Tôko faha 15

1 Avaizo mampahatsiahy anré zaho, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay nivolagniko taminaré, izay noraisinaré sy izay ijoroanaré. 2 Amin'ny alalan'izegny filazantsara izégny no vavoavonjy anaré, kô mitazogna mafy amin'ny teny notoriako taminaré anaré, kô tsy hoe ninöninö foagna. 3 Fô natolotro ho zavadehibe voalôhagny ho anaré izay voaraiko ndraiky koa: fô naty ho an'ny fahotantsika Kristy araka ny Sôratra Masigna, 4 ké nalevigna Izy, ary Izy de natsangana tamin'ny naty tamin'ny andro fahatelo araka ny Sôratra Masigna. 5 Kristy de niseho tamin'i Kefasy, ary avy aké tamin'iré roa ambin'ny fôlo; 6 avy aké de niseho indray mandeha tamin'iré rahalahy mihoàtry ny dimanjato Izy. Mbôla velogna ny ankamaroàn-jaré ré, fô ny sanany de nodimandry. 7 Ava aké Izy niseho tamin'i Jakoba, avy aké tamin'iré apostoly jiaby. 8 Tegna farany, de niseho taminahy Izy, karaha ny hoe tamin'ny zaza téraka tsy tônga vôlagna. 9 Fô zaho no hely indrindra amin'iré apostoly. Zaho de tsy mendrika ny antsoigna hoe apostoly satrià nanenjiky ny fiangonan'Andriamanitra zaho. 10 Fô nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha tônga anahy karan'izao, ké tsy foagna ny fahasoavagny aminahy akato. Fô ndraiky, niasa mafy kokoà zaho noho izy jiaby. Kanéfa tsy zaho izegny, fô ny fahasoavan'Andriamanitra izay miaraka aminahy. 11 Noho izegny na zaho izegny na zaré ré, karaha ny nitorianay de karaha izegny no ninoànaré. 12 Avaizo kô nambara fô Kristy de nitsangana tamin'ny maty, ahoagna no hafahan'ny sanany aminaré mivôlagna fô tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty? 13 Kanéfa kô tsisy ny fitsanganagna amin'ny maty, de tsy natsangana aby Kristy; 14 kanéfa kô tsy natsangana Kristy, foagna ny fitoriananéhy, ary foagna ihany koà ny finoanaré. 15 Koa, de hita ho vavolombelogno diso mômban' Andriamanitra zahay satrià nijoro vavolombelogno nanôhitra an'Andriamanitra, nivôlagna hoe natsangany Kristy kôfa tsy nagnano izégny Izy. 16 Koa tsy natsangana ny maty, de na Kristy aza tsy natsangana; 17 ary koa tsy natsangana Kristy, de foagna ny finoagnanaré ary de mbôla akô amin'ny fahotagnanaré anaré. 18 Ary izégny jiaby maty akô amin'i Kristy de efa very foagna koà. 19 Kô amitô fiainagna itô foagna no ananantsika tôky amin'ny ho avy akô amin'i Kristy,de antsika no mampainankinaka indrindra amin'ny ôlono jiaby. 20 Fô avaizo de efa natsangana tamin'ny maty Kristy, ilay voaloham-bokatr'iré izay maty. 21 Fô satria tônga tamin'ny alalan'ny ôlogna araiky ny fahafatesagna, de avy tamin'ny alalan'ny ôlogna araiky foagna koà no nihavian'ny fitsanganagna amin'ny maty. 22 Fô karaha ny nahafatesan'ny jiaby takô amin'i Adama, de ho velomigna akô amin'i Kristy foagna koà ny jiaby. 23 Kanéfa samby akô amin'ny filaharany manôkana ny tsiraikaraika: Kristy, ilay voaloham-bôkatra, ary avy aké iré izay an'i Kristy de ho atao velogna amin'ny fiaviany. 24 Avy aké de ho tônga ny farany, kôfa hamian'i Kristy ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakagna. Izegny de kôfa hagnafoagna ny fitsipika jiaby sy ny fahefagna jiaby ary ny hery Izy. 25 Fô tsy maintsy manjaka Izy mandra-pamerany ny fahavalony jiaby akô ambanin'ny tongony. 26 Ny fahavalo farany ho haringagna de ny fahafatesagna. 27 Fô nambelany také ambanin'ny tongony jiaby ny raha jiaby.'' Fa voalaza fô: ''Izy no nametraka ny raha jiaby,'' de mazava tsara fô tsy tafiditra akô anatin'izegny ilay araiky nametraka ny raha jiaby hagneky ny tegnany. 28 Kôfa magneky Ananjy ny raha jiaby, de ny Zanaka mihintsy no hagneky ilay araiky izay nampagneky ny raha jiaby ho Ananjy. Hiseho izegny mbô ho jiaby akô amin'ny jiaby ny Andriamanitra Ray. 29 Na koa inona no ilaina iré izay vita batisa ho an'ny maty? Izy koà tsy natsangana mihintsy ny maty, nahoana izy iré no natao batisa ho an'izy iré? 30 Nahoana ary, antsika no am-bavaloza isan'ora? 31 Miatrika fahafatesagna isan'andro zaho! Izegny de azo antoka karaha ny fireharehako ny aminaré, izay azako akô amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. 32 Inona no tômbony azoko, avy amin'ny fômba fizahavan'ny ôlombelagna, kô niady tamin'ny biby takô Efesosy zaho, kô tsy natsangana ny maty? ''Aoka antsika hihinagna sy hisôtro satria ho faty antsika amaraigna.'' 33 Aza mety ho fitahana hoe: ''Mandratra ny fisainana tsara ny naman-dratsy.'' 34 Mandiniha! Miainà am-pahamarinagna! Aza manohy manota! Fô ny sanany aminaré de tsy managna fahalalagna an'Andriamanitra. Mivôlagna izégny ho amin'ny fahamenaranaré zaho. 35 Fô ny ôlogna araiky hivôlagna hoe: ''Ahoana no hanangonagna ny maty, ary amin'ny karazana vatana inona no hatongavan'izy iré?'' 36 Tsy mahalala na ino na ino ianaré! Izahay hafafinaré de tsy hanômboka hitômbo kô tsy maty izégny. 37 Izay hafafinaré de tsy ny vatana izay ho avy, fô ny voa foagna. Izégny de mety ho lasa vary na raha hafa. 38 Fô hamian'Andriamanitra ananjy ny vatana araka izay safidiany, ary somby amin'ny vatany avy ny voa tsiraikaraika. 39 Tsy ny nôfotro jiaby no mitôvy. Fô ndraiky, araiky ny nôfotron'ny ôlombelogna, de hafa ny nôfotron'iré biby, ary nôfotro hafa ny an'iré vôrigno, ary hafa ny an'ny hazandrano. 40 Misy ihany koà iré vatana agny an-dagnitry sy iré vatan'ny akéto an-tany. Fô karazana araiky foagna ny voninahitry ny vatana agny an-dagnitry ary hafa ny voninahitry ny akéto an-tany. 41 Araiky ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary voninahitra hafa ny an'iré kintana. Fô ny kintana araiky miavaka amin'ny kintana araiky hafa amin'ny voninahitra. 42 Karaha izegny kôa ny fitsanganana amin'ny maty. Izay afafy de mity Simba, 43 afafy tamin'ny fahafaham-baraka izégny; de natsangana am-boninahitra. Afafy tamin'ny fahalemena izégny; de natsangana tamin'ny hery. 44 Afafy amin'ny vatana voajanahary izégny; de atsangana ho vatana ara-pagnahy. Kô misy vatana voajanahary, de misy vatana ara-pagnahy ihany koà. 45 Ary efa voasôratra ihany koà fô: ''Lasa fagnahy velogna Adama ilay lalahy voalôhany'' Ilay Adama faragny de lasa fagnahy manamia fiainagna. 46 Fô tsy ara-pagnahy no tônga voalôhagny fô ny voajanahary, ary avy také ny ara-pagnahy. 47 Ny ôlogna voalôhany de avy amin'ny tany, namboarigna tamin'ny vovoka. Ny ôlogna faharoy de avy agny an-dagnitry. 48 Karaha ilay araiky namboarigna tamin'ny vovoka, karaha izegny kôa ilay ôlogna agny an-dagnitry, ary karaha izegny ihany koà iré izay avy agny an-dagnitry.. 49 Karaha ny nitondrantsika ny endrik'ilay ôlon'ny vovoka, de hitôndra ny endrik'ilay ôlon'ny lagnitra ihany koà antsika. 50 Ké izao no volagniko, ry rahalahy, fô ny nôfo aman-drà de tsy afaka ny handôva ny fanjakan'Andriamanitra. Na izay mety simba handôva izay tsy mety simba. 51 Egy! Raha marigna miafigna no ho volagniko aminaré hoe: tsy ho faty jiaby antsika jiaby, fô hovaigna jiaby antsika jiaby. 52 Hiôva antsika amin'ny fotoagna araiky, ao anatin'ny indraika mipi-maso, amin'ny trompetra faragny. Haneno ny trompetra, ké iré maty de hatsangana ho tsy mety lo, ké de hovaigna antsika. 53 Fô itô vatana mety simba itô de tsy maintsy hitafy izay tsy mety lo, ké itô vatana mety maty tô de tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesagna. 54 Fô kôfa mitafy ny tsy mety simba tô vatana mety simba tô, izy kôfa mitafy ny tsy fahafantésagna tô vatana mety maty tô, de ho tônga amin'ilay koragna izay voasôratra hoe, "Voateligna tamin'ny fandresegna ny fahafatésagna.'' 55 ''Ry fahafatésagna, akéza ny fandresenà? Ry fahafatésagna, akéza ny fanindronanà?'' 56 Ny ota no fanindron'ny fahafatésagna, ké ny herin'ny ota de ny lalàna. 57 Fô isaoragna Andriamanitra, izay magnamia antsika ny fandresegna amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika! 58 Noho izegny, ry rahalahy malalako, mioregna tsara ké aza miozongozona. Miroboroboa mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satrià fantatraré fô tsy very maina ny asanaré akô amin'ny Tompo.