Tôko faha 5

1 Izahay de naharegny tatitra fô misy fijangajangagna aké aminaré, karazagna fitondran-tegna tsy medrika izay tsy azo atao aby aké amin'iré Jentilisa. Ny tatitra de hoe misy araiky aminaré miara-madry amin'ny vadiny babany. 2 Anaré de tegna miavognavogna! Fô tsy tôkony alahelo vô anaré? Ny araiky izay nagnano izegny de tsy maintsy alàgna aketo aminaré. 3 Fô na de tsy aké ara-batagna aza zaho fô mbôla aké ara-pagnahy, de efa nitsara ilay araiky izay nagnano izegny sahady, karaha ny hoe také zaho. 4 Kôfa miaraka mivory amin'ny agnaran'i Jesosy Tompontsika anaré, ary ny fagnahiko de aké koa amin'ny herin'i JesosyTompontsika, de efe nitsara io ôlogna io sahady zaho. 5 Nataoko izegny mbô hanoloragna izegny lalahy izegny ho an'ny Satana ho famotehagna ny nôfo, mbô ho vôvonjy ny fagnahiny amin'ny andron'ny Tompo. 6 Tsy tsara ny fireharehanaré! Tsy fantanaré vô fô ny lalivay hely de magnôva ny môfo manontolo? 7 Diovo ny tegna naré amin'ny lalivay talôha mbô ho tonga môfo vaovao anaré, ke mbô ho tonga môfo tsy misy lalivay. Fô Kristy, lay zanak'ondrintsika tamin'ny Paska, de natô sorogno. 8 Noho izegny de aoka atsika hankalaza ny firavoravoagna, tsy amin'ny lalivay talôha, ilay lalivain'ny fitondran-tegna ratsy sy faharatsiagna. Fô ndraiky, aoka atsika hankalaza amin'ny môfo tsy misy lalivain'ny fahadiovam-pô sy fahamarinagna. 9 Izaho de nanôratra ho anaré takô amin'ny taratasiko mbô tsy hiarahanaré miasa amin'iré ôlogna mpijangajanga. 10 Kanefa ny tiako volagnina de tsy ny ôlogno mpijangajanga jiaby aketo amin'izao tontolo izao, na iré tsy mahonon-tegna, na iré mpikatramo, na iré mpanompo sampy, satria mbô hialagna amin'jaré ré de mila miala amin'izao tontolo izao anaré. 11 Nefany avaizo zaho manôratra ho anaré mbô tsy hiara-hiasa miaraka aminjovy na izôvy izay antsôvigny hoe rahalahy kanefa miaigna akô agnatin'ny fijangajangagna, na izay tsy mahonon-tegna, na mpanompo sampy, na mpivôlan-dratsy, na mpimamo, na mpikatramo. Aza hômagna hanigna miaraka amin'ny ôlogno karanin-jegny aby. 12 Fô akôry no idirako amin'ny fitsaragna iré izay agny ivelan'ny fiangonagna? Mifanohitra amin'izegny, anaré vô tsy tokony hitsara iré izay akô agnatin'ny fiangonagna? 13 Fô Andriamanitra de mitsara iré izay agny ivelany. ''Alà aké aminaré ny ôlon-dratsy.''