Tôko faha 2

1 Anaka, manôratra iré raha iré zaho mbô tsy hanotanaré. Kanefa kôfa misy manota, de managna mpisôlo vava atsika miaraka amin'ny Ray, Jesosy Kristy, lay marigna. 2 Izy no fagnavôtagna an'iré fahotantsika, ké tsy ny antsika foagna, fô ny an'izô tontôlo zô araiky manontolo foagna koà. 3 Amin'izégny no ahafahantsika fô mahafantatra Ananjy atsika: kôfa mitandrigna iré didiny atsika. 4 Lay mikoragna hoe: ''Mahafantatra an'Andriamanitra zaho'', fô tsy mitandrigna iré didiny, de mpandainga, ké ny marigna de tsy akô aminanjy. 5 Fô na zôvy na zôvy mitandrigna ny koragnany, marigna tokoà, de akô amin'izégny ologno izégny no nagnatanterahagna ny fitiavan'Andriamanitra. Amin'izégny no ahafantarantsika fô akô aminanjy atsika. 6 Lay araiky zay mivôlagna fô mitoetra akô amin'Andriamanitra de tôkony andeha foagna koà zay karaha ny nandehanan'i Jesosy Kristy. 7 Ry malala, tsy manôratra didy vôvô ho anaré zaho, fô didy talôha zay efa nanagnanaré hatramin'ny fiandohagna. Ny didy talôha de ny vôlagna zay renaré. 8 Fô manôratra didy vôvô ho anaré zaho, zay marigna akô amin'i Kristy sy akô aminaré, satrià ny haizigna de mandalo, fô ny fahazavagna marigna de efa mamiratra. 9 Lay araiky zay mivôlagna fô akô amin'ny mazava izy ké mankahala ny rahalahiny de akô agnaty haizigna hatramin'izô. 10 Lay araiky zay mitia ny rahalahiny de mitoetra akô amin'ny mazava ké tsy hisy fotoagna hagnafitohigna ananjy. 11 Fô lay araiky zay mankahala ny rahalahiny akô amin'ny haizigna de mandeha akô amin'ny haizigna; izy de tsy mahafantatra zay ombany, satrià ny haizigna de efa nahajamba ny masony. 12 Manôratra ho anaré zaho, ry zanaka malala, satrià iré fahotanaré de vôvela nohon'ny agnarany. 13 Manôratra ho anaré zaho, ry ray, satrià fantatraré lay araiky avy amin'ny fiandohagna. Manôratra ho anaré zaho, ry zatovo, satrià noresenaré lay ratsy. Efa nanôratra ho anaré zaho, ry zaza madiniky, satrià anaré de mahafantatra ny Ray. 14 Efa nanôratra ho anaré zaho, ry ray, satrià fantatraré lay avy amin'ny fiandohagna. Efa nanôratra ho anaré zaho, ry zatovo, satrià mafy anaré, ké ny koragnan'Andriamanitra de mipetraka akô aminaré, ké anaré de efa nandresy lay ratsy. 15 Aza mitia na an'izô tontôlo zô na iré raha aké aminanjy. Kôfa misy mitia an'izô tontôlo zô, de tsy akô aminanjy ny fitiavan'ny Ray. 16 Fô ny raha jiaby akô amin'izô tontôlo zô-de ny filan'ny nôfo, ny filan'ny maso, ké ny fieboeboan'ny fiainagna-zay tsy avy amin'ny Ray fô avy amin'izô tontôlo zô. 17 Zô tontôlo zô ndraiky fagniriany de mandalo. Fô na zôvy na zôvy managna ny sitrapôn'Andriamanitra de hitoetra mandrakizay. 18 Rankizy, itô no lera farany. Karaha ny efa renaré fô ho avy ny antiKristy, avaizo maro iré antiKristy zay efa tônga. Amin'izégny no ahafantarantsika fô itô no lera farany. 19 Niala tamintsika zaré ré, kanefa tsy avy amintsika. Fô kôfa tamintsika zaré ré de nipitraka niaraka tamintsika. Fô rehefa niala zaré ré, de nampiseho fô tsy tamintsika. 20 Fô managna fagnosoragna avy amin'ilay Araiky Masina anaré, ké fantatraré jiaby ny marigna. [Fagnamarihagna: misy dikavôlagna hafa sanany vôvô zay mivaky hoe: ''Managna ny fahalalagna jiaby anaré.'' Ny dikavôlagna sanany talôha de mivaky hoe: ''Ké fantatraré ny raha jiaby.''] 21 Tsy nanorata ho anaré zaho satrià anaré de tsy mahalala ny marigna, fô satrià fantatraré izégny ké tsisy lainga avy amin'ny marigna. 22 Zôvy no mpandaiga fô tsy lay araiky zay mandà fô i Jesosy no Kristy? Zay ôlogno zay de lay antiKristy, rehefa mandà ny Ray sy ny Zanaka izy. 23 Tsisy ôlogno zay mandà ny Zanaka ké hanagna ny Ray. Na zôvy na zôvo magneky ny Zanaka foagna koà de managna ny Ray. 24 Fô ho anaré, ôka zay regninaré hatramin'ny fiandohagna hipetraka akô aminaré. Kôfa zay regninaré hatramin'ny fiandohagna no mipetraka akô aminaré, de hipetraka akô amin'ny Zanaka sy akô amin'ny Ray foagna koà anaré. 25 Izégny no fampanantinagna namiagna antsika: de ny fiainagna mandrakizay. 26 Efa nanôratra izégny raha izégny ho anaré zaho momban'iré zay hitôndra anaré amin'ny lalan-diso. 27 Fô ho anaré, lay hosotra zay noraisinaré avy taminanjy de hipetraka akô aminaré, ké anaré de tsy mila ôlogno mampianatra anaré. Fô karaha zay nampianarin'ny fagnosoragna anaré ny raha jiaby de marigna ké tsy lainga, ké karaha zay efa nampianarin'izégny anarè, de mipetraka akô Aminanjy. 28 Avaizo, ry zanaka malala, mipetraka akô aminanjy, mbô rehefa miseho Izy, de hanagna fahasahiagna atsika ké tsy ho megnatra aké agnatrehany amin'ny fiaviany. 29 Kôfa fantatraré fô izy no marigna, fantatraré fô zay jiaby magnano ny mety de teraka taminanjy.