Tôko faha 2

1 Noho izégny ario ny ratsy jiaby, ny fahadisoam-panantenagna jiaby, ny fihatsaram-belatsihy, ny fagniriagna, ké ny fanendrikendrehagna jiaby. 2 Karaha ny zaza vao teraka, magniry ronono ara-pagnahy madio, mbô hahafahanaré mitômbo akô amin'ny famonjegna amin'ny alalan'izégny, 3 kôfa nahatsapa anaré fô tsara fagnahy ny Tompo. 4 Magnantogna ananjy lay vato velogna zay narian'ny ôlogno, fô voafidin'Andrimanaitra ho manan-danja Aminanjy. 5 Ananaré foagna koà de karaha iré vato velogno zay voarigna ho tragno ara-pagnahy, mbô ho mpisorogna masina zay manolotra ny sarogna ara-pagnahy eken'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 6 Ny Sôratra Masina de ahitagna izô: ''Io, Zaho mipetraka amin'ny Ziona vato fehizoro, voafidy sy manan-danja. Zay jiaby mino ananjy de tsy ho megnatra.'' 7 Ny voninahitra noho izégny de ho anà zay mino. Kanefa, ''ny vato narian'iré mpagnori-tragno, izégny de tônga lôhan'ny fehizoro''- 8 ké vato mahatafintohigna sy vatolampy mahalavo. Tafintohigna zaré ré, tsy nagneky ny koragna, zay voatôkagna ho ananjy iré ihany koà. 9 Fô anà de ôlom-boafidy, mpisôron'ny mpanjaka, firenegna masina, ôlogno ho an'ny fanagnan'Andriamanitra, mbô ho afaka hagnambara ny hatsaran'iré asan'ilay zay niantso anà avy takô amin'ny haizigna hankao amin'ny hazavany mahatalanjogna anà. 10 Talôha anà tsy ôlogno, kanefa avaizo anà de ôlon'Andriamanitra. Tsy nandray famindram-pô anà, fô avaizo anà nandray famindram-pô. 11 Ry malala, magnantso anaré karaha ny vahiny sy mpirenireny zaho mbô hifady ny filàn'ny nôfo, zay mahatônga ady manohitra ny fagnahinarè. 12 Tôkony managna fitondran-tegna tsara anaré aké amin'iré Jentilisa, mbô ho, kôfa mikoragna momba anaré ho nagnano raha ratsy zaré ré, de tôkony hahita iré asa tsaranaré sy hankalaza an'Andriamanitra amin'ny andro zay hahatongavany. 13 Ankatoavy ny fahefan'ny ôlombelogno jiaby noho ny amin'ny Tompo. Ankantoavy karaha ny ambôny indrindra ny mpanjaka, 14 sy iré governora ihany koa, zay nalefa mbô hagnasazy iré mpagnano ratsy sy hankalaza iré zay magnano ny tsara. 15 Fô izégny no sitrapôn'Andriamanitra, amin'ny fanaovagna ny tsara anaré de mampangina ny koragna tsy mahalala fomban'ny ôlogno adala. 16 Karahan'ny maha-ôlon'afaka, aza ampiasaigna ho karaha ny fanarognana fahalimiagna ny fahafahanà, fô ôka ho karaha ny mpanompon'Andriamanitra. 17 Amiao voninahitra ny ôlo-jiaby. Tiava ny firahalahiagna. Mahatahora an'Andriamanitra. Amiao voninahitra ny mpanjaka. 18 Ry mpanompo, meteza hagneky ny tomponaré amin'ny fagnajagna jiaby. Aza magneky ho mpanompon'ny tsara sy ho tompo tsara fagnahy, fô ho an'iré ratsy toetra ihany koà. 19 Satrià mendri-pideragna izégny raha misy miaritra fanaintaignana rehefa mijaly amin'ny tsy rariny noho ny fanantenany an'Andriamanitra. 20 Fô ohatrinona ny vôla kôfa manota anà ké miaritra mandritry ny fanasaziagna anà avy aké? Fô kôfa nagnano ny tsara anà ké miaritra mandritry ny fanasaziagna anà, de medri-pideragna amin'Andriamanitra izégny. 21 Fô noho itô no niantsoagna anà, satrià Kristy ihany koà de nijaly ho anà. Namela ohatra ho anà Izy mbô hagnarahagna iré lalany. 22 Tsy nanota Izy, na hoe nisy fitaka takè am-bavany. 23 Kôfa novolagnana ratsy Izy, de tsy mbô namaly ratsy. Kôfa nijaly Izy, de tsy nandrahogna, fô nanôlotra ny tegnany tamin'ilay araiky zay Mpitsara ampahamarinagna. 24 Izy tegnany de nitôndra iré fahotantsika takô amin'ny tegnany ho aké ambôny hazo, mbô tsy hanagna anjara amin'ny fahotagna intsony atsika, ké mbô hiaigna ho an'ny fahamarinagna. Tamin'ny alalan'ny ratrany no nahasitragna anaré. 25 Nirenireny karaha ny ondry very anaré jiaby, fô avaizo anarè niverigna tamin'ny mpiandry ondry sy mpiambigna ny fagnahinaré.