Tôko faha 12

1 Mômba iré fagnomezam-pagnahy, ry rahalahy, de tsy tiako tsy ahafantatra anaré. 2 Fantatraré fô fony anaré mpanompo sampy, de voavily nankagny amin'aré sampy tsy manam-peo anaré, tagny amin'izay lalagna jiaby nitarihin'iregny anaré. 3 Noho izegny tiako ho fantatraré fô tsy misy ôlogno izay mivolagna amin'ny fagnahin'Andriamanitra afaka mivolagna hoe: ''Jesosy de voaozogno.'' Tsisy afaka mivolagna hoe: ''Jesosy de Tompo,'' afa-tsy amin'ny alalan'ny Fagnahy Masigna. 4 Ké misy fagnomezam-pagnahy samihafa, fô fagnahy mitovy ihany. 5 Misy fanompoagna samihafa, fô Tompo mitovy ihany; 6 ké misy karazan'asa samihafa, fô Andriamanitra mitovy ihany no managna azy iré ho azo atao amin'ny tsiraikaraiky. 7 Ké ho an'ny tsiraikaraiky no nomegna ny fanehoagna ivelan'ny Fagnahy ho an'ny tombotsoan'ny jiaby. 8 Fô ho an'ny ôlogno araiky de nomegna avy amin'ny Fagnahy ny volagnan'ny fahendregna, ké ho an'ny araiky hafa ny volagnan'ny fahalalagna amin'ny alalan'ny Fagnahy mitovy ihany. 9 Ho an'ny araiky hafa de nomegna ny finoagna amin'ny alalan'ny Fagnahy mitovy, ké ho an'ny araiky hafa iré fagnomezam-pahasoavagna hagnasitragna amin'ny alalan'ny Fagnahy araiky. 10 Ho an'ny araiky hafa de nomegna iré asan'ny hery, ké ho an'ny araiky hafa faminaniagna. Ho an'ny araiky hafa de nomegna ny fahafahagna manavaka iré fagnahy, ho an'ny araiky hafa iré karazagna volagna samihafa, ké ho an'ny araiky hafa ny fandikagna volagna. 11 Fô ny Fagnahy araiky sy mitovy ihany no miasa akô amin'izegny jiaby izegny, magnome iré fagnomezam-pagnahy ho an'ny ôlogno tsiraikaraiky avy, araka izay nofidiany. 12 Fô satria ny vatagna de araiky ké managna rantsagna maro ké ny jiaby de rantsan'ilay vatagna ihany, noho izegny de miaraka amin'i Kristy izegny. 13 Fô tamin'ny alalan'ny Fagnahy araiky no nanaovagna batisa antsika jiaby ho vatagna araiky, na iré Jiosy na iré Grika, na voafatotra na afaka, ké ny jiaby de natao mbô hisotro amin'ny Fagnahy araiky. 14 Fô ny vatagna de tsy rantsagna tôkagna, fô maro. 15 Raha mivolagna ny tongotra hoe: ''Satria tsy tanagna zaho, de tsy rantsagna amin'ny vatagna zaho,'' izegny de tsy kely amin'ny rantsan'ny vatagna akory. 16 Ké raha ny tadigny no hivolagna hoe: ''Satria tsy maso zaho, de tsy rantsagna amin'ny vatagna zaho ,'' izegny de tsy kely amin'ny rantsan'ny vatagna akory. 17 Raha maso ny vatagna jiaby, de ho aiza ny fandrenesagna? Raha tadigny ny vatagna jiaby, de ho aiza ny fanimboloagna? 18 Fô Andriamanitra nandamigna ny rantsan'ny vatagna tsiraikaraiky araka ny namorognany izegny. 19 Raha rantsagna mitovy ihany izy jiaby, aiza no hisy ny vatagna? 20 Kô izao de rantsagna maro izy iré, fô vatagna araiky ihany. 21 Ny maso tsy afaka mivolagna amin'ny tanagna hoe: ''Tsisy ilàko anà.'' Na ny loha tsy hivolagna amin'ny tongotra hoe: ''Tsisy ilàko anà.'' 22 Fô iré rantsagna amin'ny vatagna izay miseho ho malemy kokoa de tegna ilaigna, 23 ké iré rantsan'ny vatagna izay heverintsika fô tsy de manan-danja, de omentsika lanja lehibe kokoa iré, ké iré rantsantsika tsy fampiseho de managna fahamendrehagna mihoatra. 24 Ké ny rantsantsika fampiseho de tsy mila entigna amin'ny fahamendrehagna, fô iré de efa managna fahamendrehagna. Fô Andriamanitra nampikambagna ny rantsagna jiaby miaraka, ké izy nagnome lanja kokoa an'iré izay tsy ampy izegny. 25 Nagnano izegny Izy mbô tsy hisy fisarahagna aké amin'ny vatagna, fô mbô hifampikarakara amin'ny fitiavagna mitovy iré rantsagna. 26 Noho izegny rehefa mijaly ny rantsagna araiky, de mira-mijaly iré rantsagna jiaby; na rehefa omen-danja ny rantsagna araiky, de miara-mifaly ny rantsagna jiaby. 27 Ké ianaré de vatan'i Kristy ké rantsagna amin'izegny ny tsiraikaraiky. 28 Ké Andriamanitra nanendry takô amin'ny fiangonagna iré apostoly aloha, faroy iré mpaminagny, fahatelo iré mpampianatra, avy aké iré fagnomezam-pahasoavagna hagnasitragna, iré izay magnome fagnampiagna, iré izay magnano ny asan'ny fitantanan-draharaha, ké iré izay magnano karazagna fivolagna samihafa. 29 Apostoly vô izy jiaby? Mpaminagny avokoa vô? Mpampianatra avokoa vô? Magnano asa mahagaga avokoa vô ny jiaby? 30 Magnano fagnomezam-pagnahy hagnasitragna vô izy jiaby? Mivolagna amin'ny fivolagna tsy fantatra vô izy jiaby? Mandika volagna vô izy jiaby? 31 Katsaho fatratra iré fagnomezam-pagnahy lehiby kokoa. Fô hampiseho anaré lalagna tsaratsara kokoa zaho.