Tôko faha 8

1 Ké mahakasiky ny hanina atô sôrogno ho an'ny sampy—haintsika fô: ''Antsika jiaby de manam-pahalalagna.'' Ny fahalalagna mampireharehà, fô fitiavagna manangana. 2 Kô misy ôlogno araiky mihevitry ny tegnany fô mahé rahà, de mbôla tsy mahé araka izay tôkony ahezany akory izegny ôlogno izegny. 3 Fô kô misy ôlogno araiky mankatià an'Andriamanitra, de hainy izegny ôlogno izegny. 4 Kôfa ny mahakasiky ny fihinanagna hanina natô sorogno ho an'ny sampy—de haintsika fô ''ny sampy aketo amin'izao tontolo izao de tsinotsinogna'' sady "fa tsisy Andriamanitra kô-tsy araiky foagna.'' 5 Fô mety hisy iré mody antsoigna hoe andriamanitra, na agny an-danitry na akéto an-tany, karaha ny hamoronan'iré ''andriamanitra'' sy ny hamoron'iré ''tompo.'' 6 Fô ho antsika, ''Araiky foagna no Andriamanitra de ilay Ray, izay avy amin'ny raha jiaby, ké Izy no hivilômantsika, ary araiky no Tompo Jesosy Kristy, izay tamin'ny alalagny no nisian'ny raha jiaby, ké tamin'ny alalagny no nisiantsika.'' 7 Na izegny aza, izegny fahalalagna izegny de mbôla tsy akô amin'ny tsiraikaraiky. Fô kanefa, ny sanasanany také aloha de nampihatra ny fanompoan-tsampy, de nihinagna izegny hanigny izegny toy ny raha natao sôrogno ho an'ny sampy izegny. Noho izegny de simba ny fieretreretan'iré ré satria malemy izegny. 8 Fô tsy ny hanigna no hagnomé antsika aké amin'Andriamanitra. Fô tsy ratsy indrindra isika raha tsy mihinagna, na koa hoe tsara kokoa raha mihinagna izegny. 9 Tandremo mbô tsy ny fahalalanarè no antony hahatônga iré ôlogno osa ara-pinoagna ho tafintohigna. 10 Fô ataova karaha ny hoe misy mahita anà, izay manam-pahalalagna, mihinagna ny hanigna akô amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny halemen'ny fieretreretany vô no nahasahiagna hihinagna izay nomegna ho an'ny sampy? 11 Koa nohon'ny fahalalanà ny toetra marigna mômba ny sampy, de very ilay rahalahy malemy finoagna araiky, izay nahafatesan'i Kristy. 12 Noho izegny, kôfa manota amin'ny rahalahinaré ianaré kô mandratra ny saigna malemin'izy iré, de manota manohitra an'i Kristy ianaré. 13 Noho izegny, raha ny hanigna no mahatônga ny rahalahiko ho tafintohigna, de tsy hihinan-kena intsony zaho, mbô tsy avy aminaha no hahalavo ny rahalahiko.