Tôko faha 3

1 Io karaha ny ino ny fitiavagna namien'ny Ray antsika, mbô hiantsoagna antsika hoe zanak'Andriamanitra, ké izégny atsika. Noho izégny antony izégny, zô tontôlo zô de tsy mahafantatra antsika, satrià tsy mahafantatra ananjy izégny. [Fagnamarihagna: Ny dika-vôlagna taloha de tsy misy hoe: ''Ké izégny atsika .''] 2 Ry malala, zanak'Andriamanitra atsika avaizo, ké izégny de mbôla tsy nambara hoe ho karaha ny ino atsika. Atsika de mahafantatra fô rehefa miseho i Kristy, de ho karaha Ananjy atsika, satrià hahita Ananjy karaha Ananjy atsika. 3 Ny jiaby zay managna izégny fahatokisagna momba ny ho avy mifôtotra aminanjy izégny de madio ny tegnany mbô hadio karaha Ananjy. 4 Zay jiaby manota de magnano zay tsy ara-dalàgna; fô ny fahotagna de tsy ara-dalàgna. 5 Anaré de mahafantatra fô i Kristy de nambara mbô hagnala iré fahotagna, ké akô aminanjy de tsisy fahotagna. 6 Tsisy ôlogno zay mitoetra akô aminanjy ké mbôla hanota hatragny. Tsisy ôlogno mbôla manota nahita ananjy na nahafantatra ananjy. 7 Ry zanaka malala, aza avela hisy ôlogno hamitaka anaré. Lay araiky zay magnano ny fahamarignana de marigna, karaha ny mahamarigna an'i Kristy. 8 Lay araiky zay manota de avy amin'ny devoly, fô ny devoly de nanota hatragny am-piandohagna. noho izégny antony izégny ny Zanak'Andriamanitra de naseho, mbô hahafahany mamotika iré asan'ny devoly. 9 Na zôvy na zôvy naterak'Andriamanitra de tsy hanohy ny fahotagna satrià ny voa avy tamin'Andriamanitra de mitoetra akô aminanjy. Tsy afaka manohy ny fahotagna izy satrià naterak'Andriamanitra. 10 Akô amin'izégny no hampisehoagna iré zanak'Andriamanitra sy iré zanaky ny devoly. Na zôvy na zôvy magnano ny marigna de tsy avy amin'Andriamanitra; na ny araiky zay tsy tia ny rahalahiny fiagna koà aza. 11 Fô izégny no hafatra zay efa renaré hatragny am-piandohagna: fô atsika de tôkony mifankatia, 12 fô tsy karaha an'i Kaina, zay avy amin'ilay ratsy sy namono ny rahalahiny. Fô nahoagna izy no namono ananjy? Satrià iré asany de ratsy, ké ny an'ny rahalahiny de marigna. 13 Aza gaga, ry rahalahiko, kôfa mankahala anaré ny tany. 14 Fantatsika fô efa niala tamin'ny fahafatesagna mankagny amin'ny fiainagna atsika, satrià tia an'iré rahalahy atsika. Zay tsy tia de mitoetra agny amin'ny fahafatesagna. 15 Zay mankahala ny rahalahiny de mpamono ôlogno. Fantatraré fô tsisy mpanompo ôlogno managna fiainagna mandrakizay mitoetra akô aminanjy. 16 Amin'izégny no hahafantarantsika ny fitiavagna, satria Kristy nanôlotra ny aignany ho antsika. Atsika foagna kôa de tôkony manôlotra ny aintsika ho an'iré rahalahy. 17 Fô na zôvy na zôvy managna ny haren'izô tontôlo izô, ké mahita ny fahasahiragnan'ny rahalahiny, kè magnakatogna ny fôn'ny fangorahany ananjy, amin'ny fômba karakôry no ipitrahan'ny fitiavan'Andriamanitra akô aminanjy? 18 Ry zanako malalako, ôka atsika tsy hitia amin'ny koragnany na koà amin'ny vava, fô amin'ny asa sy fahamarinagna. 19 Avy amin'izégny no hahafantarantsika fô avy amin'ny fahamarinagna atsika, ké mampatoky ny fôntsika aké agnatrehany atsika. 20 Fô kôfa magnameloka antsika ny fôntsika, Andriamanitra de maventy noho ny fôntsika, ké mahafantatra ny raha-jiaby Izy. 21 Ry malala, kôfa tsy magnameloka antsika ny fôntsika, de managna fahatokisagna amin'Andriamanitra atsika. 22 Na ino na ino angatahitsika de ho azontsika avy aminanjy, satrià atsika mitandrigna iré didiny sy magnano zay ankasitrahagna aké agnatrehany. 23 Izô no didiny: tôkony mino ny agnaran'ny Zanany Jesosy Kristy ké mifankatia atsika, karaha ny efa nagnomezany antsika izégny didy izégny. 24 Ny araiky zay mitazogna iré didin'Andriamanitra de mitoetra akô aminanjy, ké Andriamanitra mitoetra akô aminanjy. Amin'izégny no hahafantarantsika fô izy de mitoetra akô amintsika, amin'ny Fanahy zay nagnamiany antsika.