1 "Nivolagniky taminareo zany raha jiaby zany mbô tsy ho solafaka areo. 2 Ho roahin-jareo akao amin'ny Synagoga areo. Fao tonga ny andro koafa hihevitry zay jiaby mamono areo fao zareo dia manôlotro raha tsara ho amin-Jagnahary. 3 Hoatan-jareo zany satria tsy mahay Iada na Haigninaha zareo. 4 Nikoragniky areo reo raha reo biaka koafa avy ny fotoagnan-jareo dia ho tsaroanareo fao afa nikoragniky taminareo ny momba zareo. Tsy nambarako taminareo reo raha reo tagny am-piandohagna, satria mbôla teo aminareo Zaho. 5 Fao Zeo hoagny amin'ny lehy nagniraka Zaho Zaho, naifa tsy mbôla nisy nagnontany Zaho areo magnanjao: "Handaiha hoaiza moa Anao?" 6 Fao satria nikoragniky taminareo reo raha reo, dia alahelo no nameno ny fônareo. 7 Fao koragniky marigny aminareo, taigna tsara hoanareo ny handihianako. Satria raha tsy mandaiha Zaho, tsy ho tonga aminareo ny Mpampahery, fao raha mandaiha Zaho, dia handaifa azy hoaminareo. 8 Koafa havy izy, hagnaprofo amin'izao tontolo zao ho diso mahakasiky ny fahotagna, ny fahamarinagna, aveo ny mahakasiky ny fitsaragna_ 9 momban'ny fahotagna ny mpampahery, satria tsy mino Zaho zareo; 10 momban'ny fahamarinagna, satria hôdy akagny amin'ny Iada Zaho, kay tsy ho hitanareo eky; 11 ary mombany fitsaragna, satria ny mpanapaka zao tontolo zao dia nitsaraigny. 12 Managna raha maro hambara aminareo Zaho, fao tsy hoazonareo ny hevitry zany zao. 13 Kanaifa, koafa tonga izy, Fagnahin'ny Fahamarinagna, dia hitariky areo hoamin'ny fahamarinagna jiaby, satria tsy hivaolagna avy amin'ny Haigniky izy. Fao hivaolagna zay raha regniny izy, aveo hivaolagna aminareo reo raha zay hoavy. 14 Hagnamia vogninahitry Zaho izy, satria ny avy aminaha faogna no hambarany aminareo. 15 Zay jiaby anagnany Iada dia nihinaha. Noho zany, nivaolagna Zaho fao lehy Fagnahy dia halaka amin'zay ninaha aveo hivaolagna zany aminareo. 16 Afaka fotoagna fohy dia tsy hahita Zaho eky areo, avakeo afaka fotoagna fohy hafa dia hahita Zaho ndremandeha areo." 17 Avakeo ny sanany tamin-jareo mpianany nifampiraisaka nagnanjao: "Ino ary zany volagniny atsika zany hoe: 'Afaka fotoagna fohy tsy hahita Zaho eky areo aveo afaka fotoagna fohy hafa hahita Zaho ndremandaiha areo,' ndraiky hoeo: 'Satria hoagny amin'ny Iada Zaho'? 18 Noho zany hoizy zareo: "Ino ary zany koragniny zany hoe: 'afaka fotoagna fohy'? Tsy hainay ny tiany volagniny." 19 Hitan'i Jesôsy fao te-hagnontany Azy zareo, dia hoizy Izy tamin-jareo nagnanjao: "Zaho moa no agnontanianareo taigna, dia ny tiko hambara amin'ny fivolagnagna hoe: 'Fotoagna fohy ndraiky tsy hahita Zaho eky areo, ave afaka fotoagna fohy indraiky naifa hahita Zaho areo'? 20 Volagniky aminareo, marigny, marigny tatôbe, fao hitomoagny areo aveo hitaraigny, fao izao tontolo zao ndraiky hiravo. Ho feno alahelo areo, naifa hanjary haravoagna alahelonare zany. 21 Koafa mihetsi-jaza ny vaiavy araiky dia malahelo satria tonga ny fotoagnany, fao koafa tairaka ndraiky lehy zaza dia tsy tsaroany eky ny alahelony nohon'ny haravoagna fao nisy zaza tairaka akeo amin'izao tontolo zao. 22 Kay malahelo areo amizeo, naifa Zaho mbôla hitratro aminareo ndremandaiha, aveo ho ravo ny fônareo, ary tsy hoisy hangala zany haravoagnanareo zany aminareo. 23 Amin'ny zany andro zany dia tsy hangataka aminaha na ino na ino areo. Volagniky aminareo, marigny, marigny tatôbe, raha mangataka na ino na ino amin'ny Iada amin'ny Agnarako areo, dia hamaizany areo zany. 24 Zisiky aminzeo naifa tsy mbôla nangataka na ino na ino tamin'ny agnarako areo. Mangataha dia hamiagna areo mbô ho feno ny haravoagnanareo. 25 Afa nikoragniky taminareo tamin'ny aohatra raha reo, fao avy ny fotoagna koafa tsy hikoragna aminareo amin'ny fagnoragna eky Zaho, fao ndraiky hivaolagna aminareo mazava ny mahakasiky Iada. 26 Amin'ny zany andro zany hangataka amin'ny agnarako areo aveo tsy hivaolagna areo Zaho hoe hivavaka amin'ny Iada hoanareo, 27 fao Iada lasite no tia areo satria nankatia Zaho areo aveo nino fao avy akagny amin'ny Iada Zaho. 28 Avy amin'ny Iada Zaho, ary tonga teto an-tany. Fao hiala izao tontolo zao Zaho aveo hoagny amin'ny Iada." 29 Hozy mpianatra nazy taminazy: "Zahavo zeo Anao mivaolagna mazava tsara aveo tsy mampiasa aohatra. 30 Hainay zeo fao mahay ny raha jiaby Anao, avakeo tsisy tianao hagnapaitraka fagnontaniagna aminao. Noho zany, mino zahay fao avy amin-Jagnahary Anao." 31 Namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Mino amizay moa areo? 32 Tô, havy zao ny fotoagna, ia, havy tatôbe, koafa hipaitraka areo, ny tsiaraikiaraiky samy akagny amin'ny tragnony manaokagna aby, dia hambailanareo araiky Zaho. Naifa tsy araiky Zaho satria miaraka aminaha Iada. 33 Afa nikoragniky tainareo raha reo mbô hanagna fiadanagna akato Aminaha areo. Managna olagna areo aketo amin'ny zao tontolo zao, naifa mahiraiza: afa nandresy izao tontolo zao Zaho."