Tôko faha 7

1 Ary mahakasika iré ôlogno izay nisoratanaré momban'ny hoe: ''Tsara ho an'ny lalahy ny tsy mikasika viavy.'' 2 Nefany noho iré fakam-pagnahy amin'ny vahavetavetagna maro isan-karazany, de tokony hanagna ny vadiny manôkagna aby ny lalahy tsiraikiraiky, ary ny viavy tsiraikiraiky de tôkony hanagna ny vadiny manokagna aby. 3 Ny lalahy de tôkony hagnomia iré zo ara-panambadiagna ho an'ny vadiny, ary kaha izegny koa ny viavy ho an'ny vadiny. 4 Tsy ny viavy no managna fahefagna amin'ny vatany manôkagna, fô ny vadiny. Karaha izegny koa, tsy ny lalahy no managna fahefagna amin'ny vatany manôkagna, fô ny vadiny no managna. 5 Aza mifanakantsakagna anaré tsiraikiraiky, koa tsy amin'ny fifagnarahagna nifagnanôvagna ary amin'ny fotoagna voatôkagna. Ataovo izaigny mbô hafahanaré manôkan-tegna amin'ny vavaka. Avaké de tôkony hiara-mandry koa anaré, mbô tsy hafahan'ny Satana malaka fagnahy anaré nohon'ny tsy fanagnanaré fifehezan-tegna. 6 Kanefa izaho de mivôlagna iré raha iré amin'aré am-pahalalahagna fô tsy didy aby. 7 Iriko ny ôlogno jiaby ho karaha anahy. Fô ny tsiraikiraiky de samby managna ny fagnomezam-pahasoavagnany manôkagna avy amin'Andriamanitra. Ny araiky managna itô karazam-pagnomezam-pahasoavagna itô, ary ny araiky hafa managna karazany hafa koa. 8 Ho an'iré izay tsy manambady sy iré mpitondrategna de mivôlagna zaho fô tsara ho ananjy iré koa mijanogno tsy manambady zaré ré, karaha anahy. 9 Kanefa zarè ré koa tsy afaka mamehy tegna, de tôkony hanambady. Satria tsara kokoa ho ananjy iré ny mambady toy izay ampirehetin'ny filàgna ara-nôfo. 10 Ary ho an'iré izay manambady de magnamia izao didy izao zaho_tsy izaho, fô ny Tompo_ny viavy de tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny, 11 (fô raha ôhatra izy ké misaraka amin'ny vadiny, de tôkony hijanogna tsy hanambady na koa miherigna mihavagna amin'ny vadiny) _ary ny lalahy de tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny. 12 Fô ho an'ny tavela de mivôlagna zaho_izaho, fô tsy ny Tompo_ hoe koa misy rahalahy araiky managna vady tsy mpino, ary koa mahafaly anjy ny miara-miaigna aminjy, de tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy. 13 Fô koa misy viavy managna vady tsy mpino, ary koa mahafaly ananjy ny miara-miaigny aminanjy, de tsy tôkony hisaraka amin'ny vadiny izy. 14 Satria ny lalahy tsy mpino de natôkagna noho ny amin'ny vadiny, ary ny viavy tsy mpino de natôkagna nohon'ny amin'ny rahalahy. Fô koa tsy izegny de ho maloto ny zanakaré, nefany raha ny marigny de efa voatôkagna zaré ré. 15 Fô koa ny vady tsy Kristianina no mandao, avilay izy andeha. Amin'ny toe-draha kara izegny, ny rahalahy na ny rahavavy de tsy voafehin'iré voadin-jaré zaré. Andriamanitra de nagnantso antsika mbô hiaigny am-piadanagna. 16 Fô amin'ny fômba akôry no ahafantaranà, ry viavy, koa ho voavonjinà ny vadinà? Na amin'ny fômba akôry no ahafantaranà, ry lalahy, koa ho voavonjinà ny vadinà? 17 Fô avelay foagna ny tsy raikiraiky aby hiaigna ny fiainagna izay efa nanendren'ny Tompo ananjy, ary araka ny efa nagnatsovan'Andriamanitra ananjy. Io no fitsipiko akô amin'ny fiangonagna jiaby. 18 Efa voafôra vô ny ôlogno araiky kôfa nantsovigna mbô hino? Izy de tsy tôkony hiezaka ny hisehoseho karaha ny tsy voafôra. Tsy voafôra vô ny ôlogno araiky kôfa nantsôvigna amin'ny finoagna? Tsy tôkony hoforaigna izy. 19 Satria tsy ny famoragna na ny tsy famoragna no tegna ilaigny. Ny tegna ilaigny de ny fankatovagna iré didin'Andriamanitra. 20 Ny tsiraikaraika avy de tôkony hijanogno amin'ny fagnatsôvagna izay nisy ananjy kôfa nantsôvin'Anandriamanitra mbô hino izy. 21 Andevo mô anà taminy Andriamanitra nagnantso anà? Aza miahiahy ny amin'izegny. Fô kô mety ho afaka anà, de araraoty izegny. 22 Satria ny ôlogno araiky izay nantsoin'ny Tompo ho andevo de ôlogno afaky ny Tompo. Karaha izegny koa ny ôlogno izay afaka kôfa izy nantsoigna mbô hino de andevon'i Kristy. 23 Anaré de voavidy, noho izegny de aza tônga karà iré andevon'ny ôlogno. 24 Ry rahalahy, na ino na ino fiainagna nisy antsika tsiraikaraika taminy antsika nantsôvigna mbô hino, de aoka antsika hijanona ho karaha izegny. 25 Ké mahankasika iré izay tsy nanambady mihitsy, izaho de tsy nanagna didy avy agny amin'ny Tompo. Kanefa izaho de magnamia ny hevitro karaha ny araiky zay, amin'ny alalan'ny famindram-pôn'ny Tompo, de mendrim-pitokisagna. 26 Noho izegny, mieritreritra zaho fô nohon'ny loza zay ho tonga, de tsara ho an'ny lalahy ny mijanogno amin'ny maha izy ananjy. 27 Voafatotra amin'ny viavy mô anaré? Aza miaragna ny ho afaka aminanjy. Afaka amin'ny vadinà mô anà? Aza miaragna vady. Nefa kô manambady anaré, de tsy nanota. 28 Kô ny viavy tsy manambady no manambady, de tsy nanota izy. Kanefa iré zay manambady de hanagna karazan'ôlogno maro kô mbôla velogno, ké izaho de te hagnala anaré amin'izegny. 29 Fô izao no volagniko, ry rahalahy: Foika ny fotoagna. Manomboko izao, ambilé iré izay efa manambady foagna ho karaha ny tsy managna. 30 Iré izay mitomagny de tôkony hagnano ho karaha ny tsy mitomagny, iré izay mivanga ho karaha ny tsy managna na ino na ino; 31 ary iré izay mampiasa izao tontolo izao de tsy tôkony hagnano karaha ny mpiasa izegny tanteraka. Satria izao tontôlo izao amin'ny endriny avahizo de ho tônga amin'ny fiafaragna. 32 Tiako anaré ho afaka amin'iré fanahignahiagna. Ny lalahy tsy magnambady de miahiahy ny amin'ny iré raha ny Tompo, ny amin'ny fômba hampifaliagna Ananjy. 33 Fô ny lalahy magnambady de miahiahy ny amin'ny rahan'izao tontolo izao, ny amin'ny fômba hampifaligna ny vadiny- 34 mirasarasa izy. Ny viavy tsy magnambady na mbôla tsy malala lalahy de miahiahy ny raha ny Tompo, ny amin'ny fômba hanokanagna amin'ny tegna sy ny fagnahy. Fô ny viavy magnambady de miahiahy ny amin'ny rahan'izao tontolo izao, ny amin'ny fômba hampifaliagna ny vadiny. 35 Volagniko izegny ho an'ny tombotsoanaré manokagna, fô tsy hamétraka izay jiaby sakatsakana aké aminaré. Mivôlagna izegny Zaho noho izay marigny, amin'izay anaré mbô hanolotegna ho an'ny Tompo tsisy fagnelingelenagna. 36 Kanéfa kô misy ôlogno araiky mihevitra fô tsy mitôndra ny fôfombadiny am-panajagna—kô mihoatra ny taonan'ny fahamariagna ilay viavy ké tsy maintsy kara izegny—de tôkony hagnano izay tiany izy. Tsy manoto izy. Tôkony hitambatra jaré ré. 37 kanéfa kô nikasa tsara takô am-pôny izy, izy koa ké tsy ambany faneritiriagna fô afaka mifehy ny sitrapôny manôkagna, izy koa nanapa-kevitra takô am-pôny izy hagnano izegny, mbô hitazomagna ny fôfombadiny ho tsimahalala lilahy, de tsara rà nanöny. 38 Ké izay manambady ny fôfombadiny de magnano ny tsara, ké izay misafidy ny tsy hanambady de hagnano ny tsaratsara kokoà aza. 39 Ny viavy de voafatotra ny vadiny kô mbôla velogna ralilahy. Fô kô maty ny vadiny, de malalaka tsara izy ny hanambady izay ho vadiagna, kanéfa akô amin'ny Tompo foagna. 40 Kanéfa amin'ny fitsarako de tôkony ho faly kokoà izy kô miaigna am'izao foagna. ké heveriko fô izaho foagna koa de managna ny Fanahin'Andriamanitra.