Tôko faha 3

1 Ary izaho, ry rahalahy de tsy afaka mivolagna taminaré karaha ny ôlogno izay ara-pagnahy, fô ndraiky karaha ny ôlogno ara-nofo, karaha ny zazahely akô amin'i Kristy. 2 Nifahanako ronono anaré, fô tsy ventin-kanigna, satria tsy vognona tamin'izegny anaré; ary na avaizo aza de mbôla tsy vognogno amin'izegny anaré. 3 Satria anaré mbôla araka ny nôfo. Fô na akeza misy fahasarotam-piaro sy fifandiragna aké aminaré, de tsy miaigna araka ny nofo vô anaré, ary tsy mandeha amin'ny fenitra ny ôlombelogno? 4 Fô kôfa misy araiky mivolagna hoe: ''Izaho magnaraka an'i Paoly,'' ary ny araiky mivolagna hoe: ''Izaho magnaraka an'i Apolosy,'' de tsy miagny karaha ny ôlombelogno foagna vô anaré? 5 Izovy ariky Apolosy? Izôvy Paoly? Mpanompo izay tamin'ny alalany no ninoanaré, izay namian'ny Tompo asa aby. 6 Izaho ny namboly, Apolosy no nanondraka, fô Andriamanitra no nampitombo. 7 Ke noho izegny, na izy izay mamboly na izy izay manondraka de tsy misy dikany. Fô Andriamanitra no mampitombo. 8 Ary izy izay mamboly sy izy izay manondraka de araiky, ary ny tsiraikiraiky de samby hahazo ny karamany aby araka ny asany. 9 Fô izahay de mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Anaré de sahan'Andriamanitra, sy tragnon'Andriamanitra. 10 Araka ny fahasoavan'Andriamanitra izay namiagna anahy karaha ny mpagnano tragno mahay, de mametaka ny fôtotra zaho ary hafa no magnorigna aké ambôniny. Fô aoka ny lalahy tsy raikiraiky hitandrigna ny amin'ny fomba hagnoregnany aké amin'izegny. 11 Fô tsy misy ôlogna mametaka fôtotro koa tsy ilay araiky izay napetraka, izegny hoe, Jesosy Kristy. 12 Avaizo koa misy ôlogno magnorigna aké ambônin'ny fitotra amin'ny volamena, vôlafotsy, vato sarobidy, kakazo, ahitra, milolo, 13 de haseho ny asany, fô ny andro mazava no haneho izegny. Satria haseho amin'ny afo izegny. Ny afo no hitsapagna ny hatsaragnan'ny nataon'ny tsiraikiraiky. 14 Koa mitraka ny asan'ilay ôlogno, de hahazo valisoa izy; 15 fô koa may ny asan'ilay ôlogno, de ho fatiantoka izy, fô izy tegnany de ho vonjegna, karaha ny nilefa tamin'ny afo foagna. 16 Tsy fantanaré vô fô anaré de tempolin'Andriamanitra ary ny fagnahin'Andriamanitra no mipetraka akô aminaré? 17 Koa misy ôlogno mandratra ny tempolin'Andriamanitra, de handratra izegny ôlogno izegny Andriamanitra. Fô masigna ny tempolin'Andriamanita, ary karaha izegny koa anaré. 18 Aza avela hisy ôlogno hamita-tegna. Koa misy ôlogno aké aminaré mihevitra fô hendry izy amin'izao vanimpotoagna izao, ambilay izy ho lasa ''mahola'' aminjay mbô mety ho lasa hendry izy. 19 Fô ny fahendregnan'izao tontolo izao de fahadalagna aké amin'Andriamanitra. Satria voasôratra hoe: ''Nahatakatra ny hendry takô amin'ny hafitsiagnan-jaré ré izy.'' 20 Ary koa hoe: ''Ny Tompo de mahafantatra fô ny fihevitra ny hendry de zava-poagna.'' 21 Noho izegny tsisy heky ny fireharehagna momba ny ôlogno! Fô ny raha jiaby de anaré, 22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainagna, na fahafatesagna, na raha avaizo, na raha ho avy. Ny raha jiaby de anaré, 23 ary anaré de an'i Kristy, ary Kristy de an'Andriamanitra.