Toko Faha 10

1 "Ambarako aminareo, marigny, taigna marigny, fao zay tsy miditry amin'ny tamiagna ho amin'ny valan'ondry, fao magnaniky lalagna hafa, dia mpangalatra ndraiky mpandroba izy. 2 Fao zay miditry amin'ny tamiagna ndraiky no mpiambigny ondry tsara. 3 Izy no sokoafin'ny mpiambigny tamiagna. Maharegny feonazy ny ondry, avakeo izy magnantso ondrianazy manaokagna amin'ny agnarany kay minday azy miboaka. 4 Koafa nagnaboaka azy jiaby izy, nialaoha lalagna zareo, aveo magnaraka azy ny ondrianazy, satria mahay feonazy. 5 Ary tsy hagnaraka vahiny reo fao hilaifa azy ndraiky, satria tsy hainy ny feony vahiy." 6 Jesôsy nivaolagna zany aohatra zany tamin-jareo, naifa tsy azonjareo aby reo raha nivolagniny taminjareo. 7 Dia hoizy ndraiky Jesôsy tamin-jare: "Volagniky aminareo, marigny, marigny tatô be, fao Zaho no tamiagnan'ondry. 8 Zay jiaby tonga talaohakanaha mpangalatra ndraiky mpandroba, satria tsy nitandregny zareo ondry. 9 Zaho no tamiagna. Raha misy miditry ao amin'ny alalako, ho voavonjy izy; hiditry ndraiky hiboaka izy aveo hahita fihinanagna. 10 Fao ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra ndraiky hamono aveo handrava. Fao Zaho ndraiky avy mbô hanagnanjareo fiainagna aveo hanagna zany fôtry tatôbe. 11 Zaho no mpiambigny ondry tsara. Ny miambigny tsara manôlotro ny haigninazy hamonjy ondrinazy. 12 Ny mpikarama tsy miambigny avakeo tsy tômpony ondry. Raha nahita amboadia magnatogno izy hilaifa ny ondry kay hipariaka, aveo ny amboadia manambotro ndraiky mampipariaka zareo. 13 Milaifa izy satria mpikarama kay tsy miraharaha ny ondry. 14 Zaho no mpiambigny ondry tsara, ary haiko ny ninaha, ary hainy Zaho. 15 Ny Iada mahay Zaho, avakeo Zaho mahay Iada, ary Zaho manôlotro ny aigninaha hoan'ny ondry. 16 Managna ondry hafa zay tsy amin'ny tô vala tô Zaho. Tsy maintsy ho ndesiky faogna koa regny, aveo zareo haharegny feonaha mbô ho tonga andiany araiky faogna ndraiky mpiambigny araiky. 17 Zao no antony hitiavan'ny Iada Zaho: mahafoy manôlotro ny aigninaha Zaho mbô handraisako zany indraiky. 18 Tsisy malaka zany aminaha, fao haigninaha faogna manôlotro zany. Managna fahefagna hanôlotro zany Zaho, aveo managna fahefagna halaka zany indraiky. Zany didy zany azoko avy tamin'ny Iadako." 19 Nisy fizarazaragna indraiky teo amin'ny reo Jiosy noho reo vaolagna reo. 20 Maro tamin-jare no nivaolagna nagnanjao: "Managna masantôko Izy aveo very saigny. Nagnino areo mitandregny Azy?" 21 Ny sanany nivaolagna: "Tsy fivolagnan'ny ôlogno misy masantôko zany. Moa ny Masantôko afaka mampahita mason'ny gila?" 22 Aveo tonga ny fetin'ny fanokanagna tao Jerosalema. 23 Rirignigny tamin'ny zany, aveo Jesôsy nitsangagna teo agnatin'ny tempoly teo amin'ny fialofan'i Solomona. 24 Aveo nitangoraonan'reo Jiosy Izy avakeo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zisiky aiza no hampisalasalanao zahay? Raha Anao Kristy, dia volagno aminay mibaribary aminay." 25 Ary Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Afa nagnambara areo Zaho, fao tsy minao areo. Reo asa zay nitsaboky amin'ny agnaran'ny Iadako, reo no magnambara Zaho. 26 Kanaifa areo tsy mino satria tsy mbô ondrinaha. 27 Mitandregny feonaha ny ondrinaha; haiko zareo, avakeo magnaraka Zaho. 28 Amaizako zare ny fiainagna bariky dintany; kay tsy hofoaty bariky dintany zareo, ary tsy hisy handrobaka azy am-pailatagnako. 29 Ny Iadako, zay nagnamia reo Zaho, dia gaida noho ny hafa jiaby, aveo tsisy mahavita mandrobaka zareo ampailatagnan'ny Iada. 30 Zaho ndraiky iada araiky faogna." 31 Avakeo nalaka vato reo Jiosy mbô hanopy vato Azy. 32 Avakeo Jesôsy namaly zareo: "Maro ny asa tsara namboakako areo avy tamin'ny Iada. Kay ino tamin'ny regny asa regny hanopianareo vato Zaho? 33 Namaly Azy reo Jiosy nagnanjao: "Tsy ny asa tsara no hanopianay vato anao, fao ny fivolagnandratsy, satria Anao, ôlombelogno, dia magnano ny haigninao ho Zagnahary." 34 Namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Tsy afa voasaoratra ao amin'ny lalagnanareo moa hoe: "Hoizy Zaho magnanjao: "zagnahary areo?" 35 Raha nagnantso regny ho zagnahary izy, dia hoan-jôvy zany no navian'ny vaolagna Zagnahary (Ary ny Saoratra Masigny tsy azo foagnagna), 36 Moa lehy nihamasignin'ny Iada ndraiky nirahigny ho amin'ny zao tontolo zao no atanareo hoe: 'Mivaolagna ratsy Anao,' noho Zaho nivaolagna: 'Zaho Zanaka Zagnahary'? 37 Koafa tsy magnano reo asan'ny Iadako Zaho, dia aza mino Zaho. 38 Fao raha magnano regny Zaho, na dia tsy mino Zaho aby areo, dia minoa reo asa mbô hahaizanareo ndraiky hazahoanare fao ny Iada dia akato Aminaha ary Zaho amin'ny Iada." 39 Mbôla nikasa ny hanambotro Azy indraiky zareo, fao nilaifa Izy. 40 Dia nandaiha andaforôn'i Jordana indraiky Izy hoagny amin'ny lehy toairagna zay nagnanaovan'i Jaona batisa voalaohany, aveo nidôko teo. 41 Maro ny ôlogno nagnatogno Azy avakeo hoizy zareo: "Jaona tsy mbô nitsabo famantaragna, fao raha jiaby nivolagnin'i Jaona mahakasiky io lalahy io marigny." 42 Maro ny ôlogo nino Azy teo.