Toko Faha 11

1 Ary nisy lalahy araiky narary antsôvigny hoe: Lazarosy. Avy akao Betania izy, tanagnan'i Maria ndraiky Marta rahavaviny. 2 Maria no nagnôsotro menaka mangitry Tompo ndraiky nagnadio ny tagnany tamin'ny volony, ary Lazarosy anadahiny narary. 3 Ary reo mpirahavavy nagniraka ôlogno hoagny amin'i Jesôsy, nivaolagna agnanjao: "Tompo, zahavo, fao marary lehy tianao." 4 Koafa regnin'i Jesôsy zany, dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Tsy fahafataisagna no hiafaran'tô aretigny tô, fao ndraiky ho fanehoagna vogninahitry Zagnahary mbô hagnandratagna ny Zanaka Zagnahary amin'ny alalan'ny zany." 5 Ary Jesôsy tia i Marta ndraiky rahavaviny aveo Lazarosy. 6 Koafa naharegny Jesôsy fao marary Lazarosy, dia mbôla nijanogno aroa andro tao amin'ny toeragna nisy Azy Izy. 7 Ary tafaran'ny zany nivaolagna tamin'ny reo mpiaatra Izy nagnanjao: "Alôhy atsika hoagny Jodia ndraiky." 8 Hoizy reo mpianatra taminazy: "Raby, amin'ny zao mikasa hanopy vato Anao reo Jiosy, kay mbôla himpôdy agny ndraiky Anao?" 9 Ary namaly Jesôsy: "Tsy aroa ambin'ny fôlo ora moa ny fahazavagnan'ny andro? Raha misy ôlogno mandaiha amin'ny andro mazava, tsy ho tafintohigny izy, satria mahita fahazavagnan'izao tontolo zao. 10 Naifa, raha mandaiha amin'ny aligny izy, dia ho tafintohigny satria tsy aminazy ny fahazavagna." 11 Nivaolagna reo raha reo Izy, ary tafaran'ny reo raha reo, hoizy tamin-jareo: "Resin-tory Lazarosy namantsika, fao handaiha Zao mbô hafahako hagnonjogno azy amin'ny tôromaso." 12 Kay hoizy reo mpianatra taminazy: "Tompo, raha resin-tory izy, ho tsara." 13 Naifa Jesôsy nivaolagna fahafataisagna, naifa niheverin-jareo fao fialantsasatra amin'ny tôromaso no nivolagniny. 14 Aveo Jesôsy nivaolagna tsotra tamin-jareo nagnanjao: "Maty Lazarosy. 15 Ravo zaho, nohon'ny aminareo, fao tsy tagny Zaho mbô hahatonga areo hino. Andaiha atsika hoagny aminazy." 16 Tomasy, zay antsôvigny Didymo, dia nivaolagna tamin'ny reo mpianatra nagnanjao: "Andaiha koa atsika mbô hiaraka maty amin'i Jesôsy." 17 Koafa havy Jesôsy, hitany fao afa nalevigny aifatra andro tampasagna Lazarosy. 18 Aveo Betania afa marikitry Jerosalema, eo amin'ny dimy ambin'ny fôlo stadio eo no ailagnailagna. 19 Maro reo Jiosy havy tao amin'i Marta ndraiky Maria, mbô hampahery zareo nohon'ny fahafataisan'ny anadahin-jareo. 20 Aveo, Marta, koafa naharegny fao tonga Jesôsy, nandaiha nitsaina Azy, fao Maria ndraiky nidôko tan-tragno 21 Dia nivaolagna tamin'i Jesôsy Marta: "Tompo, raha teo Anao, tsy maty ny anadahiko. 22 Naifa na dia zeo aby, haiky fao na ino na ino angatahinao amin-Jagnahary, hamaizany Anao zany." 23 Hoizy Jesôsy taminazy: "Ny anadahinao hitsangan-ko velogno indraiky." 24 Marta nivaolagna taminazy nagnanjao: "Haiky fao hitsangagna indraiky izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany." 25 Nivaolagna Jesôsy taminazy: "Zaho no fananganagna ny maty ndraiky fiainagna; zay mino Zaho, na dia maty aby izy, ho velogno; 26 aveo na zôvy na zôvy velogno kay mino Zaho tsy ho foaty bariky dintany. Mino zany moa anao?" 27 Hoizy taminazy: "Ia, Tompo, mino zaho fao Anao no Kristy, Zanaka Zagnahary, lehy ho tonga eto amin'ny zao tontolo zao." 28 Koafa voavaolagna zany, lôsogno izy nagnantso mangingigny Maria rahavaviny. Hoizy nagnanjao: "Tonga ny Mpagnanatra aveo magnantso anao Izy." 29 Koafa regnin'i Maria zany, nitsangagna nalaky izy nandaiha aminazy. 30 Ary Jesôsy tsy mbôl tonga tan-tanagna fao mbôla teo amin'lehy toairagna nitrahaofan'i Marta taminazy faogna. 31 Noho zany reo Jiosy, zay niaraka taminazy tantragno ndraiky nampahery azy, koafa nahita Maria nitsangagna nalaky kay lôsogno niboaka, nagnaraka azy, nihevitry fao handaiha hitomoagny akagny amin'ny fasagna izy. 32 Koafa tonga teo amin'ny toairagna nisy Jesôsy Maria kay nahita Azy, niondriky izy aveo nivaolagna taminazy: "Tompo, raha teto Anao, tsy maty ny anadahiko." 33 Koafa nahita azy nitomoagny Jesôsy, aveo reo Jiosy niaraka taminazy koa nitomoagny, vônto fagnahinazy ary nihôron-kôditry Izy; 34 dia nivaolagna Izy nagnanjao: "Taiza nandivaignanareo azy?" Hoizy reo taminazy: "Tompo, malaky aveo zahavo." 35 Nitomoagny Jesôsy. 36 Aveo hoizy reo Jiosy: "Zahavo ny hagidasan'ny fitiavany i Lazarosy!" 37 Fao ny sanany tamin-jareo nivaolagna: "Moa tsy hain'ny tô lalahy tô, zay nampahita ny mason'ny lehy gila, ny magnano zay tsy nahafaty tô lalahy tô koa?" 38 Aveo ndraiky Jesôsy, raha mbôla vônto fagnahinazy, nandaiha amin'ny fasagna. Ary zohy zany, aveo misy vato mamôgno azy. 39 Nivaolagna Jesôsy: "Alao hiala ny vato." Marta, anabavan'i Lazarosy, lehy maty, nivaolagna tamin'i Jesôsy: "Tompo, afa mahimbo ny vatagna nazy raha amizao fotoagna zao, satria aifatr'andro zao no nahafataisany." 40 Ary Jesôsy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tsy afa nambarako anao moa fao, raha hino anao, dia ho hitanao ny vogninahitry Zagnahary?" 41 Dia nalan-jareo ny vato. Jesôsy nanandratra masony kay nivaolagna nagnanjao: "Iada a, misaotra Anao Zaho satria nitandregny Zaho Anao. 42 Haiky fao mitandregny Zaho lalandava Anao, fao nohony vahoaka mitsangagna magnôlotro Zaho no nivalagnako zany, mbô hahafahan-jareo mino fao Anao nagniraka Zaho." 43 Koafa avy nivaolagna zany Izy, nagnantso tamin'ny feo mafy nagnanjao: "Lazarosy, miboaha!" 44 Niboaka lehy lalahy maty; nisy fehim-paty ny hongony ndraiky tagnany, aveo voafehy lamba koa ny haigniny. Hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Vahao izy aveo ambilao handaiha." 45 Aveo maro tamin-jareo Jiosy tonga tao amin'i Maria ndraiky nahita ny natan'i Jesôsy, no nino Azy; 46 Fao ny sanany tamin-jareo ndraiky lôsogno nandaiha amin'ny Fariseo ary nivaolagna tamin-jareo ny raha nitsabon'i Jesôsy. 47 Aveo ny laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo namôry ny Synedriona niaraka aveo nagnanjao: "Ino no tsabontsika? Tô lalahy tô magnano famantaragna maro. 48 Raha ambailantsika amizao Izy, hino Azy jiaby; ary hoa avy ny Romana halaka tanagnantsika ndraiky firenenantsika." 49 Naifa, nisy lalahy araiky tamin-jareo, Kaiafa, zay mpisoronabe tamin'ny zany tagno zany, nagnanjao taminjareo: "Areo tsy mahay na ino na ino. 50 Tsy mieritreritry aby areo fao tsara hoanareo raha lalahy araiky no maty hoan'ny ôlogno toy zay ny firenena jiaby no ringagna." 51 Ary zay nivolagniny tsy natany nihinazy faogna. Fao ndraiky, noho izy mpisorognobe tamin'io tagno io, dia naminagny fao tôkony hofoaty hoan'ny firenena Jesôsy; 52 avakeo tsy hoan'ny firenena faogna, fao mbô hampikambagna ny zanaka Zagnahary zay niparitaka koa. 53 Kay nanomboko tamin'io andro io nagnano tetiky ny mahakasiky hamonoagna Jesôsy zareo. 54 Ary Jesôsy tsy nandaiha nibaribary tegny amin'ny reo Jiosy eky, fao niala teo Izy nandaiha amin'ny tany narikitry hefitry hoagny an-tanagna atao hoe Efraima. Ary nibidôko tao Izy ndraiky reo mpianatra. 55 Ary afa narikitry ny Paska ny jiosy, ary maro tamin'ny reo tany ambailan'ny tanagna no nakatra tao Jerosalema alaohan'ny Paska mbô hagnadio ny haigninjareo. 56 Nitady Jesôsy zareo, ary nitsangagna teo amin'ny Tempoly nifampiraisaka nagnanjao: "Ino no eritreretinareo? Hoe tsy ho tonga amin'ny andro firavoravoagna moa Izy?" 57 Aveo afa nagnamia beko ny laohan'ny mpisorogno ndraiky Fariseo fao raha misy mahay ny misy Jesôsy, tôkony mivaolagna izy mbô hanambaoran-jareo Azy.