Tôko faha 10

1 Tiako ho fantatraré, ry rahalahy, fô iré babantsika de takô ambanin'ny rahona avokoa ary namakivaky ny ranomasina. 2 Ny jiaby de natô batisa ho amin'i Mosesy takô amin'ny rahona sy takô amin'ny ranomasigna, 3 ké ny jiaby de samy nihinagna sakafom-pagnahy mitovy. 4 Ny jiaby de nisotro ranom-pagnahy mitovy. Fô izy iré de nisotro tamin'ny vatolampim-pagnahy izay nanaraka azy iré, de Kristy izegny vatolampy izegny. 5 Fô Andriamanitra de tsy nankasitraka tsara ny ankamaroan'izy iré, ké ny fatin'izy iré de naparitaka tagny agn'efitra. 6 Avaizo iregny raha iregny de ohatra, mbô tsy hagniriantsika raha ratsy karaha ny nilan'izy iré. 7 Aza manômpo sampy, karahà ny sanany tamin-jaré ré. Izegny de karahà izay voasôratra hoe: ''Iré ôlogno nipétraka mbô hihinagna sy hisôtro, ké nitsangana mbô hidôla.'' 8 Aoka antsika tsy hijangajanga, karaha ny nanon'ny maro tamin-jaré ré. Takô anatin'ny ndraik'andro, de ôlogno telo arivo sy roy algny no naty nohon'ny amin'iregny. 9 Aoka hiany koa antsika tsy hitsapa an'iKristy, karaha ny nataon'ny maro tamin-jaré ré ké naringan'iré menarana. 10 Aza mimonomonona ihany Koa, karaha ny nataon'ny maro tamin-jaré ré ké naringan'ny anjelin'ny fahafantésagna. 11 Ké iregny raha iregny no nipoitra tamin-jaré ré mbô ho ôhatra ho antsika. Nosoratagna mbô ho fampianaragna antsika izy iregny—ho amintsika izay niaviàn'ny fara-andro. 12 Noho izegny aoka izay mieritreritra ny tegnany ho efa mijôro mitandrigny tsara mbô tsy hianjera. 13 Tsisy fakampagnahy nahatratra anaré izay tsy iraisan'ny ôlombelogno jiaby fô ndraiky, Andriamanitra de mahatoky. Tsy haméla anaré ho alaim-pagnahy mihoàtra izay lasanaré Izy. Miaraka amin'ny fakam-pagnahy de hagnamia anré ny lalagna hilifasagna ihany Koa Izy, mbô hafahanaré miaritra izegny. 14 Noho izegny, ry malalako, milifasa lavitry ny fanompon-tsampy. 15 Mivôlagna aminaré karaha ny ôlogno manantsaigna zaho, mbô hafahanaré mitsara izay volagniko. 16 Ny kapokan'ny fisaoragna izay isaorantsika, izio mô zégny tsy fiombonagna amin'ny ran'i Kristy? Ny môfo izay vakiàntsika, izio mô zégny tsy fiombônagna amin'ny vatan'i Kristy? 17 Satrià araiky foagna ny môfo, antsika izay maro de vatagna araiky. Antsika jiaby de mandray amin'ny môfo araiky foagna. 18 Zahavo iré fokon'ôlon'Israely: Izio mô zaré izay mihinagna iré fagnatitra tsy mpandray anjara aké amin'ny alitara? 19 Inö arkà no ho volagniko? Hoe tsisy dikany mô izegny ny sampy? Sa ny hagnina izay natô fagnatitra tamiin'ny sampy no tsisy dikany? 20 Fô mikoragna mômban'ny raha izay anön'iré Jentilisa mpanômpo sampy fagnatitra zaho, fô amian-jaré ré an'iré demonia izegny raha izegny fô tsy an'Andriamanitra. Tsy tiako anré ho mpiombona amin'ny demonia! 21 Tsy araka misôtro ny kapokan' ny Tompo sy ny kapoakan'ny demonia anaré. Tsy araka miray aké amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr'iré demonia anaré. 22 Sé magnano izay mahasaro-piaro ny Tompo mö antsika? Mahery noho Izy mô antsika? 23 ''Ny raha jiaby de ara-dalàgna,'' fô tsy izegny aha jiaby no mahasoa. ''Ny raha jiaby ara-dalàgna,'' fô tsy izay raha jiaby no mampandrôso ny ôlogno. 24 Tsisy tôkony hiaragna ny tômbotsohany magnôkagna. Fô ndraiky, ny tsiraikaraika de tôkony hiaragna ny tômbotsoan'ny namany. 25 Araka mihinagna izay jiaby amidy egny abazary anaré, fô aza magnotsafa ny fieritreretanà. 26 Fô ''An'Tompo ny tany, sy izay jiaby misy aké aminanjy.'' 27 Kô misy tsy mpino magnasa anaré ihinagna, ké magniry ny handeha anaré, de hoano izay jiaby mipetraka aké anoloanaré ké aza mametra-panontaniagna ny amin'ny fieritreretagna. 28 Fô kô misy mikoragna aminaré hoe: ''Itô hanigna tô de avy amin'ny fagnatitry ny mpanômpo sampy,'' de aza mihinagna izegny. Izegny de ho an'ilay nampahafantatra anaré, sy ho an'ny fieritreretagna. [Fagnamarihagna: Ny dika-teny talôha sanany de magnampy hoe: ''Fô n'y tany sy ny raha jiaby akô aminy de an'ny Tompo.'' Fô ny dikan-teny tsara indrindra de tsisy izegny. ] 29 Tsy mikoragna zaho hoe ny fieritreretanà magnokana, fô ny fieritreretan'ny ôlon-kafa. Nahoagna no tôkony ho tsarain'ny fieritreretan'ny hafa? 30 Kô mandray anjara amin'ny hanigna am-pankasitrahagna Zaho, nahoagna no tivitivaigna amin'izay nanamiazako fisaoragna? 31 Noho izegny, na mihinagna na misôtro anaré, na ino na ino anönaré, de anö ho voninahitr'Andriamanitra avokoa. 32 Aza magnomia fagnafitohinagna ny Jiosy na ny Grika, na ny fiangonan'Andriamanitra. 33 Miezaka ny hahafaly ny ôlognon-jiaby amin'ny raha jiaby zaho. Tsy miaragna ny tombotsoako zaho, fô ny an'ny maro. Anokö izegny mbô ho voavonjy zaré ré.