Tôko faha 14

1 Miaragnà fitiavagna ké manàgna zotom-pô amin'iré fagnomezam-pagnahy, indrindra fô ny mbô haminaninaré. 2 Fô izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra de tsy mikoragna amin'ôlogno fô amin'Andriamanitra. Fô tsisy mahazo ananjy satria mikoragna raha mivogny akô amin'ny fagnahy izy. 3 Fô izay maminagny de mikoragna amin'ôlogno mbô ho fampiorenagna ananjy iré, ho fampirisihagna ananjy iré, ary fampiononagna ananjy iré. 4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra de manorigna ny tegnany, fô izay maminagny de manorigna ny fiangonagna. 5 Avaizo de magniry anaré jiaby hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra zaho. Fô mbôla mihoatra noho izegny aza, magniry Zaho ny haminaninaré. Izay miminagny de mahavénty kokoà noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra (kô tsy hoe misy ôlogno araiky mandika teny ké mbô mety hioregnan'ny fiangonagna). 6 Fô avaizo, ry rahalahy, kô tônga aké aminaré amin'ny fiteny tsy fantatra zaho, ino no tombon-tso amiako anaré amin'izegny? Tsy araka Zaho, kô tsy hoe mikoragna aminaré amin'ny fanambaragna, na fahalalagna, Na faminaniagna, na fampianaragna. 7 Kô mamoàka feo iré raha maneno tsy manan'aina—karaha ny sodina na lokanga—ké tsy mamoàka lantom-peo samihafa iré, ahoagna no hahafantaran'ny ôlogno izay melodia aboakan'ny sodina na ny lokanga? 8 Izy koà magnano feo hafahafa ny trompétra, ahoagna no hahafantaran'ny ôlogno kôfa fotoagna hiomanagna amin'ny ady? 9 Ké karan-jégny ndraiky koa ny aminaré. Kô tsy mazava ny koragna aboaka ny vavanaré, ahoagna no hahafantaran'ny ôlogno izay novolagninaré? hikoragna anaré, fô tsisy hahazo anaré. 10 Misy fivolanagna maro samihafa akéto amin'izao tontôlo izao, ké tsisy amin'iregny no tsisy dikany. 11 Fô izikoà tsy mahafantatra ny dikan'ny fivolanagna araiky zaho, de ho vahigny amin'izay mivôlagna, ké izay mivôlagna ho vahigny aminahy. 12 Karaha izégny ndraiky koa ny aminaré. Satria magniry fatratra ny fihitsehan'ny Fagnahy anaré, manàna zotom-pô mbô hiroborobo amin'ny fanorenagna ny fiangonagna. 13 Noho izegny izay mivôlagna amin'ny fiteny tsy fantatra de tôkon'ny hivavaka mbô hafagny mandika teny. 14 Fô izikoa mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra zaho, de mivavaka amin'ny fagnahiko, fô ny saiko tsy mamoa. 15 Inö no tôkon'ny ho ataoko? Hivavaka amin'ny fagnahiko zaho, fô hivavaka amin'ny saiko ihany koà. Hihira miaraka amin'ny fagnahiko zaho, ary hihira miaraka amin'ny sainako ihany koà. 16 kô tsy izegny, kô midèra an'Andriamanitra miaraka amin'ny fagnahy anaré, karakôry no hivolanan'ny vahigny hoe ''Amena'' kôfa mangamia fisaoragna anà izy koà ka tsy fantagny izay volagninà. 17 Fô anà de tegna magnamia fisaoragna tsara ihany, fô ny ôlo hafa tsy miorigna. 18 Misaotra an'Andriamanitra zaho fô mikoragna amin'ny fiteny tsy fantatra mihoàtra noho anaré jiaby. 19 Saingy agny am-piangonagna de aleoko miteny ny teny dimy araka ny fahazoako mbô hafahako mampianatra iré hafa, toy izay teny iray aligna amin'ny fiteny tsy fantatra. 20 Ry rahalahy, aza mbô zaza amin'ny fihevitraré. Fô ndraiky, kô amin'ny ratsy, de manaova karaha ny zaza. Fô amin'ny fihevitraré de aoka ho matotra anaré. 21 Akô amin'ny lalàgna de voasôratra hoe: ''Amin'ny alalan'ny ôlogna hafa fitegny sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahigny de hikoragna amin'ireto ôlogna ireto zaho. Nade tsy haregny Anahy aza izy iré,'' aozy ny Tompo. 22 Noho izegny iré fitegny tsy fantatra de famantaragna, tsy amin'iré mpino, fô amin'iré tsy mpino. Fô ny amin'ny faminanigna ndraiky de ho famantaragna, tsy ho an'iré tsy mpino, fô ho an'iré mpino. 23 Noho izegny, izikoà ké, miara-miangona ny fiangonagna jiaby ké mitegny amin'ny fiteny tsy fantatra jiaby, ké miditra iré vahigny sy tsy mpino, tsy ho volagnin-jaré ré fô adala mô anaré? 24 Fô kô naminagny jiaby anaré jiaby ké nisy tsy mpino na vahigny niditry, de ho resy lahatra amin'izegny jiaby regniny izy. Ho tsaraigna amin'ny alalan'izegny jiaby vôalaza izy. 25 Ho ambara ny tsiambaratelo akô am-pôny. Vokatr'izegny, hiankôhoka izy ké hitsaoka an'Andriamanitra. Hagnambara izy fô tegna akô aminaré Andriamanitra. 26 Inö izégny no magnaraka, ry rahalahy? Kôfa tafatambatra anaré, ny tsiraikaraika de managna salamo, fampianaragna, fanambaragna, fiteny tsy fantatra, na fandikan-teny. Anö ny raha jiaby mbô hanoregnanaré ny fiangonagna. 27 Kô misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ambilé hisy arö na farafahabétsagny telo akéo, ké mandihàna tsiraikaraika, avaké de tôkony hisy araiky handika ny teny izay voalaza. 28 Fô kô tsisy mpandika teny, ambilé ny tsiraikaraika amin-jaré ré hitazogna fahanginagna akô am-piangonagna. Ambilé ny tsiraikaraika hikoragna mitôkagna amin'ny tegnany sy amin'Andriamanitra. 29 Ambilé hikoragna ny mpaminagny arö na telo, ary ambilé iré hafa hitandregny amin'ny fahaiza-manavaka izay voalaza. 30 Fô kô misy fanatitra amiagna izay mipetraka akô amin'ny fanompoagna, ambilé hangina ilay araiky izay mikoragna. 31 Fô ny tsiraikaraika aminaré de afaka mifandimby maminagny mbô hafahan'ny tsiraikaraika mianatra ké mbô hahery ny jiaby. 32 Fô ny fagnahin'iré mpaminagny de akô ambanin'ny fagnaraha-mason'iré mpaminagny. 33 Fô Andriamanitra de tsy Andriamanitry ny fikorontanagna, fô ny fiadanagna. Izégny no fitsipika ho an'iré fiangonan'iré mpino jiaby. 34 Ny viavy de tôkony hitazogna fahanginagna akô am-piangonagna. Satria tsy mahazo alalagna hikoragna izy iré. Fô ndraiky, tôkony hagneky izy iré, karaha ny ambaran'ny lalàgna. 35 Kô misy irian-jaré ré hianaragna, ambilé hagnotsafa ny vadiny agny an-tragno izy iré. Fô mahaménatra ho an'ny viavy ny mikoragna akô am-piangonagna. 36 Avy aminaré mô no niaviàn'ny tenin'Andriamanitra? Anaré izy raika mô no vôakasik'izegny? 37 Kô misy mieritreritra ny tegnany ho mpaminagny na ara-pagnahy, de tôkony hagneky izy fô iré raha izay soratako aminaré de didin'ny Tompo. 38 Fô kô misy tsy magneky izégny, de ambilé izy tsy ho ikéna. [Fagnamarihagna: Ny ankamaroàn'ny dikan-teny, akô anatin'izegny ny ULB sy UDB, de mamaky hoe: ''Fô kô misy tsy magneky izégny, de aoka tsy ho ikéna izy.'' Ny dikan-teny sanany talôha magnano hoe: ''Izy koà misy tsy mahalala izegny, de ambilé izy tsy hahalala izegny.''] 39 Kôa amin'izegny, ry rahalahy, magnirià fatratra ny naminagny, ké aza mandrara anjôvy na izôvy hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra. 40 Fô ambilé ny raha jiaby atao araka ny tôkony ho izy sy am-pilaminagna.