Toko Faha 12

1 Enigny andro alaohan'ny Paska, tonga tao Betania Jesôsy, zay nipitrahan'i Lazarosy, lehy afa natsangan'i Jesôsy tamin'ny maty. 2 Kay nahandro hanigny aminazy zareo, aveo Marta no nandroso zareo, fao Lazarosy ndraiky agnisan'ny reo niaraka nidôko tamin'i Jesôsy tandatabatra . 3 Aveo Maria nalaka mainaka mangitry litatra araiky zay vita tamin'ny narda lafo vanga, kay nagnôsotro hongotro Jesôsy tamin'ny zany, aveo namafa hongony tamin'ny volondaohany. Feno ny hangitry lehy mainaka ny tragno. 4 Ary Jodasy Iskariota, araiky tamin'ny reo mpianany, zay hamadiky Azy, nagnanjao: 5 "Nagnio mainaka io tsy navidy 300 dinaria namiagna ny mijaly?" 6 Ary izy mivaolagna zany, tsy nohon'ny fiahiany ny mijaly, fao satria mpangalatra izy: tegny aminazy ny kitapom-baola aveo ho nangalariny zay nakajigny tao. 7 Jesôsy nagnanjao: "Ambilao izy mbô hitagna zay hanagnany ho amin'ny andro handivaignagna Zaho. 8 Ho akeo aminareo lalandava ny mijaly, fao Zaho ndraiky Tsy ho eo aminareo lalandava." 9 Ary nisy vahoaka maro tamin'ny reo Jiosy nahay fao teo Jesôsy, kay nagnatogno zareo, tsy hoan'i Jesôsy zeraiky faogna, fao mbô hahita Lazarosy faogna koa, lehy natsangan'i Jesôsy tamin'ny maty. 10 Reo laohan'ny mpisôrogno nitetiky niaraka mbô hahafahan-jareo manosiky Lazarosy amin'ny fahafataisagna faogna koa; 11 Satria noho Izy no nahatonga ny ankamaroan'reo Jiosy andaiha aveo nino Jesôsy. 12 Ny amaraigny vahoaka maro no havy tamin'ny andro firavoravoagna. Koafa regnin-jare fao hoavy Jerosalema Jesôsy, 13 nalalaka sampan-drofia zareo aveo niboaka kay nagnantianty Azy tamin'ny antso mafy nagnanjao: "Hosana! Sambatra lehy avy amin'ny agnaragna Tompo, lehy mpanjakan'ny Israely." 14 Aveo Jesôsy nahita zana-boriky araiky kay nantotry tamboninazy; 15 araka ny voasaoratra magnanjao: "Aza ambory, zanakavavin'ny Ziona; zahavo, tô avy ny Mpanjakanareo, zay midôko eo ambon'ny zana-boriky." 16 Tsy nahazo reo raha reo mpianatra nazy tamin'ny voalaohany; fao koafa namiam-bogninahitry Jesôsy, dia tsaroan-jareo fao voasaoratra mahakasiky Azy reo raha reo aveo afa natan-jareo taminazy zany. 17 Ary reo vahoaka niaraka taminazy tamin'ny nagnantsaovany Lazarosy hiboaka ny fasagna ndraiky nananganagna azy tamin'ny maty dia samy nitsangagna antomoa aby. 18 Noho zany antony zany faogna koa no nahatonga vahoaka hagnantianty Azy, satria regnin-jareo fao nagnano zany famantaragna zany Izy. 19 Reo Farise noho zany nifampikoragna nagnanjao: "Zahavo, tsy afaka magnano na ino na ino areo; tô, magnaraka Azy izao tontolo zao." 20 Aveo nisy Grika vitsivitsy tamin-jreo zay nakatra hidaira akagny amin'ny firavoravoagna. 21 Nandaiha amin'i Filipo zareo, zay avy akagny Betsaida akagny Galilia, aveo nagnontany azy: "Tompoko, mbô tehahita Jesôsy zahay." 22 Dia lôsogno Filipo kay nivaolagna tamin'i Andrea; lôsogno Andrea niaraka tamin'i Filipo, avakeo nivaolagna Tamin'i Jesôsy zareo. 23 Jesôsy namaly zareo kay nagnanjao: "Afa tonga ny fotoagna hagnamaizagna vogninahitry ny Zanak'Ôlogno. 24 Volagniky marigny aminareo, marigny tatôbe, fao raha tsy latsaka amin'ny tany ny voam-bary kay maty, dia midôko amin'ny haigniny zeraiky zany; fao raha maty zany, dia hamoa fôntry. 25 Zay tia fiaignagna dia hagnary zany; fao zay malaigny fiainagna aketo amin'ny zao tontolo zao ndraiky dia hitagna zany hoa akagny amin'ny fiainagna bariky dintany. 26 Raha misy manompo Zaho, aoka izy hagnaraka Zaho; aveo zay hidaohako, dia ao faogna koa no hibidaohany mpanompoko. Raha misy mpanompo Zaho, dia hagnamia vogninahitry azy Iada. 27 Zeo mangorohoro ny fagnahinaha ary ino mo tôkony ho volagniky? 'Iada a, avaoty amin'tô fotoagna tô Zaho?' Naifa noho zany antony zany no nahatongavako amin'zao fotoagna zao. 28 Iada a, hankalazay ny agnaragnao." Aveo nisy feo nafy avy akagny an-dangitry nagnanja: "Afa nankalazaiko zany ary mbôla ho hankalazaiko indraiky." 29 Ary reo vahoaka nitsangagna teo ndraiky naharegny zany dia nivaolagna fao nisy korogno teo. Ny sanany nivaolagna: "Nisy anjely nikoragna taminazy." 30 Jesôsy namaly aveo nivaolagna nagnanjao: "Zany feo zany tsy tonga hoanaha, fao hoanareo. 31 Tonga zao ny fitsaragna izao tontolo zaoa: Aveo ho roahigny ny mpanapaka zao tontolo zao. 32 Koafa hasandratra hiala amin'ny tany Zaho, hitagno tsiaraikiaraiky hagnaraka Zaho." 33 Nivaolagna zany mbô hagnaboahagna hoe karazagna fahafataisagna hotra nino no hafataisany. 34 Reo vahoaka namaly Azy nagnanjao: "Regninay tamin'ny lalàgna fao Kristy hijanogno bariky dintany. Akôry no hafahanao mivaolagna magnanjao: 'Ny Zanak'ôlogno tsy maintsy hasandratra'? Zôvy zany Zanak'Ôlogno zany?" 35 Aveo Jesôsy nivaolagna zareo: "Ny hazavagna mbôla hiaraka aminareo agnatiny ny fotoagna fohy. Mandihiana dieny mbôla managna hazavagna, mbô tsy hafahan'ny hizigny alaohak areo. Zay mandaiha amin'ny hizigny tsy mahay làlagna mboany. 36 Raha mbôla managna hazavagna areo, minoa zany mbô ho zanakin'ny hazavagna areo." Jesôsy nivaolagna reo raha reo ary avakeo tsy hita ary nilaifa zareo. 37 Na dia nitsabo famantaragna maro teo agnatraihan-jareo aby Jesôsy, tsy ninon-jareo 38 mbô ho tantairaka ny vaolagna Isaia mpagnazary, zay nivaolagna nagnanjao: "Tompo, zôvy no nino ny tatitray, aveo zôvy no nampisehoagna ny sandrin'ny Tompo?" 39 Noho zany antony zany tsy nino zareo, araka ny nivolagnin' Isaia faogna magnanjao: 40 "Nijambainy ny masonareo, avakeo nihamafisigny ny fôn-jareo; mifanohitry amin'ny zareo dia tehita amin'ny masonjareo ary hahazo amin'ny fôn-jareo, kay hitodiky, aveo Zaho hampahivagna zareo." 41 Isaia nivaolagna reo raha reo satria hitany ny vogninahitr'i Jesôsy kay nikoragna mahakasiky Azy. 42 Naifa na zany aby, maro tamin'ny reo mpanapaka no nino Jesôsy; fao noho reo Fariseo, tsy niaiky zany zareo mbô tsy ho voasakagna ho ao amin'ny Synagoga. 43 Taigna tian-jareo ny fideragna avy amin'nôlogno noho ny fiederagna avy amin-jagnahary. 44 Jesôsy nagnantso mafy kay nivaolagna nagnanjao: "Zay araiky mino Zaho, aza mino Zaho zeraiky fao koa Izy zay nagniraka Zaho, 45 ary zay araiky mahita Zaho dia mahita Azy zay nagniraka Zaho. 46 Zaho gaga hotra ny hazavagna teto amin'izao tontolo zao, mbô tsy hitoaitra ao agnaty hizigny zay mino Zaho. 47 Raha misy magnaboaka ny haigniky naifa tsy mitandrigny zany, dia tsy hitsara azy Zaho; Satria Zaho tsy tonga hitsara izao tontolo zao, fao hagnavotro zao tontolo zao. 48 Zay tsy magneky Zaho ndraiky tsy malaka vaolagna naha, dia managna araiky zay mitsara azy. Lehy vaolagna zay nivolagniky no hitsara azy amin'ny andro farany. 49 Fao Zaho tsy mivaolagna hoanaya, fao lehy Iada zay nagniraka Zaho, zay nagnamia Zaho ny didy amin'ny zay ho ambara ndraiky ho volagnigny. 50 Haiky fao ny didy dia fiainagna bariky dintany, koa zay ambarako_dia ambarako araka zay nivolagnin'ny Iada taminaha."