Toko Faha 7

1 Tafarany reo raha reo Jesôsy dia nandaiha tagny Galilia, fao tsy tehandaiha akagny Jodia naifa Izy noho reo Jiosy mikasa hamono Azy. 2 Ary afa narikitry ny andro firavoravoan'ny Jiosy ny Tabernakely. 3 Noho zany reo rahalahy nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mialà amin'ny tô toeragna tô avakeo mandihiana akagny Jodia, mbô hafahan'ny reo mpianatrao mahita reo asa tsabonao faogna koa. 4 Tsisy ôlogno magnano raha mivôny zany raha izy haigniny ary te-ho hay ampahibemaso. Raha magnano reo raha reo anao, miboaha amin'ny zao tontolo zao." 5 Fao na reo rahalahiny aby tsy nino Azy. 6 Noho zany Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Mbôla tsy tonga fotoagnanaha, fao ny fotoagnanareo ndraiky dia vôgnogno lalandava. 7 Tsy afaka halaigny areo zao tontolo zao, fao zaho no halany satria mivaolagna fao ratsy reo asany. 8 Areo miakara akagny amin'ny firavoravoagna; Fao Zaho ndraky tsy handaiha amin'ny zany satria tsy mbôla tonga fotoagnanaha.'' 9 Tafaran'ny nivolagnany reo raha zareo, dia nijanogno tao Galilia Izy. 10 Fao koafa nakatra tagny amin'ny firavoravoagna reo rahalahiny, nakatra tagny faogna koa Izy aveo, tsy niboaka fao nivôny. 11 Nitady azy tagny amin'ny firavoravoagna reo Jiosy aveo nivaolagna nagnanjao: "Aiza Izy?" 12 Nisy koragna maro taigna maro mahakaisky Azy tagnivon'ny reo vahoaka. Ny sasany mivaolagna fao: "Lalahy tsara Izy." Reo hafa mivaolagna: "Tsia, mitariky vahoaka akagny amin'ny fahaviraizagna Izy." 13 Ary tsisy nahasaiky nikoragna ampahabemaso mahakasiky Azy nohon'ny hamboriagna reo Jiosy. 14 Koafa nisasaka ny firavoravoagna, dia nakatra tagny amin'ny Tempoly Jesôsy ary nanomboko nampianatra. 15 Aveo dia gaga reo Jiosy, magnanjao: Akôry no hahaizan'io lalahy io zany jiaby zany? Izy tsy mbô nandalo fianaragna lasite." 16 Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Tsy nihinaha ny fampianarako, fao avy amin'Izy zay nagniraka Zaho. 17 Raha misy ôlogno magniry hagnano sitra-pônazy, dia hahay mahakaisky io fampianaragna io izy, na avy amin-Jagnahary zany, na Zaho no mivaolagna avy amin'ny taignanaha. 18 Na zôvy na zôvy mivaolagna avy amin'ny taignany dia mitady vogninahitry ny haigniny zeraiky, fao na zôvy na zôvy mitady vogninahitry zay nagniraka azy, dia io ôlogno io no marigny, avakeo tsisy tsy fahamarinagna ao aminazy. 19 Tsy namaizan'i Mosesy areo moa lalàgna? Naifa tsisy aminareo mitandrigny lalàgna. Nagnino areo mitady hamono Zaho?" Namaly vahoaka nagnanjao: 20 "Anao misy masantôko. Zôvy koa mitady hamono Anao?" 21 Jesôly namaly kay nivaolagna: "Asa araiky no nitsaboky, aveo gaga noho zany jiaby areo. 22 Namaizan'i Mosesy ny famoràgna areo (Tsy hoe avy amin'i Mosesy zany, fao avy amin'reo razagna), ary amin'ny Sabata dia mamaora areo. 23 Raha amin'ny Sabata no amoragna ny ôlogno mbô tsy ho voadika ny lalàn'i Mosesy, dia akôry areo vingitry aminaha raha nampahivagna tantairaka ôlogno araiky tamin'ny Sabata Zaho? 24 Aza mitsara amin'ny bika ambailany, fa mitsarà am-pahamarignagna." 25 Nisy sasany tamin-jareo avy akagny Jerosalema nivaolagna nagnanjao: "Tsy tô moa lehy tadiavin-jareo ho vonogny? 26 Zahavo, mikoragna mibaribary Izy, ary tsisy mivaolagna na ino na ino Azy zareo. Dia ho taigna hain'ny mpitondra moa fao Izy no Kristy, sa akôry? 27 Afa haintsika hoe avy aiza io lalahy io. Fao koafa tonga lehy Kristy, dia tsy hoisy hahay hoe avaiza Izy." 28 Aveo nangaiky mafy Jesôsy tao agnaty tempoly, nampianatra avakeo nivaolagna nagnanjao: "Areo samy mahay taignako ary mahay fiaviako. Tsy tonga nohon'ny Taignako zeraiky Zaho, fao lehy nagniraka Zaho dia marigny, ary tsy hainareo Izy. 29 Haiky Izy satria Zaho avy Aminazy ary Izy no nagniraka Zaho." 30 Niaizaka hanambotro Azy zareo, fao tsisy nagnainjagna tagnagna taminazy satria tsy mbôla tonga ny fotoagnanazy. 31 Kanaifa maro tamin-jareo vahoaka no nino Azy, avakeo hoizy zareo: "Koafa tonga lehy Kristy, moa hitsabo famantaragna maro noho ny vitan'io Lalahy io moa Izy?" 32 Nitandregny vahoaka nibisibisika reo raha mahakasiky Jesôsy reo ny Fariseo, aveo ny laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo dia nagniraka mpiandry raharaha hanambotro Azy. 33 Nivaolagna Jesôsy: "Hely tavaila ny fotoagna hiarahako aminareo, dia handaiha akagny amin'ny lehy nagniraka Zaho zaho. 34 Hizaha Zaho areo fao tsy hahita Zaho; zay himboako, tsy ho azonareo himboagna." 35 Noho zany reo jiosy dia nifampiraisaka nagnanjao: "Fao handaiha ho aiza io lalahy io no tsy ho vitantsika ny hitady Azy? Handaiha hoagny amin'ny reo zay nipariaka nandaiha amin'i Grika dia hagnanatra reo Grika moa? 36 Ary ino dikan'ny vaolagna nambarany nagnanjao: 'Hitady Zaho areo fao tsy hahita Zaho; zay himboko, tsy ho azonareo andihianagna'?" 37 Ary tamin'ny farany, andro goalahy amin'ny firavoravoagna, dia nitsangagna Jesôsy aveo nivaolagna mafy nagnanjao: "Raha misy tihigiaka, ambilao izy hagnatogno Zaho avakeo higiaka. 38 Zay mino zaho, araka ny volagnin'ny Saoratra Masigny, dia hikoriagna avy ao an-kibonazy onin'ny rano velogno." 39 Fao zao no nambarany mahakasiky Fagnahy Masigny, reo zay nino Azy no halaka; lehy Fagnahy tsy mbôla namiagna satria tsy mbôla nahazo vogninahitry Jesôsy. 40 Ny sanany tamin'ny reo vahoaka, koafa naharegny reo vaolagna reo, dia nivaolagna nagnanjao: "Tô tatokitry lehy mpagnazary." 41 Reo hafa nivaolagna: "Tô lehy Kristy." Fao ny sanany nivaolagna: "Fao Kristy moa avy akagny Galilia? 42 Tsy koragnin'ny Saoratra Masigny moa fao Kritsy dia hoavy amin'ny tamingan'i Davida aveo avy akao Betlehema, lehy tanàgna zay nisy Davida?" 43 Kay nisy fizaragna teo amin'ny vahoaka noho Izy. 44 Ny sanany tamin-jareo te-hanambotro Azy, fao tsisy nagnainjatagnagna taminazy. 45 Avakeo reo mpiandry raharaha nimpôdy tagny amin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo Fariseo, zay nivaolagna tamin-jareo hoe: "Nagnino areo tsy ninday Azy?" 46 Namaly reo mpiambigny raharaha nagnanjao: "Tsy mbôla nisy nikoragna karaha zany velively." 47 Noho zany reo Fariseo namaly zareo nagnanjao: "Voafitaka faogna koa moa areo? 48 Moa nisy tamin-jareo mpanapaka mbô nino Azy, na tamin'ny reo Fariseo? 49 Fao reo vahoaka reo dia tsy mahay lalàgna, voahôzogno reo." 50 Nikedemosy (Araiky amin'ny reo Fariseo, zay tonga mialaoha teo aminazy), nivaolagna nagnanjao: 51 "Moa ny lalàgnantsika mitsara ôlogno mialaohan'ny handrignaisagna azy kay ahaizagna zay nitsabony?'' 52 Namaly zareo avakeo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Avy akagny Galilia koa moa anao? Mikaraoha aveo zahavo fao tsisy mpagnazary avy akagny Galilia." 53 (Fagnamarihagna: Ny dika-teny talaoha bahery tsara dia tsy ahitavagna ny Jaona7:53-8:11) [Avakeo ny tsiaraikiaraiky nandaiha akagny an-tragno aby.