1 Tafaran'ny reo raha reo, dia nandaiha nitsaka ranomasin'i Galilia Jesôsy, antsôvigny faogna koa hoe ranomasin'i Tiberiasy. 2 Nisy vahoaka maro nagnaraka Azy satria hitan-jareo ny famantaragna zay nitsabony tamin'ny reo narary. 3 Nakatra an-tanety Jesôsy ary nipaitraka tegny niaraka tamin'ny reo mpianany Izy 4 (Ary ny Paska, lehy andro firavoravoagnan'ny Jiosy, dia afa marikitry.) 5 Koafa nizaha ambony Jesôsy kay nahita vahoaka taigna maro nagnatogno Azy, dia hoizy Izy tamin'ny Filipo: "Aiza no hividianantsika môfo mbô hafahan-jareo mihinagna?" 6 (Fao Jesôsy nivaolagna zany biaka hitsapagna Filipo, fao afa hainy zay ho atany.) 7 Aveo Filipo namaly Azy nagnanjao: "Na dia môfo roanjato dinaria aby tsy ho ampy hoan'ny tsiaraikiaraiky na dia hely avy aby." 8 Araiky tamin-jareo mpianatra, Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nivaolagna tamin'i Jesôsy: 9 ''Misy lalahy araiky aketo managna môfo dimy ndraiky hazandrano aroa, fao ino reo magnoloagna reto ôlogno maro?" 10 Avakeo Jesôsy nivaolagna nagnanjao: "Raha mantotry ny ôlogno" (Avakeo feno ahitry teo amin'ny lehy, toeragna.) Kay nantotry reo ôlogno, teo amin'ny dimy arivo teo ny isany. 11 Aveo Jesôsy nalaka reo môfo koafa avy nisaotra, dia nirasa zany tamin'ny reo zay nantotry teo. Tôrotro zany faogna no nitsabony tamin'ny hazandrano, maro araka zay nilain-jareo. 12 Koafa vôky ny ôlogno, nivaolagna Izy tamin'ny reo mpianatra: "Avorio reo lambiny tavaila, mbô tsy hisy ho very." 13 Kay navôrin-jareo zany kay nahafeno harogno aroa ambin'ny fôlo ny ambiny môfo dimy tavaila nambailan-jareo nihinagna. 14 Aveo, koafa nahita zany famantaragna nitsabony zany ny ôlogno, dia nivaolagna zareo nagnanjao: "Tô taigna lehy mpagnazary zay tonga aketo amin'izao tontolao zao." 15 Koafa hitan'i Jesôsy fao avy zareo halaka Azy ndraiky hagnambony Azy an-keriny ho mpanjaka, dia nimpôdy tegny an-tanety manaokagna indraiky Izy. 16 Koafa aligny andro, dia nijôtso tegny amin'ny ranomasigny reo mpianany. 17 Nandaiha agnaty lakagna zareo, kay nitsaka ny ranomasigny handaiha akagny Kapernaomy. Afa mahizigny tamn'ny zay, aveo Jesôsy mbôla tsy teo amina-jareo faogna. 18 Nisy rivotro nidalavoko mafy, aveo nahay nafy ny ranomasigny. 19 Koafa nivoy teo amin'ny dimy amby roapôlo na telopôlo stadio teo zareo, dia nahita Jesôsy nandaiha tamin'ny ranomasigny ary nagnatogno ny lakagna, kay ambory zareo. 20 Fa nivaolagna Izy tamin-jareo: "Zaho faogna tô! Aza ambory." 21 Aveo vôgnogno ny halaka Azy tao amin'ny lehy lakagna zareo, ary samby teo dia tonga teny amin'ny lehy toairagna himboan-jareo lehy lakagna. 22 Ny amaraigny, hitan-jareo vahoaka zay nitsangagna tegny andafirôn'ny ranomasigny fao tsisy lakagna hafa teo koa tsy lehy araiky faogna, avakeo Jesôsy tsy niditry tao niaraka tamin'ny reo mpianany fao nandaiha manaokagna reo mpianany. 23 Kanaifa, nisy lakagna maromaro avy akagny Tiberiasy teo narikitry lehy toairagna zay nihinanan-jareo môfo koafa avy nisaotra ny Tompo. 24 Koafa hitan'ny vahoaka fao tsy teo na Jesôsy na reo mpianany, dia niditry tagnaty lakagna zareo avakeo nandaiha Kapernaomy hizaha Jesôsy. 25 Koafa hitan-jareo tegny andafirôn'ny renirano Izy, dia nivaolagna zareo taminazy: "Raby, tafriagna Anao avy teto?" 26 Jesôsy namaly zareo, nagnanjao: Volagniky aminareo marigny, marigny tatô be, fao mizaha Zaho areo, tsy nohon'ny nahitanareo famantaragna, fao nohon'ny nihinananareo môfo kay vôky. 27 Aza miasa hoan'ny hanigny mety levogno, fao miasà hoan'ny hanigny zay mahadigny hoan'ny fiainagna bariky dintany zay hamaizan'ny Zanak'Ôlogno areo, satria Zagnahary Iada no nagnisy tomb-kase taminazy." 28 Avakeo nivaolagna zareo taminazy: "Ino no tsy maintsy tsabonay mbô hagnanaovanay reo asanjagnahary?" 29 Jesôsy namaly kay nagnanjao: "Zao no asan-jagnahary: dia ny hinoanareo lehy araiky zay nirahiny." 30 Kay hoizy zareo taminazy: "Ino ary no famantaragna ho tsabonao, mbô hizahavanay ndraiky hinoanay Anao? Ino no ho tsabonao? 31 Ny iadanay nihinagna mana tagny an-tany maty, araky ny voasaoratra magnanjao: Namaizany môfo avy akagny an-ndangitry zareo hoanigny."' 32 Aveo Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Volagniky aminareo marigny, taigna marigny, fao tsy Mosesy no nagnamia areo môfo avy akagny an-dangitry, fao Iadako no nagnamia areo ny taigna môfo avy akagny an-dangitry. 33 Satria ny môfon-Jagnahary dia lehy mijôtso avy akagny an-dangitry kay magnamia fiainagna ho an'ny zao tontolo zao." 34 Kay hoizy zareo taminazy: "Tompoko, amaizo zahay lalandava zany môfo zany." 35 Dia hoizy Jesôsy tamin-jareo: "Zaho no môfon'ny fiainagna; zay magnatogno Zaho tsy mbô ho tihinagna eky. 36 Kanaifa afa nambarako taminareo fao nahita Zaho faogna areo, naifa tsy mino. 37 Jiaby zay amaizan'ny Iadako Zaho dia hagnatogno Zaho, avakeo zay magnatogno Zaho tsy mbô ho ariako. 38 Fao nijôtso avy an-dangitry Zaho tsy mbô hitsabo ny sitraka fônaha zeraiky, fao ny sitraka fôn'ny zay nagniraka Zaho. 39 Aveo zao no sitrapôny zay nagniraka Zaho, dia ny tsy hagnariako zay jiaby namaizany Zaho, fao hanangagna zareo amin'ny andro farany. 40 Satria zao no sitra-pôny Iadako, dia ny mbô hazahoan'ny jiaby zay mahita Zanaka ndraiky mino Azy ny fiainagna bariky dintany aveo hoatsangako amin'ny andro farany izy. 41 Aveo nignemognemogno mahakasiky Azy reo Jiosy satria Izy nivaolagna: "Zaho no môfo nijôtso avy agny an-dangitry." 42 Ary hoizy zareo: "Tsy lehy Jesôsy zanak'i Josefa moa io, zay haintsika ray aman-dreniny? Akôry no ivolagnany magnanjao: 'Nijôtso avy akagny an-dangitry Zaho'?" 43 Jesôsy namaly kay nagnanjao tamin-jareo: "Ajanony ny fegnemognemognareo eo agnivonareo. 44 Tsisy ôlogno afaka magnatogno Zaho raha tsy Iadako zay nagniraka Zaho no managno azy, ary hatsangako izy amin'ny andro farany. 45 Zany dia voasaoratra ao amin'ny bokin'ny mpagnazary magnanjao: 'Hampianarin-Jagnahary izy jiaby.' Zay jiaby nitandregny ndraiky nianatra tamin'ny Iadako no magnatogno Zaho. 46 Tsisy nahita Iada, afa tsy zay avy amin-Jagnahary, izy nino nahita ny Iada. 47 Volagniky aminareo marigny, taigna marigny, fao zay mino no managna fiainagna bariky dintany. 48 Zaho no môfon'ny fiainagna. 49 Ny Idabenareo nihinagna mana tagny antanimaty, ary maty zareo. 50 Tô no môfo nijôtso avy akagny an-dangitry, mbô tsy hofoaty zay mihinagna amin'ny zany. 51 Zaho no môfo velogno nijôtso avy akagny an-dangitry. Raha misy ôlogno mihaomagna amin'ny tô môfo tô, dia ho velogno bariky dintany izy. Ny môfo zay hamaizako nôfoanaha no hoan'ny fiaignan'ny zao tontolo zao.'' 52 Nahay vingitry reo Jiosy kay nanomboko niady hevitry, nagnanjao: "Akôry no ahafahan'io lalahy io magnamia atsika nôfoanazy hoanigny?" Ary nivaolagna Jesôsy tamin-jareo: 53 ''Volagniky aminareo marigny, taigna marigny, fao raha tsy mihinagna nôfon'ny Zanak'Ôlogno areo ndraiky mgiaka ny linazy, tsy hanagna fiainagna ao aminareo. 54 Na zôvy mihinagna nôfoanaha ndraiky migiaka linaha dia managna fiainagna bariky dintany, aveo hatsangako izy amin'ny andro farany. 55 Fao ny nôfoanaha no taigna fihoanigny, avakeo ny linaha no taigna figiahigny. 56 Zay mihinagna nôfoanaha ndraiky migiaka linaha no mitoetra ao Aminaha, ary Zaho ao aminazy. 57 Karaha nagnirahan'ny Iada velogno Zaho, ndraiky hotra hivilaomako nohon'ny Iada, zay mihinagna Zaho, ho velogno faogna koa nohon'ny Aminaha. 58 Tô lehy môfo nijôtso avy akagny an-dangitry, tsy hotra ny Iadabe nihinagna kay maty. Zay mihinagna tô môfo tô dia ho velogno bariky dintany." 59 Fao Jesôsy nivaolagna reo raha reo tao amin'ny Synagoga koafa nampianatra tao Kapernaomy Izy. 60 Ary maro tamin'ny reo mpianany zay nitandregny no nivaolagna nagnanjao: "Fampianaragna sarotro zany; zôvy no afaka hanaiky zany?" 61 Jesôsy, noho Izy nalahelo reo mpianany, nivaolagna zareo nagnanjao: "Magnafintohigny areo moa zany? 62 Koa akôry raha tôkony hahita ny Zanak'Ôlogno miaraka amin'ny nipitrahany talaoha areo? 63 Ny Fagnahy no magnamia fiainagna. Reto vaolagna zay nikoragniky taminareo dia fagnahy, ary fiainagna reo. 64 Mbôla misy sasany aminareo tsy mino." Fao Jesôsy afa nahay rango tamboalaohany zay tsy hino ndraiky zay hamadiky Azy. 65 Nivaolagna Izy nagnanjao: "Noho zany no nagnambarako taminareo fao tsisy ôlogno afaka magnontany Zaho raha tsy namian'ny Iada Azy zany." 66 Noho zany, maro tamin'ny reo mpianatra nazy no nandaiha avakeo tsy niara-dia taminazy eky. 67 Dia hoizy Jesôsy tamin-jareo aroa ambin'ny fôlo: "Tsy te handaiha koa moa areo, sa tsia?" 68 Ary Simona Petera namaly Azy nagnanjao: "Tompo, handaiha amin-jôvy moa zahay? Anao no managna ny vaolagna fiainagna bariky dintany, 69 aveo mino zahay kay magnatogno mbô hahay fao Anao no lehy Masin-Jagnahary." 70 Nivaolagna Jesôsy taminjare nagnanjao: "Tsy Zaho moa no nifidy areo, aroa ambin'ny fôlo, ary ny araiky aminareo Devoly?" 71 Avakeo Jodasy zanak'i Simona Iskariota no koragniny, satria izy, lehy araiky amin'izy aroa ambin'ny fôlo, zay hamadiky Jesôsy.