kristy ny voninahitra sy hery mandrakizay dorià. Amena. 12 Ry malala, aza raisigna ho hafahafa ny fitsapagna amin'ny afo zay nitranga taminaré, karahà ny hoe nisy raha hafahafa nitranga taminaré. 13 Fô ndraika, na de betsaka aza ny hiaignanaré iré fijaliàn'i Kristy, mifalià, mbô ho afaka hifaly foagna koà anaré ké ho ravoravo amin'ny fagnambaragna ny voninahiny. 14 Kô notevatevaigna noho ny agnaran'i Kristy anaré, de voàtahy, satrià ny fanahin'ny voninahitra sy ny fanahin'Andriamanitra de midôko akô aminaré. 15 Fô ôka tsy hisy na zôvy na zôvy aminaré hijaly karahà ny mpamono ôlogna, mpangalatra, mpagnano ratsy, na mpiraharaha ny an'ny hafa. 16 Fô kô misy mijaly fô Kristiana, ôka izy tsy ho ménatra; fô ndraiky, ôka hagnamia voninahitra an'Andriamanitra amin'izégny agnarana izégny izy. 17 Fô fotoagna izô hanombohagna ny fitsaragna miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Kôfa manomboka amintsika izégny, ino no ho vokatra ho an'iré zay tsy mankàto ny filazantsaran'Andriamanitra? 18 Ké kôfa ''ny ôlo-marigna aza hila tsy ho voàvonjy, amin'ny fomba akôry no hisehoan'ny ôlogna tsy an'Andriamanitra sy ny mpanota?'' 19 Noho izégny ôka iré zay mijaly noho ny sitrapon'Andriamanitra hagnankiagna ny fagnahinjaré iré amin'ny Mpamorogna mahatoky amin'ny fanaovan-tsoa.