Toko Faha 5

1 Tafaran'ny zany dia nisy firavoravoagnan'ny Jiosy, avakeo nakatra hoagny Jerosalema Jesôsy. 2 Ary tagny Jerosalema marikitrin'ny varavaran'ondry, dia nisy matsabôry, zay nantsôvigny tamin'ny Hebreo hoe Betesda, aveo misy alokaloka dimy zany. 3 Maro reo ôlogno marary, gila, malemy, na tsy afaka mihetsiky mandry tao. (Fagnamarihagna: Ny karamontsantaratasy talaoha bahery tsara, dia namaly ny fehezanteny hoe: "Mandigny ny fihitsaihan'ny rano'') 4 (Fagnamarihagna: Ny karamontsantantaratasy talaoha bahery tsara dia mangala ny and.4 magnanjao: "Fao nisy anjelin'ny Tompo araiky nijôtso kay nampihetsiky ny rano indraikindraiky aveo na zôvy na zôvy nagnatogno nagnao koafa nihetsiky ny rano dia mahivagna tamin'ny reo aretigny zay namparary azy na ino na ino.") 5 Ary nisy lalahy araiky teo zay afa narary valo amby telo-pôlo taogno. 6 Koafa hitan'i Jesôsy nandry teo izy, aveo tafaran'ny nahatsapany fao afa an-tagno maro izy no teo, dia nivaolagna Izy taminazy: "Tehivagna moa anao?" 7 Namaly lehy lalahy marary nagnanjao: "Tompoko, tsy managna na zôvy na zôvy zaho hitondra zaho akao agnaty matsabôry koafa mihetsiky rano. Koafa mandaiha zaho, misy misisiky alaohanaha." 8 Hoizy Jesôsy taminazy: "Mitsangàna, ndeso ny fandriagnanao, kay mandihiana." 9 Teo no eo nahivagna lehy lalahy, kay niraisiny ny fandriagnanazy dia nandaiha izy. Aveo Sabata zay andro zay. 10 Nivaolagna reo Jiosy tamin'ny lehy nahivagna nagnanjao: "Sabata ny andro dia tsy mahazo mitondra ny fandriagnanao anao." 11 Namaly izy: "Lehy nampahivagna zaho no nivaolagna taminaha hoe: 'Ndeso fandriagnanao kay mandihiana.''' 12 Ary nagnintany azy zareo: "Zôvy lehy lalahy nivaolagna taminao hoe: "Ndeso ny fandriagnanao kay mandihiana'?" 13 Naifa, lehy nahivagna tsy nahay Azy satria niala moramora Jesôsy fao nisy vahoaka teo antoeragna. 14 Koafa aviteo, hitan'i Jesôsy tao an-tempoly izy kay ho Izy taminazy: "Tô, nahivagna anao! Aza manota eky, mbô tsy hahavoa anao ny raha ratsy noho ny teo." 15 Aveo lôsogno ralehilahy kay nitatitry tamin'ny reo Jiosy fao Jesôsy no nampahivagna azy. 16 Ary noho reo raha reo dia nagnenjiky Jesôsy reo Jiosy, Satria nagnano reo raha reo tamin'ny sabata Izy. 17 Ary namaly zareo Jesôsy nagnanjao: "Ny Iadako miasa egny fao na zeo aby, avakeo Zaho, faogna koa, dia miasa." 18 Noho zany, vao maika nitady hamono Azy reo Jiosy tsy nohon'ny fagniratsirany ny sabata faogna, fao ny nagnantsaovany Zagnahary faogna koa Iadany zeraiky, magnano haigniny ho mitôvy amin-Jagnahary. 19 Ary Jesôsy namaly zareo nagnanjao: "Volagniky aminareo marigny, marigny tatô be, fao ny Zanaka tsy afaka magnano na ino na ino na inona ho Azy, afa-tsy zay hitany tsabon'ny Iada, dia atan'ny Zanaka faogna koa reo raha reo. 20 Fao ny Tiaa tia ny Zanaka kay nagnaboaka azy ny raha jiaby zay nitsabon'ny haigniny, aveo hagnaboaka azy raha gaida mihoatra noho reo Izy mbô ho gaga areo. 21 Karaha ny Iada manangagna ndraiky mamelogno ny maty, dia karaha zany faogna koa no amilaoman'ny Zanaka zay tiany. 22 Fao Iada dia tsy mitsara na zôvy na zôvy, fao namiany Zanaka ny fitsaragna jiaby 23 mbô hagnajanjareo Iada. Zay tsy magnaja Zanaka dia tsy magnaja lehy Iada nagniraka Azy. 24 Ambarako aminareo marigny, marigny tatô be, fao zay mitandregny vaolagna naha ndraiky mino zay nagniraka Zaho managna fiainagna bariky dintany kay tsy ho helohigny, fao niala tamin'ny fahafataisagna ho amin'ny fiainagna izy. 25 Koragniky aminareo, marigna tatô be, fao avy ny fotoagna, ary tonga zany zeo, koafa hitandregny feon'ny Zanaka Zagnahary ny maty, ary ho velogno reo zay maharegny. 26 Fao hotra ny Iada managna fiaignagna ao Aminazy, no nagnamaizany Zanaka faogna koa biaka hanagnany fiainagna ao Aminazy, 27 ary namaizan'ny Iada fahefagna hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak'ôlogno. 28 Aza gaga amin'ny zany, fao avy ny andro handrignaisan'ny ôlogno jiaby agny am-pasagna ny feonazy ka 29 hiboaka: reo zay nagnano tsara dia hoagny amin'ny fitsanganagna ho amin'ny fiainagna, fao reo zay nagnano ratsy ndraiky dia hoagny amin'ny fitsanganagna ho amin'ny fitsaragna. 30 Tsy afaka magnano na ino na ino raha Zaho zeraiky. Araka zay regniky, no itsarako, aveo ny fitsarako marigny satria tsy mitady ny sitraka fôko zeraiky Zaho fao ny sitrapôn'Izy zay nagniraka Zaho. 31 Raha tôkony hagnambara ny mahakasiky ny haigninaha Zaho, tsy marigny ny fagnambarako. 32 Misy araiky hafa zay magnambara ny mahakasiky Zaho, avakeo haiko fao marigny ny fagnambaragna zay koragniny momba Zaho. 33 Nirahigny tagny amin'i Jaona areo, aveo nagnambara marigny izy. 34 Naifa ny fagnambaragna zay nalaiky tsy avy amin'ny ôlogno. Mikoragna zany raha zany Zaho biaka mety ho voavonjy areo. 35 Jaona jiro nirehitry ndraiky nagnazava, aveo areo nagniry ny hiravo malaky tao amin'ny fahazavagnany. 36 Naifa ny fagnambarako mbôla gaida noho ny Jaona, fao reo asa namian'ny Iada ho tantirahiky, reo asa zay tsaboky reo, no magnambara ny mahakasiky Zaho fa nirahin'ny Iada Zaho. 37 Ny Iada zay nagniraka Zaho lasite no nagnambara Zaho. Tsy mbôla naharegny ny feonazy na nahita haigninazy areo. 38 Ary ny vaolagnanazy tsy mbô mibidôko akao agnatinareo, satria tsy mino lehy nirahiny areo. 39 Mitady Saoratra Masigny areo satria sambaranareo fao ao amin'ny reo no anagnanareo fiainagna bariky dintany, aveo reo Soratra Masigny reo faogna no magnambara mahakasiky Zaho, 40 naifa tsy vôgnogno ny hagnatogno Zaho areo mbô hanagnanareo fiainagna. 41 Tsy malaka laza avy amin'ôlogno Zaho, 42 satria haiky fa tsisy fitiavagna Zagnahary ao aminareo. 43 Havy amin'ny agnaragna Iadako Zaho, naifa tsy raisinareo. Raha misy hafa havy amin'ny agnarany zeraiky, ho raisinareo izy. 44 Akôry no hinoanareo, areo zay malaka laza avy amin'ny ôlogn-kafa naifa tsy mitady laza zay avy amin-Jagnahary taokagna? 45 Aza mievitry hoe Zaho no hagnambara areo agnantraihan'ny Iada. Lehy araiky magnambara areo dia Mosesy, zay nagnambilanareo ny fanantenagnanareo. 46 Raha nino Mosesy areo dia tôkony hino Zaho, satria nanaoratra mahakasiky Zaho izy. 47 Raha tsy mino reo nisoratany areo, dia atanareo akôry no hino ny vaolagna naha?