1 "Zaho no taigna voaloboko, aveo Iadako no mpamboly. 2 Alao akato aminaha ny rantsany jiaby zay tsy mamoa voankakazo, aveo rantsanigny ny sampany zay mamokatra mbô hamoa voankakazo maromaro. 3 Afa madio areo noho lehy hafatra zay nikoragniky taminareo. 4 Hotra ny sampany tsy afaka mamokatra voanakazo amin'ny taignany raha tsy mitoaitra ao amin'ny voaloboko zany, dia hotra zany koa areo, raha tsy mitoaitra ao aminaha. 5 Zaho no voaloboko, areo sampany. Zay mitoaitra akato Aminaha aveo Zaho akao Aminazy, dia mamoa fôntry izy, fao raha tsisy Zaho dia tsy mahaifa na ino na ino areo. 6 Raha misy ôlogno tsy mitoaitra Aminaha, dia hoariagna hotra sampany izy aveo halazo, ary zareo mamôry reo sampany avakeo magnary zany akagny amin'ny môtro, avakeo may zareo. 7 Raha mitoaitra Aminaha areo, aveo raha mitoaitra aminareo reo vaolagna naha, angataho na ino na ino tianareo, dia ho tsabogny aminareo zany. 8 Ny Iadako amiagna vogninahitry amizao, dia ny hamokaranareo voankakazo maromaro kay ho porofo fao mpianatra naha areo. 9 Hotra ny nitiavan'i Iada Zaho, no nitiavako areo. Midaoha akao amin'ny fitiavako. 10 Raha mitandrigny reo didinaha areo, dia hitoaitra akao amin'ny fitiavako, hotara ny nitandraimako reo didin'ny Iadako ndraiky nitoairako tao amin'ny fitiavany. 11 Nivaolagna regny raha regny taminareo Zaho mbô ho akao aminareo ny haravoagnanaha aveo mbô ho feno haravoagna areo. 12 Zao no didinaha, ny hifankatiavanareo hotra ny nitiavako areo. 13 Tsisy manam-pitiavagna gaida mihoatra noho zao, ny manôlotro ny aigninazy hoan'ny reo sakaizany. 14 Namako areo raha magnano reo raha andidiako areo reo. 15 Tsy hangnantso areo hoe mpanompoko eky Zaho, satria ny mpanompo tsy mahay zay tsabon'ny tompony. Nantsôviko hoe namako areo, satria raha jiaby zay regniky tamin'ny Iadako, nambarako areo. 16 Tsy nifidy Zaho areo, fao Zaho no nifidy areo aveo nanendry areo mbô handaiha ka hamokatra, avakeo mbô tôkony hitoaitra ny vokatarareo. Natao zany biaka na ino na ino angatahinareo amin'ny Iada amin'ny Agnaragnanaha, dia hamiagna areo zany. 17 Regny raha regny no andidiako areo biaka hifankatiavanareo. 18 Raha, malaigny areo izao tontolo zao, hevero fao nalaigny Zaho izy talaohan'ny nankalainy areo. 19 Raha avy amin'ny zao tontolo zao areo, dia ho tian'izao tontolo zao hotra azy areo. Fao tsy nihin'ny zao tontolo zao areo aveo nifidiko hiala amin'ny zao tontolo zao, noho zany dia halan'izao tontolo zao areo. 20 Tsarovy ny vaolagna nikoragniky taminareo nagnanjao: 'Ny mpanompo dia tsy gaida noho ny tompny.' Raha nagnenjiky Zaho zareo, dia hagnejiky areo koa; ary raha nitandrigny vaolagna naha zareo, dia hitandrigny areo koa. 21 Hagnano reo raha jiaby reo aminareo zareo nohon'ny Agnaragnaha, satria tsy hain-jareo Izy zay nagniraka Zaho. 22 Raha tsy tonga ndraiky nivaolagna tamin-jareo Zaho, dia tsy nanota zareo, fao zeo tsy afa-miala amin'ny fahotany zareo. 23 Zay malaigny Zaho dia malaigny Iadako faogna koa. 24 Raha tsy nahavita reo asa zay tsy natan'ôlon-kafa teo agnivon-jareo Zaho, dia tsy ho nanan-keloko zareo, fao zeo afa sady hitany no halany Zaho ndraiky Iadako. 25 Fao zany mbô hahatantairaka ny vaolagna zay voasoratra ao amin'ny lalàn-jareo magnanjao: 'Malaigny Zaho amin'ny tsisy dikany zareo.' 26 Koafa avy lehy Mpampahery_zay hirahiky aminareo avy amin'ny Iada, lehy Fagnahiny fahamarinagna, zay miboaka avy amin'ny Iada_dia hagnambara mahakasiky Zaho Izy. 27 Areo faogna koa mitsangagna antomoa satria afa niaraka taminaha letry am-piandohagna areo.