1 Ary raha nandalo Jesôsy, dia nahita lalahy gila letry voho tairaka. 2 Nagnontany Azy reo ny mpianany nagnanjao: "Raby, zôvy no nanota, io lalahy io sa reo ray ama-ndreniny, no tairaka gila zao izy?" 3 Jesôsy namaly nagnajao: "Tsy io lalahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fao nitsabogny zao mbô hanehoagna aminazy ny asan-Jagnahary. 4 Tsy maintsy magnano ny asan'ny zay nagniraka Zaho atsika raha mbôla mazava. Fao hoavy ny aligny zay tsy ahafahagna na zôvy na zôvy miasa eky. 5 Raha mbôla aketo amin'ny izao tontolo izao Zaho, dia Zaho no fahazavan'izao tontolo zao." 6 Koafa avy nivaolagna zany Jesôsy, nandrora tamin'ny tany, aveo nagnano feta tamin'ny lehy rora, kay nagnôsotro faotaka tamin'ny mason'ny lehy lalahy. 7 Nivaolagna Jesôsy: "Mandihiana, sasao egny amin'ny ranon'ny Siloama (Zay adika hoe: Nirahigny) ny masonao." Kay lôso ralehilahy, nanasa zany, aveo nimpôdy nahita. 8 Ary nifampangnontany reo ôlogno mpiray vody rindrigny tamin-dralehilahy ndraiky reo zay nahita azy nangataka talaoha nagnanjao: "Tsy tô moa lehy lalahy nipaitraka nangataka teto?" 9 Ny sanany nagnanjao: "Izy io." Ary ny hafa nivaolagna: "Tsia, fao taokagna aminazy faogna izy." Fao izy ndraiky nagnanjao: "Zaho tô.'' 10 Hoizy zareo taminazy: "Koa nagnankôry nahitavan'ny masonao?" 11 Namaly izy: "Lehy lalahy antsôvigny hoe Jesôsy no nagnano feta ary nagnôsotro zany tamin'ny masoanaha kay nivaolagna taminaha nagnanjao: 'Mandihiana akagny Siloama avakeo sasao ny masonao.' Dia nanadaiha zaho ary nanasa zany kay nahita. " 12 Hoizy zareo taminazy: "Aiza Izy?" Dia nivaliany: "Tsy haiky." 13 Nindesinjareo teo amin'ny Fariseo lehy lalahy zay gila talaoha. 14 Tamin'ny andro Sabata moa no nitsaboan'i Jesôsy ny feta ndraiky nampahita ny masoanazy. 15 Ary nagnontany azy indraiky reo Fariseo ny amin'ny fomba nahitavany. Hoizy tamin-jareo: "Nasiany feta ny masoanaha, nisasako, kay mahita Zaho zao." 16 Ny sanany tamin-jareo Fariseo nivaolagna: "Tsy avy amin-Jagnahary tô lalahy tô satria tsy mbô magnaja ny sabata." Ny hafa nagnanjao: Akôry no afahan'ny ôlogno mpanota mitsabo famantaragna gaida hotra zao?" Kay nisy fizarazaragna teo amin-jareo. 17 Kay nimpôdy nagnontany lehy lalahy gila indraiky zareo nagnanjao: "Inona no hambaranao mahakasiky Azy, letry nampahitavany masonao?" Hoizy lehy lalahy gila: "Mpagnazary Izy." 18 Ary mbôla tsy nino ny mahakasiky azy faogna reo Jiosy hoe izy dia afa gila kay nahita raha tsy nagnantso ny ray aman-dreniny lehy lalahy nahita zareo. 19 Nagnontany reo ray aman-dreniny zareo nagnanjao: "Tô moa lehy zanakareo zay volagninareo fao tairaka gila? Koa nanankôry no ahitavany zao?" 20 Aveo nivalian'ny reo ray aman-dreny zareo nagnanjao: "Hainay fao zanakay io sady tairaka gila izy. 21 Fao naifa amin'ny nahitavany, tsy hainay. Agnontania azy, afa gaida izy. Afaka mivaolagna hoan'ny haignianazy izy." 22 Nivaolagna zany reo ray aman-dreniny, satria natahotro reo Jiosy zareo. Satria afa narikitry reo Jiosy fao raha misy magneky Azy ho Kristy, ho roahigny hiala ao amin'ny synagoga izy. 23 Nohon'ny amin'ny zany, no nivolagnanjareo ray aman-dreniny nagnanjao: "Afa gaida izy, izy no agnintania." 24 Avakeo nagnantso lehy lalahy gila talaoha fagnindrony indraiky zareo nivaolagna taminazy nagnanjap: "Amiazo vogninahitry Zagnahary. Hainay fao mpanota zany lalahy zany.'' 25 Aveo namaly lehy lalahy: "Tsy haiky alaoha raha mpanota Izy. Ny haiko zao: Afa gila zaho talaoha, fao zao zaho nahita." 26 Aveo hoizy zareo taminazy: "Fao ino no natany taminao? Akôry ny fomba nampahitavany masonao?" 27 Dia namaly izy: "Afa nambarako taminareo, fao areo tsy nitandregny! Kay akôry areo no ti-hitandregny zany indraiky? Ti-ho agnisan'ny mpianany faogna koa ma areo, sa tsy zany?" 28 Nagneso azy zareo kay nivaolagna nagnanjao: "Anao no mpianatra nazy, fao zahay mpianatr'i Mosesy. 29 Hainay fao afa nikoragna tamin'i Mosesy Zagnahary, fao raha zany lalahy zany dia tsy hainay zay naviany." 30 Dia namaly lehy lalahy kay nagnanjao: "Mahagaga zany, tsy hainareo zay naviany, naifa nampahita masoanaha Izy. 31 Haintsika fao tsy mitandregny reo mpanota Zagnahary, fao raha misy mazôto mivavaka ndraiky magnano sitra-pônazy, dia mitandregny azy Izy. 32 Letry niantomboahany zao tontolo zao tsy mbôla regny velively hoe nisy nampahita ny mason'ny zay tairaka gila. 33 Koa raha tsy avy aminjagnahary zany lalahy zany, tsy mahaifa na ino na ino." 34 Aveo namaly zareo kay nagnanjao taminazy: "Taigna tairaka tamin'ny ota anao, anao ndraiky moa hampianatra zahay?" Avakeo niroasin-jareo niboaka izy. 35 Regnin'i Jesôsy fao niroahin-jareo tao amin'ny synagoaga izy. Ary Izy nahita azy dia nivaolagna nagnajao: "Mino ny Zanak'Ôlogno moa anao?" 36 Namaly izy: "Zôvy moa Izy, Tompo, mbô hinoako Azy?" 37 Jesôsy nagnanjao taminazy: "Afa nahita Azy anao, aveo lehy araiky zay mikoragna aminao zao zany." 38 Hoizy lehy lalahy: "Tompo mino zaho." Aveo nidaira Azy izy. 39 Jesôsy nivaolagna: "Fao fitsaragna no nahatongavako aketo amin'ny zao tontolo zao mbô hahita reo gila aveo mbô ho tonga gila reo zay mahita." 40 Naharegny zany ny sanany tamin'ny reo Fariseo zay niaraka taminazy kay nagnontany Azy nagnanjao: "Ary zahay faogna koa moa gila?'' 41 Fao Jesôsy nivaolagna taminjareo nagnanjao: "Raha gila areo, tsy ho nanan-keloko, fao areo ndraiky zeo mivaolagna: 'Mahita zahay,' dia mbôla mitoaitra ny helokoareo."