1 "Aza ambaila hangôrohôro fonareo. Minoa Zagnahary areo, dia minoa Zaho koa. 2 Misy efitry maro antragnon'ny Iadako. Izy koa tsy zany, afa nivaolagna taminareo Zaho, fao hagnomagna toairagna hoanareo. 3 Raha handaiha Zaho ary hagnomagna toairagna hoanareo, dia himpôdy ndremandaiha Zaho avakeo halaka areo akato Aminaha, kay zay misy Zahao hoisy areo koa. 4 Areo mahay zay himboako." 5 Hoizy Tomasy tamin-Jesôsy: "Tompo, tsy hainay zay himboanao, akôry no hahaizanay ny lalagna? 6 Hoizy Jesôsy taminazy: "Zaho no lalagna, fahamarigngna, aveo fiainagna; tsisy magnatogno Iada raha tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahay Zaho areo, tôkony ho nahay Iadako koa. Manomoko zao dia hainareo Izy ary afa hitanareo." 8 Hoizy Filipo tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Tompo, aboaho zahay ny Iada, dia ampy zahay zany." 9 Hoizy Jesôsy taminazy: "Afa letry haila no niarahiko taminareo mbôla tsy hainareo faogna Zaho, Filipo? Na zôvy na zôvy nahita Zaho dia nahita ny Iadako. Koa nagnino no hivolagnanao magnanjao: 'Aboaho zahay ny Iada'? 10 Tsy mino moa areo fao amin'ny Iada Zaho aveo Iada akato aminaha? Reo vaolagna zay nivolagniky aminareo dia tsy ambarako avy amin'ny fahefako zeraiky, fao lehy Iada velogno akato agnatiko no magnano ny asa. 11 Minoa Zaho fao Zaho ao amin'ny Iadaa, aveo Iada akato aminaha, raha tsy zany minoa noho reo asa manaokagna. 12 Koragniky aminareo, marigny, dia marigny tatôbe, zay mino Zaho hagnano ny asa zay tsaboky, aveo hagnano asa gaida mihoatra noho regny izy satria hoagny amin'ny Iada Zaho. 13 Na ino na ino angatahinareo amin'ny Agnarako, dia tantirahiky zany mbô hagnomaizam-bogninahitry Iada ao amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka raha amin'ny agnarako areo, dia ho tantirahiko zany. 15 Raha tia Zaho areo, hitandrigny reo didinaha, 16 aveo hivavaka amin'ny Iada Zaho, hagnamia areo Mpampahery hafa Izy mbô ho akeo aminareo lalandava izy_ 17 ny Fagnahin'ny fahamarignagna. Tsy afaka malaka Azy zao tontolo zao satria tsy mahita!na mahay Azy. Fao areo ndraiky mahay Azy, satria mibidôko miaraka aminareo Izy aveo ho agnatinareo. 18 Tsy hagnambaila areo ho manaokagna Zaho; mbôla himpôdy atoy aminareo Zaho. 19 Afaka fotoagna fohy, tsy hahita Zaho eky zao tontolo zao, fao areo mahita Zaho. Satria velogno Zaho, velogno faogna koa areo. 20 Aveo amin'zay andro zay ho hainareo fao ao amin'ny Iada Zaho, vaveo areo akato Aminaha, ary Zaho akao aminareo. 21 Zay managna reo didinaha kay mitandrigny regny dia izy lehy tia Zaho dia hitiaviko koa, aveo Zaho hitia azy ndraiky hiboaka aminareo." 22 Hoizy Jodasy (Tsy Iskariota) tamin'i Jesôsy: "Tompo, nagnino anao no hiboaka aminay fao tsy amin'ny zao tontolo zao?" 23 Jesôsy namaly ary nivaolagna taminazy nagnanjao: "Raha misy ôlogno tia Zaho, dia hitandrigny vaolagna naha izy. Hitia azy Iadako, ary hoavy aminazy Zahay aveo hagnamboatra fitoairagnay miaraka aminazy. 24 Fao zay tsy tia Zaho dia tsy mitandrigny ny vaolagna naha. Ny vaolagna zay regninareo dia tsy avy aminaha fao avy amin'ny Iadako zay nagniraka Zaho. 25 Afa nivolagniky taminareo reo raha reo, raha mbôla nijanogno niaraka taminareo Zaho. 26 Naifa, lehy Mpampahery_lehy Fagnahy Masigny, zay hirahin'ny Iada amin'ny Agnaragnanaha_izy no hampianatra areo ny raha jiaby nivolagniky taminareo. 27 Fiadanagna no ambailako hoanareo; amaizako areo ny fiadanako. Tsy amiako hotran'ny fagnamiazagna zao tontolo zao zany. Aza ambaila hangôrohôro ny fônareo, aveo aza ambory. 28 Afa regninareo Zaho nivaolagna taminareo nagnanjao: 'Andaiha Zaho, aveo himpôdy akagny aminareo ndremandaiha.' Raha nankatia Zaho areo, tôkony hiravoravo satria handaiha amin'ny Iada Zaho, Satria Iada taigna gaida noho Zaho. 29 Aveo nivolagniky areo dieny mbôla tsy mitranga zany, biaka hino areo, koafa mitranga zany. 30 Tsy hivaolagna maro aminareo eky Zaho, fao hoavy ny mpanapaka zao tontolo zao. Tsy managna fahefagna Aminaha izy, 31 fao mbô hahaizan'izao tontolo zao fao tikao ny Iada, dia tsaboky hotra ny nandidian'ny Iada Zaho. Alôhy hitsangagna atsika aveo hiala aketo."