Tôko faha 2

1 Izy kôfa nandeha taminaré zah, ry rahalahy, de tsy tonga niaraka tamin'ny koragna tsara lamigna na fahindriagna zah izikô nagnambara mômban'ny raha ambadiky mômban'Anandriamanitra. [Fagnamarihagna: Ny dika-teny maro hafa de mivaky karan'izao hoe: ''Kô magnambara ny fijorogna vavôlombelogno mômban'Andriamanitra zah.''] 2 Fô kinia tsy nahé na ino na ino zah kô také taminaré, izy koa tsy Jesosy Kristy, ndraiky Izy voahômbo. 3 Ké niaraka taminaré zah také tamin'ny falimiagna, ndraiky také tamin'ny tahotro, ndraiky tamin'ny fangovitagna be. 4 Ary ny hafatranay ndraiky fagnambarako de tsy tamin'ny teny fandrisian-dahatra ny fahindriagna fô kôza, tamin'ny fanehoan'ny fagnahy ndraiky hery, 5 mbô tsy ho akô amin'ny fahindrian'ôlombelogno ny finoagnanaré, fô akô amin'ny herin'Andriamanitra. 6 Avaizo de mikoragna fahindriagna aké aminaré matotro antsika, fô tsy ny fahindrian'izao tontolo izao, na ny anjaré mpanapaka izao vaninandro izao, izay mandalo foagna. 7 Fô kôza, mikoragna ny fahindrian'Andriamanitra amin'ny fahamarinagna mivony antsika, le fahindriagna mivony izay notendren'Andriamanitra mialôha talôhan'iré fotoagn'andro jiaby ho voninahitran-tsika. 8 Tsisy tamin-jaré mpanapak'izao andro izao no nahé io fahindriagna io, fô kô nahatakatra izegny zaré ré tamin'izegny fotoagna izegny, de tsy nivonin-jaré lay Tômpo-mboninahitra. 9 Fô araka izegny voasôratra hoe: ''Iré raha izegny tsisy maso nahita, tsisy tadigny mitandregny, tsisy eritreritra nahazo an-tsaigny, iré raha iré nomagnin'Andriamanitra ho an'iré zegny mankatia Ananjy.'' 10 Iré no raha natôron'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny fagnahy. Fô ny fagnahy de mikaroko ny raha jiaby, na de iré raha lalin'Andriamanitra aza. 11 Fô izovy no mahafantatra ny fisaignan'ny ôlogno araiky izy koa tsy ny fagnahin'ôlogno akô aminanjy? Ka rahan-jegny koa, tsisy mahafantata iré raha lalin'Andriamanitra izy koa tsy ny fagnahin'Andriamanitra. 12 Fô tsy nandramby ny fagnahin'izao tontolo izao antsika, Fô ny Fagnahy zay avy amin'Andriamanitra, mbô hahafahantsika mahafantatra iré raha amiagna antsika maimaimpoagna avy amin'Andriamanitra. 13 Mivolagna mômba iré raha iré amin'ny teny zay tsy hain'ny fahindriagnan'ôlombelogno ampianarigny zahay, fô zay ampianarin'ny Fagnahy anay. Ny Fagnahy no mandika ny volagna ara-pagnahy miaraka amin'ny fahindriagna ara-pagnahy. 14 Ny ôlogno zay tsy ara-pagnahy de tsy mandramby iré raha zay an'ny Fagnahin'Andriamanitra, satria fahadalagna aminanjy iregny. Tsy afaka mahay an'iregny izy satria famantaragna ara-pagnahy iregny. 15 Zegny ara-pagnahy de mitsara ny raha jiaby, fô tsy hiamparan'ny fitsaran'ny sasany izy. 16 ''Fô izôvy no afaka mahay ny fisaignan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra ananjy?'' Fô zahay de managna ny fisaignan'i Kristy.