Tôko faha 4

1 Karaha izao no tokony handraisan'ny ôlogno antsika, karaha ny mpanompon'i Kristy ary mpitandrigna iré misterin'Andriamanitra. 2 Amin'izegny fifandraisagna izegny, de fepetra takigna amin'iré mpitandrigna ny maha-medri-pitokiagna ananjy iré. 3 Fô aminàhy de raha hely de hely ny tokony hitsaranaré na hitsaran'ôlombelogna jiaby anahy. Fô na izaho aza tsy mitsara ny tegnako. 4 Izaho de tsy mahafantatra izay fiampangagna natao taminahy, fô izegny de tsy midika fô tsy manan-tsigny zaho. Ny Tompo no mitsara anahy. 5 Noho izegny, aza manognona fitsaragna momban'ny raha jiaby mialohan'ny fotoagna, mialohan'ny hiavian'ny Tompo. Izy de hitondra iré raha miafignin'ny haizigna ho amin'ny fahazavagna ary hampiseho ny fikasan'ny fô. Avy aké ny tsiraikiraiky aby de handray ny fiderany avy amin'Andriamanitra. 6 Avaizo, ry rahalahy, nampihatra iré fitsipika iré taminahy sy tamin'i Apolosy zaho nohon'ny aminaré, mbô hahafahanaré mianatra avy aminay ny dikan'ny fivolagnana hoe: ''Aza mandeha mihoatra izay voasôratra.'' Izegny de mbô tsy hisy araiky aminaré hirehareha ny amin'ny fankasitrahana ny araiky noho ny hafa. 7 Fô izôvy no mahita fahasamihafagna aké aminaré sy iré hafa? Ino no anagnanaré ké tsy niraisinaré maimaimpoagna? Koa nadray izegny maimaimpoagna anaré, nagnino anaré no mirehareha karaha ny tsy nagnano karaha izegny? 8 Efa anagnanaré dahôlo izay jiaby tadiavinaré! Efa lasa mpanankariagna anaré! Ary efa nanomboka nanjaka anaré_ary izegny de tsy avy taminay! Izaho de magniry marigny ny nanjakanaré, mbô hafahanay manjaka miaraka aminaré. 9 Fô izaho de mieritreritra fô Andriamanitra de nametraka antsika ho apostoly miharihary kara ny farany amin'ny laharagna sy karaha ny ôlogno voaheloko ho foaty. Izahay de lasa fampisehoagna ho an'izao tontolo izao_ho an'iré anjely, ary ny ho an'ny ôlombelogno. 10 Izahay de mahôla nohon'ny amin'i Kristy, fô anaré de hendry akô amin'i Kristy. Malemy izahay, fô anaré mahery. Anaré de namiam-boninahitra, fô zahay ndraiky tsy nalam-baraka. 11 Mandrak'avaizo zahay de tihinagna sy mangetaheta, mahantra fitafigna, voavely mafy, ary tsy manan-kialofagna. 12 Miasa mafy izahay, miasa amin'ny alalan'ny tagnanay foagna. Kôfa latsaigna zahay, de miaritra. 13 Kôfa henjehigna izahay, de mitso-drano. Kôfa vohendrikedrika izahay, de mivolagna amin-katsaram-pagnahy. Zahay de niova, ary mbôla raisigna ho, fokon'izao tontolo izao sy faikan'ny raha jiaby. 14 Izaho de tsy nanôratra iré raha iré mbô hahamegnatra anaré, fô magnitsy anaré karahan'ny zanaka malalako. 15 Fô na de manana mpiambigna iray aligna akô amin'i Kristy aza anaré, de tsy managna baba maro be. Fô izaho de lasa baba naré akô amin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny filazantsara. 16 Noho izegny de mampirisika anaré izaho mbô ho hagalatahaka anahy. 17 Izegny no nandefasako anaré an'i Timoty, zanaka malalako sady mahatoky akô amin'ny Tompo. Izy de hampahatsiaro anaré iré lalako akô amin'i Kristy, karaha ny hampianarako ananjy iré na akeza na akeza sy akô amin'ny fiangonagna jiaby. 18 Avaizo de lasa miavogna ny sanany aminaré, magnano, karaha ny hoe tsy ho avy agny aminaré zaho. 19 Fô ho avy tsy ho ela agny aminaré zaho, kô sitraky ny Tompo. Ary tsy ahafantatra ny koragnan'iré izay tegna miavogna foagna zaho, fô hahita ny herinjaré ré. 20 Satria ny fanjakan'Andriamanitra de tsy mifototra amin'ny koragna fô amin'ny hery. 21 Ino no tadivinaré? Tokony ho avy agny aminaré miaraka amin'ny tsôraka kakazo vô zaho sa miaraka amin'ny fitiavagna feno halemem-pagnahy?