Tôko faha 6

1 Kôra misy araiky aminaré managna ady amin'iraika hafa, saky ménga akgny amin'ny fitsaragna aké agnatrehan'ny mpitsara tsy mpino mô izy, fô tsy aké agnatrehan'ny mpino? 2 Tsy fantanaré mô fô iré mpino no hitsara izao tontolo izao? Kô izegny, anaré no hitsara an'izao tontolo izao, tsy mahefa mandamigna raharaha madiniky mô anaré? 3 Tsy fantatraré mô fô hitsara iré anjely antsika? Magnano akôry arika noho izegny ny fihoafan'ny fahafahantsika mitsara iré rahalahy amin'itô fiainagna itô? 4 Izy koa ké afaka mitsara zegny raha misy amin'ny andavanandrom-piainagna anaré, magnino anà no mametraka karazan-draha karaha izegny aké agnatrehan'iré izegny tsisy dikany akô amin'ny fiangonagna? 5 Hampamègnatra anaré no hivolagnako izegny. Tsy mbô misy ampy fahindriagna mé na de araiky aby mô aminaré mbô handamigna ny disadisa aké amin'ny mpirahalahy? 6 Fa kôza, misy mpino araiky ménga mifanatrika amin'ny mpino hafa aké amin'ny fitsaragna, ké izegny rahalahy izegny de hapètraka aké anatréhan'ny mpitsara izegny tsy mpino! 7 Ny fisian'ny ady aké aminaré Kristiana jiaby de efa faharesegna ho anaré sahady. Fô tsy aleo vô mijaly amin'ny fahadisoagna? Fô tsy aleo vô avela ho voafitaka ny tegnanaré? 8 Fô anaré de nandiso sy namitaka iré hafa, ary de rahalahinaré foagna izy iré! 9 Mô tsy fantanaré vô fô ny tsy marigny de tsy handôva ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mino lainga. Iré vetaveta, iré mpanompo sampy, irè mpijangajanga, iré lalahy mpivaro-tegna, iré izay miara-mandry amin'ny samby lalahy, 10 iré mpangalatra, iré tsy mahazo onogna, iré mpimamo, iré mpagnaratsy, iré mpagnano an-keriny_tsy misy araiky amin-jaré ré handôva ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Karaha izegny ny sanany aminaré. Fô efa voadio anaré, nohamasinigna anaré, ary voamarigna také amin'Andriamanitra anaré tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy Kristy sy tamin'ny fagnahin'Andriamanitsika. 12 Ny raha jiaby de ara-dalagna aminahy,'' fô tsy ny raha jiaby no mahasoa. ''Ny raha jiaby de ara-dalagna aminahy,'' fô tsy ho andevozin'ny araiky amin'iré zaho. 13 ''Ny hanigna de ho an'ny kibo, ary ny kibo natao ho an'ny hanigna,'' fô Andriamanitra de hagnafoagna zaré roa iré. Ny vatagna de tsy natao ho an'ny fijangajangagna. Fô ndraiky, ny vatagna de natao ho an'ny Tompo, ary ny Tompo de hagnamia ho an'ny vatagna. 14 Andriamanitra de efa nanangagna ny Tompo sady hanangagna antsika amin'ny heriny koa. 15 Mô tsy fantanaré vô fô ny tegnanaré de rantsam-batan'i Kristy? Ké hindôsiko vô izegny iré rantsam-batan'i Kristy ké hanambatra ananjy iré amin'ny mpivavaro-tegna? Tsy hisy ané izegny! 16 Mô tsy fantanaré vô fô izay mitambatra amin'ny mpivaro-tegna de lasa nôfo araiky aminanjy? Karaha ny volagnin'ny sôratra masigna hoe: ''Ho nôfo araiky foagna zaré roa.'' 17 Fô izy izay mitambatra amin'ny Tompo de lasa fagnahy araiky aminanjy. 18 Hialà ny finjangajangagna! Ny fahotagna jiaby hafa izay ataon'ny ôlogno de ivelan'ny tegna, fô ny ôlogno mpijangajanga de manota ho amin'ny tegnany foagna. 19 Mô tsy fantanaré vô fô ny vatagnanaré de tempolin'ny Fagnahy Masigna, izay mipetraka akô agnatinaré, izay azonaré avy amin'Andriamanitra? Mô tsy fantanaré vô fô tsy aninaré ny tagnanaré? 20 Fô ôlom-boafidy anaré. Noho izegny de mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanaré. [Fagnamarihagna: Iré dikan-teny taloha sanany de mivaky karaha izao hoe: ''Noho izegny mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tegnanaré sy amin'ny fagnahinaré, izay an'Andriamanitra. ''Fô ny dikan-teny tegna tsara de tsy mivaky karaha an'io.]