Toko Faha 13

1 Ary andro talaohan'ny firavoravoagna ny Paska zao. Hain'i Jesôsy fao tonga ny fotoagna hialany eto amin'izao tontolo zao kay handaiha agny amin'ny Iada. Koafa nankatia mpiara-dia taminazy teto amin'izao tontolo zao Izy, dia nitia zareo zisiky tamin'ny farany. 2 Avakeo ny devoly afa nagnambaila zao tao antsaignin'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, ny hamadihagna Jesôsy. 3 Izy dia nahay fao ny raha jiaby afa napaitraka ny Iada teo ampelatagnany avakeo Izy avy amin-Jagnahary aveo himpôdy akagny amin-Jagnahary. 4 Nitsangagna Izy tam-pihinanagna aveo nangala ny ankanjoanazy ambailany. Avake Izy nangala lambany avakeo nisalotra zany. 5 Aveo nadraraka rano tagnaty seho Izy dia nanomboka nanasa hongotro reo mpianatra avakeo namafa azy reo tamin'ny lehy lamba nisalorany. 6 Nagnatogno Simeona Petera Izy, ary hoizy Petera taminazy: Tompo, hanasa hongotroanaha moa Anao? 7 Jesôsy namaly ave nivaolagna taminazy nagnanjao: "Zay tsaboky tsy ho azonao zeo ny heviny, fao ho azonao faogna zany akagny afara." 8 Hoizy Petera taminazy: "Tsy hanasa hongotro naha velively Anao." Jesôsy namaly azy nagnanjao: "Raha tsy manasa hongotroa Zaho, tsy managna anjara ato aminaha anao." 9 Hoizy Simona Petera taminazy: "Tompo, aza ny hongotro faogna no sasagna, fao tagnanaha ndraiky laohanaha faogna koa." 10 Hoizy Jesôsy taminazy: "Zay afa madio dia tsy mila zany, afa tsy ny manasa tongony faogna, fao izy afa madio tantairaka; anao madio, fao tsy jiaby naifa." 11 (Satria afa hain'i Jesôsy hoe zôvy lehy hamadiky Azy; zany no antony nivolagnany nagnanjao: "Tsy areo jiaby no madio.") 12 Kay koafa avy nanasa hongotro zareo Jesôsy ndraiky nalaka reo lambanazy kay nipaitraka indraimandeha, hoizy tamin-jareo: "Hainao moa ny nitsaboky areo? 13 Antsôvinareo Zaho hoe 'mpampianatra' ndraiky 'Tompo', aveo marigny ny voalazanareo, satria zany tatôbe Zaho. 14 Naifa raha Zaho, salakady Tompo no mpampianatra, no nanasa ny hongotro areo, areo fao koa tôkony hifanasa hongotro areo. 15 Satria afa nagnamia aohatra areo Zaho kay mbô toôkony hagnano taokagna zay nitsaboky hoanareo faogna koa areo. 16 Volagniky aminareo, marigny, taigna marigny, fao ny mpanompo dia tsy taigna gaida noho ny Tompony; na koa ny mpitondra hafatra dia tsy taigna gaida noho lehy nagniraka azy. 17 Raha hainareo reo raha reo, ho tahigny areo raha magnatantairaka zany. 18 Tsy areo jiaby no koragniky; haiky reo zay nifidiky_fao zany dia mbô hahatantairaka ny Saoratra Masigny: 'Zay mihinagna môfo naha dia nanandratra ny vôdi-tongony hamadiky Zaho.' 19 Volagniky aminareo zao zany alaohan'ny hitrangany mbô koafa mitranga zany, mety hino areo fao Zaho no Izy. Volagniky marigny aminareo, taigna marigny, 20 fao zay mandray zay nirahiky, dia mandray Zaho, aveo zay mandray Zaho dia mandray Azy zay nagniraka Zaho." 21 Koafa nivaolagna zany Jesôsy, dia nangôrohôro fagnahinazy. Nagnambara Izy aveo nivaolagna nagnanjao: "Volagniky aminareo, marigny, taigna marigny fao hoisy araiky aminareo hamadiky Zaho." 22 Nifampizahazaha reo mpianatra, nagnontany taigna hoe zôvy zany no nambarany zany. 23 Nisy araiky tamin-jareo mpianany, zay tian'i Jesôsy, nibidôko tamin'ny latabatra ambadik'i Jesôsy. 24 Nagnatogno mpianatra io Simona Petera aveo nivaolagna nagnanjao: "Agnintania Azy hoe zôvy zany koragninao zany." 25 Kay nimpôdy niankigny tamin'i Jesôsy izy aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tompo, zôvy zany?" 26 Avakeo Jesôsy namaly: "Lehy araiky zay handonako ndraiky hamiako tô môfo tô zany." Kay koafa nolomany ny môfo, dia namaizany Jodasy zanak'i Simona Iskariota zany. 27 Aveo tafaran'ny môfo, dia niditry taminazay Satana, kay hoizy Jesôsy taminazy: "Zay atanao atôvo malaky zany." 28 Tamin'ny zay reo jiaby tan-databatra tsisy nahay ny antony nivolagnan'i Jesôsy azy zany. 29 Ny sasany nieritreritry hoe, Satria Jodasy nitagna kitampom-bola, no nivolagnan'i Jesôsy taminazy hoe: "Vidio ny raha jiaby ilaintsika amin'ny andro firavoravoagna, "na hoe tôkony hagnamia raha hoan'ny mijaly izy. 30 Raha vao avy nandray môfo Jodasy, dia lôsogno niboaka samby teo. Haligny ny andro tamin'ny zay. 31 Koafa lôsogno Jodasy, hoizy Jesôsy nagnanjao: "Zeo dia amiam-bogninahitry ny Zanak'ôlogno, aveo Zagnahary dia amiam-bogninahitry ao aminazy. 32 Zagnahary hagnamia vogninahitry Azy ao amin'ny haigniy, avakeo Izy hagnamia vogninahitry Azy samby eo. 33 Oa zaza madiniky, fotoagna hely tavaila no hiarahako aminareo. Hitady Zaho areo, avakeo araka zay nivolagniky tamin'ny Jiosy nagnanjao: 'Zay homboako, tsy azonareo himboagna.' Ary koragniky aminareo koa zany amizeo. 34 Didy vava no amiako areo, biaka hifankatiavanareo; taokagna ny nitiavako areo, no tôkony hifankatiavanareo faogna koa. 35 Amin'ny zany no hahaizan'ny jiaby fao mpianatranaha areo, raha mifankatia areo." 36 Hoizy Simona Petera taminazy: "Tompo, fao andaiha aiza moa Anao?" Namaly Jesôsy: "Zay himboako, tsy afaka hagnarahanareo Zaho zao, fao hagnaraka areo akagny afara." 37 Dia hoizy Petera taminazy: "Tompo, nagnino zaho tsy afaka magnaraka Anao zao? Hafoko ho Anao ny aigninaha." 38 Dia namaly Jesôsy nagnanjao: "Hafonao hoanaha moa ny aigninao? Volagniky aminao, marigny, marigny tatô'be, fao mbôla tsy hagneno aby ny akôho dia afa tsy hagneky Zaho in-telo anao."