Tôko faha 11

1 Alaivo tahaka zaho, karaha anahy mpalaka tahaka an'i Kristy. 2 Ké midèra anré zaho satrià mahatsiaro anahy amin'ny raha jiaby anré. Midèra anaré zaho satrià mitazogna mafy ny fômbafômba karaha izay nanolorako ananjy iré také aminaré anaré. 3 Ké tiako ho azonaré fô Kristy no lôhan'ny lalahy jiaby, fô ny lilahy no lôhan'ny viavy, ary Andriamanitra no lôhan'i Kristy. 4 Ké magnala vogninahitra ny lôhany iré lalahy izay mivavaka na maminagny ké mirako-dôha. 5 Fô magnala vogninahitra ny lôhany iré viavy izay mivavaka na maminagny tsy mirakodôha. Fô tsy hafa ary mitôvy amin'ny hoe viavy manaratra ny lôhany izegny. 6 Fô izy koà tsy mirakodôha ny viavy, de tôkony tapahigna ho foika ny randrany. Izy koà mahamenatra ny viavy ny manapaka ny randrany na ny manaratra ny lôhany, de ambélay izy handrakotra ny lôhany. 7 Fô tsy tôkony handrakotra ny lôhany ny lalahy, satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fô ny viavy de voninahitry ny lalahy. 8 Fô ny lalahy de tsy natao avy tamin'ny viavy. Fa kosa, ny viavy no natao avy tamin'ny lalahy. 9 Fô tsisy lalahy noforonigna ho an'ny viavy. Fô ndraiky, ny viavy no noforonigna ho an'ny lalahy. 10 Izegny no tôkony hanan'ny viavy ny mariky ny fahifagna aké amin'ny lôhany,noho iré anjely. 11 Na izegny aza, akô amin'ny Tompo, tsy mahaleo-tegna amin'ny lalahy ny viavy, na ny lalahy mahaleo-tegna amin'ny viavy. 12 Fô izikô avy amin'ny lalahy ny viavy, de ny lalahy koà de avy tamin'ny viavy. Fô avy amin'Andriamanitra ny raha jiaby. 13 Tsarao ny tegnanaré: mety amin'ny viavy mô ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy mirakodôha? 14 Tsy ny natiora mihintsy aza mé nö mampianatra anaré fô kô ny lalahy no lava randrana, de fahafaham-baraka ho ananjy izegny? 15 Tsy mampianatra anaré mô ny natiora fô kô ny viavy no lava randrana, de voninahitra ho ananjy izegny? Fô namiagna ananjy ny randrany mbô handrakotra ananjy. 16 Fô kô misy te-hiady hevitra amin'iregny, de tsy manana fampiaragna hafa zahéy, na iré fiangonan'Andriamanitra. 17 Fô anatin'iré tôrolalgna magnaraka, de tsy midèra anaré zaho. Fô izikô miara-tônga anaré, de tsy ho amin'ny tsara izegny fô ho amin'ny ratsy indrindra. 18 Fô tamin'ny vôalôhagny indrindra, de regniko fô kôfa miaraka miangona akô amin'ny fiangonagna anaré, de misy fizarazaragna aké aminaré, ké mino izegny amin'ny ampahany zaho. 19 Fô tsy maintsy misy fitsitôkotokoagna aké aminaré, mbô hankasitrahagna aké aminaré iré izay nikegna. 20 Fô ndraiky miangogna anaré, de tsy ny fanasan'ny Tompo no hoaninaré. 21 Ndraiky mihinagna anaré, de samy mihinagna ny sakafony manônkagna ny tsiraikaraiky alohan'ny hihinanan'iré hafa. Noana ny araiky, kô ny hafa lasa mamo. 22 Tsy managna tragno isakafoanagna sy isotroagna vô anaré? Ho tsiraharahinaré vô ny fiangonan'Andriamanitra ké hahetrinaré izay tsy managna na ino na ino? Ino no tôkony ho volagniko aminaré? Tôkony hidera anaré vô zaho? Tsy hidera anaré amin'izay zaho! 23 Fô noraisiko avy amin'ny Tompo ihany koa izay ampitaiko anaré, fô Jesosy Tompo, tamin'ny aligna izay namadihagna azy, de naka mofo. 24 Ndraiky avy nisaotra izy, de nanapaka izegny ké nivolagna hoe: ''Ity ny vatako, izay ho anaré. Ataovo izao ho fahatsiarovagna ahy.'' 25 Mitôvy amin'izay koa de noraisigny ny kapoaka ndraiky avy nisakafo hariva, ké nivolagna Izy hoe: ''Ity kapoaka ity no fanekegna vaovao akô amin'ny ràko. Ataovo izao na oviagna na oviagna anaré no misotro, ho fahatsiarovagna Ahy.'' 26 Amin'ny fotoagna jiaby izay hinananaré ity mofo ity sy hisitroanaré akô amin'ity kapoaka ity, de magnambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny anaré. 27 Na zôvy na zôvy, noho izegny, mihinana ny mofo na misotro amin'ny kapoakan'ny Tompo amin'ny fômba tsy mendrika, de ho meloka ny amin'ny vatagna sy ny ràn'ny Tompo. 28 Aoka handinika ny tegnany alôha ny ôlogno, ké amin'izegny de aoka hihinagna ny mofo ké hisotro amin'ny kapoaka izy. 29 Fô izy izay mihinagna sy misotro ké tsy mahafantatra ny vatagna, de mihinagna sy misotro fitsaragna ho an'ny tegnany. 30 Izegny no mahatônga ny maro aminaré ho osa sy marary, kè ny sanany aminaré ho maty. 31 Fô raha mandin-tegna isika, de tsy ho tsaraigna. 32 Fô rehefa voatsaran'ny Tompo isika, de mpagnara-dalàgna, mbô tsy ho voaheloka miaraka amin'izao tontolo izao. 33 Noho izegny, ry rahalahiko, rehefa miangogno mbô hihinagna anaré, de mifampiandrasa. 34 Raha misy ôlogno araiky noana, aoka izy hihinagna any an-dragno, amin'izay rehefa miangogna ianaré de tsy ho amin'ny fitsaragna izegny. Ké mahakasika iré raha hafa izay nosoratanaré, de hagnome toro-lalagna zaho ndraiky tônga.