Tôko faha 9

1 Tsy ôlogno vô zaho? Tsy apostoly vô zaho? Tsy nahita an'i Jesosy Tompontsika vô zaho? Tsy asako akô amin'ny Tompo vô anaré? 2 Raha tsy apostoly ho an'ny hafa zaho, de farafaharatsiny Apostoly ho anaré. Fô anaré no porofo amin'ny maha-apostoly zaho akô amin'ny Tompo. 3 Izao no fiarovako amin'iré izay manadihady ahy: 4 Moa vô zahay tsy mahazo alalagna ny hihinagna sy hisotro? 5 Moa vô zahay tsy mahazo mitondra vady izay mpino, tahaka ny ataon'iré apostoly sanasanany, sy iré rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy? 6 Sa Barnabasy sy zaho irery no tsy maintsy miasa? 7 Iza no magnano fagnompoagna miaramila amin'ny fandaniany manôkagna? Iza no mambôly voaloboka ary tsy mihinagna ny voany? Na iza no miandry ondry ké tsy misotro ny ronono avy amin'izegny? 8 Moa vô zaho mikoragna iré raha iré mifototra amin'ny fahefan'ny olombelogno? Tsy milaza izegny koa vô ny lalàgna? 9 Fô izegny de efa voasôratra akô amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: ''Aza asiagna fato-bava ny ômby kôfa miely voa izy.'' Tegna ilay ômby tokoa vô no hiahian'Andriamanitra? 10 Tsy mikoragna mômba anay vô izy? Efa nosoratagna ho antsika, fô izay miasa tany de tôkony hiasa amin'ny fanantenagna, ké izay mively de tôkony hively amin'ny fanantenagna ny hahazo anjara amin'ny vokatra. 11 Raha namafy raha ara-pagnahy také aminaré zahay, moa be loatra aminay vô ny mijinja raha ara-materialy avy aminaré? 12 Raha mampihatra izegny zo izegny avy aminaré iré hafa, moa vô zahay tsy managna mihoatra? Na de izegny aza, tsy nitaky izegny zo izegny zahay. Kôfa, naleonay niaritra ny raha rehetra toy izay ho sakagna ho an'ny filazantsaran'i Kristy. 13 Moa vô tsy fantatraré fô irè izay manompo akô amin'ny tempoly de mahazo ny sakafon'izy iré avy akô amin'ny tempoly? Ké moa vô tsy fantatraré fô iré izay manompo eny amin'ny alitara de mahazo anjara amin'izay natao fanatitra také amin'ny Alitara? 14 Toy izay koa, ny Tompo de nandidy fô iré izay mitory ny filazantsara de tôkony hahazo ny fiveloman'izy iré avy amin'ny filazantsara. 15 Kanefa tsy nitaky ny araiky tamin'iré zo iré zaho. Ké tsy manôratra an'izao zaho mbô mety hisy raha hatao ho anahy. Aleoko maty toy izay hisy ôlagna hagnala amiko izegny rehareha izegny. 16 Fô raha mitory ny filazantsara zaho, de tsisy antony tôkony ireharehako zaho, satria tsy maintsy magnano izegny zaho. Ké loza ho anahy rahy tsy mitory ny filazantsara zaho! 17 Fô raha magnano izegny an-tsitrapo zaho, de managna valisoa. Fô raha tsy an-tsitrapo kosa, de mbôla managna ny andraikitra izay nankinigna taminahy zaho. 18 Inona ary izegny no valisoako? Izay de kôfa mitory zaho, de afaka magnomé ny filazantsara tsisy fandoavam-bôla ké mbô tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara. 19 Fô na de afaka amin'ny rehetra aza zaho, de tônga ho mpanompo ho an'ny rehetra, mbô hahazoako bebe kokoa. 20 Také amin'ny Jiosy de lasa toy ny Jiosy zaho, mbô hahazoako ny Jiosy. Také amin'iré izay ambanin'ny lalàgna, de lasa toy ny ôlogno izay ambanin'ny lalàgna zaho mbô hahazo iré izay ambanin'ny lalàgna. Nagnano izegny zaho na de tsy také ambanin'ny lalàgna aza ny tegnako. [Fagnamarihagna: Ny baiboly ULB sy ny UDB de mivaky hoe: ''Nagnano izegny zaho na de také ambanin'ny lalàgna aza ny koragnako.'' Ny dika-vôlagna taloha sanasanany de tsy magnisy izegny.] 21 Tamin'iré izay ivelan'ny lalàgna, de lasa toy ny olagna ivelan'ny lalàgna zaho, na de tsy ivelan'ny lalàn'Andriamanitra aza ny vôlagnako, fô ambanin'ny lalàn'i Kristy. Nagnano izegny zaho mbô hahazoako iré izay ambanin'ny lalàgna. 22 Také amin'iré malemy de lasa malemy zaho, mbô hahazoako iré malemy. Tônga raha jiaby ho an'ny ôlogno jiaby zaho, mbô hamonjeko ny sanasanany amin'ny fômba rehetra. 23 Magnano ny raha jiaby zaho ho an'ny filazantsara, mbô hafahako mandray anjara amin'iré fitahian'izegny. 24 Moa vô tsy fantatrarè fô amin'ny fihazakazahagna araiky ny mpihazakazaka jiaby de magnano ny fihazakazahagna, kanefa araiky ihany no mahazo ny loka? Koa mihazakazaha mbô hahazo ny loka. 25 Ny alitara araiky de mampihatra ny fifehezan-tegnany amin'ny fanazaran-tegnany jiaby. Magnano izegny izy iré mbô handray satro-boninahitra izay mety simba, kanefa kôfa isika mihazakazaka mbô hahazontsiaka satro-boninahitra tsy mety simba. 26 Ké noho izegny de tsy mihazakazaka amin'ny tsisy antony zaho na malemy totohondry amin'ny rivotra. 27 Fô feheziko ny tegnako ké ataoko andevo, mbô tsy ho lavitra ny tegnako, jiaby avy nitory tamin'ny hafa zaho.