Tôko faha 3

1 Amin'izégny fômba izégny, Anaré viavy de tôkony hagneky ny vadinaré. Atôvy izégny na de misy lalahy maro aza tsy magneky ny koragnany, ké mety ho azo zaré ré na tsisy aza ny koragna, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny vadinjaré ré. 2 Fô zarè ré de hahita ny fitondran-tegna mendrikaré am-pagnajagna. 3 Ôka izégny ho tanteraka tsy miaraka amin'iré haingo ivelany: renitra randrana, firavaka vôlamena, na lamba lamaody. 4 Fô ndraiky, ôka izégny ho tanteraka miaraka amin'izay akô am-pôn'ny ôlona, sy ny hatsaragna maharitran'ny fanahy tsara sy mangina, zay sarobidy aké agnatrehan'Andriamanitra. 5 Fô iré viavy masina talôha no nandravaka ny tegnanjaré iré karaha izégny. Nanagna fahatokisagna an'Andriamanitra zaré ré ké nagneky ny vadiny avy. 6 Karaha izégny fômba izégny no nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy niantsoany ananjy ho tompony. Anaré de zanakany avaizo kôfa magnano zay tsara sy tsy matahotra ôlogno anarè. 7 Karaha izégny foagna, anaré lalahy de tôkony maigna miaraka amin'ny vadinarè araky ny fahazavan-tsaigna, karaha ny fanaka malemy kokoà, ny viavy. Tôkony amianaré vôninahitra zaré ré karaha ny mpiara-mandova ny fagnomezan'ny fiainagna. Ataovy izègny mbô tsy ho voasakagna ny vavakaré. 8 Farany, anaré jiaby, ôka hiray saigna, hangoraka, hifankatia karaha ny mpirahalahy, ho tso-pô, ké hanetri-tegna. 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva ny mpanevateva. Mifanohitra amin'izay aza, mitahia hatragny, fô noho izégny no nagnantsoagna anaré, mbô hahafahanaré mandova ny fitahiagna. 10 ''Lay araiky zay te hankafy ny fiainagna sy te hahita andro tsara de tôkony hagnatsahatra ny lelany amin'ny ratsy sy ny molotra amin'ny fivolagnagna fitaka. 11 Ôka izy hiala amin'ny atô hoe ratsy ké hagnano zay tsara. Ôka izy hitady fiadanagna sy hitaka izégny. 12 Ny mason'ny Tompo mahita ny marigna, ké ny tadigniny maharegny iré fangatahanjaré ré. Fô ny tavan'ny tompo de manohitra iré zay magnano ratsy.'' 13 Zôvy lay araiky hamely anaré kô magniry ny hagnano ny tsara anaré? 14 Nefa kô mijaly nohon'ny fahamarinagna anaré, de sambatra. Aza matahotra zay hatahoranjaré ré. Aza mangorohoro. 15 Fô ndraiky, atokagno karaha ny masina akô am-pônaré lay Tompo Kristy. Mivonogna hatragny hamaly ny ôlogna jiaby zay magnontany anaré ny antony hatokianaré an'Andriamanitra. Atôvy amin'ny halemem-pagnahy sy fagnajagna izégny. 16 Manàgna feon'ny fieritreretagna madio mbô ny ôlogno zay manevateva ny fiainagna tsaranaré akô amin'i Kristy de mety megnatra satrià mivôlagna manohitra anaré zaré ré karaha ny hoe mpagnano ratsy anaré. 17 Tsara kokoà, kôfa Andriamanitra no magniry, fô mijaly anaré amin'ny fagnanôvagna ny tsara nohon'ny fagnanôvagna ny ratsy. 18 Efa nijaly nohon'ny fahotagna foagna koà i Kristy. Izy zay marigna de nijaly ho antsika, zay tsy marigna, mbô hitondrany antsika aké amin'Andriamanitra. Novonoigna tamin'ny nôfo Izy, fô novelomin'ny Fanahy. 19 Tamin'ny alalan'ny Fanahy, de nandeha izy ké nitory ho an'iré fagnahy zay agny am-ponja avaizo. 20 Tsy nankatoa zaré ré kôfa niandry ny faharetan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny andron'ny fananganagna sambofiara, ké Andriamanitra namonjy ôlogna vitsy _ fanahy valo _ tamin'ny rano. 21 Izegny no famantaragna ny batisa zay mamonjy anaré avaizo_tsy karaha ny fagnadiovagna ny loto amin'ny vatagna, fô karaha ny antson'ny feon'ny fieritreretagna ho amin'Andriamanitra_tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny naty. 22 Kristy de aké an-tagnana ankavanan'Andriamanitra. Niakatra agny an-dagnitra izy. Iré anjely, iré manam-pahefagna, ké ny hery de tsy maintsy magneky Ananjy.