Tôko faha 5

1 Magnanatra iré lôhôlogna aminaré zaho, zaho, zay lôhôlogna namagna. Zaho foagna koà de vavolombelon'iré fijalian'i Kristy, ary indraiky koà mpikambagna akô amin'ny vôninahitra zay efa haseho. 2 Noho izégny, magnanatra anaré zaho, ry lôhôlogna, andraso ny ondrin'Andriamanitra zay aké aminaré. Araho maso zaré regny, tsy amin'ny fahateriteregna, fô amin'ny sitrapônaré, karaha ny sitrapôn'Andriamanitra. Araho maso zaré regny, tsy amin'ny vôla maloto, fô an-tsitrapô. 3 Aza manjakazaka amin'ny ôlogna zay tandremanaré. Fô ndraiky, ôka ho fitaratra ho an'ny ondry. 4 Ké kôfa miseho lay Lôhan'ny mpiandry ondry, de hahazo satro-boninahitra tsy mety simba anaré. 5 Karaha izégny koà, anaré tanora fagnahy magneky ny ôlon-dehibe. Anaré jiaby, tafio fagnetren-tegna ny tegnanaré ké mifanompoa. Fô Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fô magnamia fahasoavagna ny mpagnetry tegna. 6 Noho izégny magnetre tegna aké ambanin'ny tagna-maherin'Andriamanitra mbô hagnandratany anaré amin'izégny fotoagna izégny. 7 Ambilay aké aminanjy ny fagnahianaré jiaby, satrià Izy no miahy anaré. 8 Mahonona tegna, miambena. Ny fahavalonaré, de ny devoly, miodidigna karaha ny liona mierogna, mitady zay ôlogna ho arapany. 9 Manohera ananjy. Mioregna mafy amin'ny finoanaré. Fantatraré fô izégny fahoriagna izégny de manjo ny firaisan'iré mpino magneragna an'izô tontôlo izô foagna koà. 10 Kôfa avy nijaly nandritra ny fotoagna fohy anaré, ny Andriamanitry ny fahasoavagna jiaby, zay nagnantso anaré ho amin'ny voninahiny mandrakizay akô amin'i Kristy, de hahatanteraka anaré, hanangagna anaré, ké hampahery anaré. 11 Ho Ananjy anie ny fanjakagna mandrakizay mandrakizay. Amena 12 Raisiko karaha ny rahalahy mahatoky i Silasy, ké nanôratra koragna foika ho anaré tamin'ny alalany zaho. Magnanatra anaré zaho ké magnambara anaré fô zay nosoratako de fahasoavagna marin'Andriamanitra. Mijoroà amin'izégny. 13 Ny viavy zay agny Babylona, zay voafidy niaraka taminaré, magnano velôma anaré. Ary koà i Marka, zanako lahy, magnano velôma anaré. 14 Mifagnanaova velôma amin'ny fagnoroham-pitiavagna. Ho aminaré jiaby anie ny fiadanagna zay akô amin'i Kristy.