Tôko faha 4

1 Ry malala, aza mino ny fanahy jiaby. Fô ndraiky, mitsapa iré fanahy mbô hahita fô avy amin'Andriamanitra zaré ré, satrià mpaminany sandoka maro no efa niala tamin'izô tontôlo izô. 2 Amin'izégny no ahafantaranaré ny Fagnahin'Andriamanitra-ny fanahy jiaby zay manaiky fô i Jesosy Kristy zay tônga nôfo de avy amin'Andriamanitra, 3 ké ny fanahy jiaby zay tsy magnaiky fô Jesosy de tsy avy amin'Andriamanitra. De izégny ny fanahin'ny antiKristy, zay efa regninarè fô ho avy, ké avaizo de efa aketo an-tany. [Fagnamarihagna: misy dika-vôlagna talôha sanany de mivaky hoe: ''Ké ny fanahy jiaby zay tsy magnaiky fô i Jesosy tônga nôfo de tsy avy amin'Andriamanitra. Izégny de fanahin'ny antiKristy, zay efa regninarè fô ho avy, ké avaizo de efa aketo an-tany.] 4 Anaré de avy amin'Andriamanitra, ry zanaka malala, ké efa nandresy ananjy iré, satrià lay araiky zay akô aminaré de maventy mihoatra noho lay araiky zay taketo amin'izô tontôlo izô. 5 Zaré ré de avy amin'izô tontôlo izô; noho izégny zay jiaby koragninjaré ré de avy amin'izô tontôlo izô, ké izô tontôlo izô de mitandregny anjaré ré. 6 Avy amin'Andriamanitra atsika. Zay mahafantatra ny Tompo de maharegny antsika. Izy zay tsy avy amin'Andriamanitra de tsy maharegny antsiky. Amin'izégny no ahafantarantsika ny fanahin'ny fahamarinagna ndraiky fanahin'ny fahadisoagna. 7 Ry malala, ôka atsika hifankatia, fô ny fitiavagna de avy amin'Andriamanitra, ké zay jiaby mitia de naterak'Andriamanitra sy mahafantatra an'Andriamanitra. 8 Ny ôlogno zay tsy mitia de tsy mahafantatra an'Andriamanitra, satrià Andriamanitra de fitiavagna. 9 Noho izégny ny fitiavan'Andriamanitra de nambara tamintsika, fô Andriamanitra de nandefa ny Zanany lahitôkagna ho an'izô tontôlo izô mbô ho velogno noho Izy atsika. 10 Ôka amin'izégny fitiavagna izégny, tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra, fô ny nitiavany antsika, ké ny nandifasany ny Zanany lahy ho fagnavôtagna iré fahotantsika. 11 Ry malala, kôfa tia loatra antsika Andriamanitra, de tôkony hifankatia foagna koà atsika. 12 Tsy mbôla nisy nahita an'Andriamanitra. Fô kôfa mifankatia atsika, de mipetraka akô amintsika Andriamanitra ké ny fitiavany de tanteraka akô amintsika. 13 Amin'izégny no ahafantarantsika fô mipetraka akô aminanjy ké izy akô amintsika, satrià izy de nagnamia antsika ny sanany amin'ny Fagnahiny. 14 Ké foagna koà, efa nahita atsika sy efa mijôro vavôlombelogno fô ny Ray de efa nandefa ny Zanany lalahy ho Mpamonjy an'izô tontôlo izô. 15 Na zôvy na zôvy magneky fô Jesosy de Zanaka lahin'Andriamanitra, de mitoetra akô aminanjy Andriamanitra ké izy akô amin'Andriamanitra. 16 Atsika foagna koà de nahafantatra ké nino ny fitiavagna zay efa nanagnan'Andriamanitra ho antsika. Andriamanitra de fitiavagna, ké lay araiky zay mipetraka amin'izégny fitiavagna izégny de mipetraka akô amin'Andriamanitra, kè Andriamanitra de mipetraka akô aminanjy. 17 Noho izégny, izégny fitiavagna izégny de notanterahigna tamintsika, mbô hanagnantsika fahatokisagna amin'ny andron'ny fitsaragna, satrià karaha Ananjy, de karaha izégny foagna koà atsika také amin'itô tany itô. 18 Tsisy tahotra akô amin'ny fitiavagna. Fô ndraiky, ny fitiavagna tanteraka de magnala ny tahotra, satrià ny tahotra de tsy maintsy miaraka amin'ny sazy. Fô lay araiky zay matahotra de tsy natô ho tanteraka akô amin'ny fitiavagna. 19 Mitia atsika satrià Andriamanitra nitia antsika voàlôhany. 20 Kôfa misy ôlogno mivôlagna hoe: ''Tiako Andriamanitra'' nefa mankahala ny rahalahiny, de mpandainga izy. Fô lay araiky zay tsy mitia ny rahalahiny, zay hitany, de tsy afaka ny hitia an'Andriamanitra, zay tsy hitany. 21 Ké, izégny foagna koa no didy koà zay anagnantsika avy aminanjy: Na zôvy na zôvy mitia an'Andriamanitra de tsy maintsy mitia ny rahalahiny foagna koà.