Tôko faha 16

1 Ké mahakasiky ny fanangonam-bôla ho an'iré mpino, karaha ny nanoroako lalagna ny fiangonan'i Galatia, de karaha izegny kôa no tôkony anönaré. 2 amin'ny andro voalôhan'ny herignandro, de tôkony hanôkagna raha ny tsiraikaraika aminaré ké hitahiry izégny araka izay vitanaré. Anö izégny mbô tsy hisian'ny fanangonam-bôla kôfa tônga zaho. 3 Kôfa tônga zaho, na zôvy na zôvy ikenaré, de aléfako miaraka amin'ny taratasy mbô hanolorako ny fanatitraré ho an'i Jerosalema. 4 Izy kôa ké mety aminahy ihany koà ny mandeha, de handeha hiaraka aminahy zaré. 5 Fô ho avy agny aminaré zaho kôfa mandalo akagny Makedonia. Fô handalo akagny Makedonia zaho. 6 Mety afaka hidôko miaraka aminaré zaho na mandritra ny ririnina mihintsy aza, mbô hahafahanaré magnampy anahy amin'ny diàko, na akeza na akeza ombako. 7 Fô tsy magniry ny hahita anaré mandritra ny fotoagna fohy zaho zao io. Fô manantegna ny hitoetra maharitra miaraka aminaré, kô ambélan'ny Tompo. 8 Fô hidôko akô Efesaosy zaho mandra-pahatôngan'ny Pentekosta, 9 Fô efa varavarana malalaka no nisôkatra ho anahy, ké misy fahavalo maro. 10 Izikoa tônga Timoty, de ezaho mbô tsy hatahotra izy miaraka aminaré, fô magnano ny asan'ny Tompo izy, karaha ny anöko. 11 Aza ambéla hisy ôlogno hagnano tsinotsinogna ananjy. Ampiao izy amin'ny lalany amin'ny fiadanagna, mbô hafahagny maké aminahy. Fô manantégna ananjy mbô ho tônga hiaraka amin'iré rahalahy zaho. 12 ké mahakasika an'i Apolosy rahalahintsika, de nampirisika ananjy mafy zaho mbô hamangy anaré miaraka amin'iré rahalahy. Fô mbôla tsy vonogna tantéraka ny ho avy izy izao. Na izagny aza, ho tônga izy kôfa mety ny fotogna. 13 Miambéna, mijoroa tsara amin'ny finoagna, miasà karaha lalahy, mahereza. 14 Aoka ho atao am-pitiavagna izégny anonà jiaby. 15 Hainaré ny fianakiviagnan'i Stefanasy, fô zaré ré no niôva fô voalôhagny takô Asaia, ké zaré ré no namétraka ny tegnanjaré ré ho amin'ny fanompoagna iré mpino. Ké mamporisika anaré zaho, ry rahalahy, 16 mbô hagneky ny ôlogno karaha izegny sy amin'ny ôlogno jiaby izay magnampy amin'ny asa sy miasa miaraka aminay. 17 Mifaly amin'ny fahatongavan'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy zaho. Nameno ny tsy naha-teo anaré zaré ré. 18 Fô namelombelogna ny fagnahiko sy ny anaré zaré ré. Ké noho izegny, fantaro ny ôlogno karaha izegny. 19 Iré fiangonan'i Asia de magnano velôma aminaré. Akila sy Pritsila de magnano velôma aminaré akô amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fiangonagna izay akô amin'ny tany petrahanjaré ré. 20 Ny rahalahy jiaby magnano velôma anaré. Mifagnanôva velôma amin'ny ôroka masigna. 21 Izaho, Paoly, manôratra itô amin'ny tanagnanahy. 22 Kô misy ôlogno tsy tià ny Tompo, enga anie mbô ho voaozogna izy. Ho tônga, ny Tompontsika! 23 Ho aminaré anié ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. 24 Ho aminaré jiaby ny fitiavako akô amin'i Jesosy Kristy. [Fagnamarihagna: Ny dikan-teny talôha de magnampy hoe: "Amena." Fô ny vaovao maro hafa, akô anatin'izegny ny ULB sy ny ny UDB, de mangala izegny.]