1 Ary koafa hain'i Jesôsy hoe regninjareo Fariseo fao nahazo aveo nitsabo batisa mpianatra maro noho Jaona Izy 2 (na dia tsy Jesôsy haigniny aby no nitsabo batisa, fao reo mpianany), 3 dia niala tao Jodia Izy aveo nimpôdy nagnagny Galilia ndraiky. 4 Ary ilaigny ny namakivaky Samaria. 5 Kay homy tao amin' ny tanàgna araiky akao Samaria Izy, antsôvigny hoe Sykara, marikitry lehy ampahan-tany zay namian'i Jakoba Josefa zanany. 6 Teo lehy fangalan'ny Jakoba rano. Nahatsaro rairaka tamin'ny diany Jesôsy kay nantotry teo amin'ny lehy vôvo. Tôkony teo amin'ny fotoagna fahenigny teo. 7 Nisy vaiavy samaritana araiky havy halaka rano, kay hoizy Jesôsy taminazy: 8 "Mbô amia rano Zaho higiahiky." Fao reo mpianany afa lôsogno agny an-tanàgna mbô hividy hanigny 9 Aveo hoizy lehy vaiavy Samaritana taminazy: "Magnankôry Anao, zay Jiosy, no mangataka aminaha, zay vaiavy Samaritana?" Fao reo Jiosy tsisy hifandraisagna amin'ny Samaritana. 10 Fao Jesôsy namaly kay nagnanjao taminazy: "Raha haina ny fagnomiazan-Jagnahary, aveo zay mivaolagna aminao magnanjao: 'Amia zaho ho giahiky,' dia anao ndraiky no nangataka taminazy, kay amiany rano velogno." 11 Hoizy lehy vaiavy taminazy: "Tompoko, Anao dia tsy managna daboko aveo vôvo laligny. kay aiza no hazahoanao rano velogno? 12 Anao dia tsy gaida, moa va, noho Jakoba razambentsika, zay nagnomia zahay ny vôvo aveo higiahigny taminjany ny haigniny, karaha ny natanjareo zanany aveo zareo bibiny?" 13 Jesôsy namaly kay nagnanjao taminazy: "Zay jiaby migiaka amin'ny tô rano tô dia mbôla ti higiaka indraiky, 14 fao na zôvy na zôvy migiaka amin' ny rano zay hamiako azy dia tsy ti higiaka bariky dintany. Fao ndraiky, ny rano zay hamiako azy dia ho tonga laoharano miboiboika akao agnatiny, zay minday akagny amin' ny fiainagana bariky dintany." 15 Nivaolagna vaiavy taminazy: "Tompoko, amia zany rano zany zaho mbô tsy ti higiaka ndraiky ho tonga halaka rano eto eky." 16 Hoizy Jesôsy tamin-dravehivavy: "Mandihiana, antsôvo ny vadinao, dia mimpodiana atô." 17 Namaly lehy vaiavy kay nivaolagna taminazy: "Tsy manambady zaho." Namaly Jesôsy: "Marigny ny nambarana hoe: 'Tsy manambady zaho,' 18 Fao afa nanambady indimy anao, ary lehy araiky zay hidaohana aminzeo dia tsy mbôla vadinao. Marina zay nambaranao." 19 Hoizy vaiavy taminazy: "Tompko, itako fao mpagnazary Anao. 20 Reo razantsika nivavaka teto amin'ny tô tanety tô, kanaifa areo magnambara fao Jerosalema no toairagna tôkony hivavahan'ny ôlogno." 21 Hoizy Jesôsy taminazy: ''Minoa Zaho, ravehivavy, fao hoavy ny andro zay hideranareo ny Iada kay sady tsy amin'ny tô tanety tô no tsy akagny Jerosalema. 22 Fao areo miondriky aminzay tsy hainareo. Zahay ndraiky miankohoka aminzay hainay, satria ny famonjiagna dia avy amin'ny reo Jiosy. 23 Kanaifa, Hoavy ny andro, ary tonga aminjikey, koafa hidaira ny Iada amin'ny fagnahy ndraiky fahamarinagna reo bahery mpivavaka, satria ny Iada dia mizaha ôlogno karaha zany ho mpidaira Azy. 24 Zagnahary dia Fanahy ary ny ôlogno zay midaira Azy dia tsy maintsy midaira amin'ny fagnahy ndraiky fahamarinagna." 25 Hoizy lehy vaiavy taminazy: "Haiky fao hoavy ny Mesia (lehy antsôvigny hoe Kristy). Ary koafa havy Izy, dia hagnazava amintsika ny raha jiaby." 26 Hoizy Jesôsy taminazy: "Zaho zay mikoragna amina, no Izy." 27 Taminjany fotoagna zany dia nimpôdy zareo mpianany. Ary nagnontany haigniny zareo nagnanjao nagnino Izy no mikoragna amin'ny vaiavy, fao tsisy nivaolagna hoe: "Ino raha ilainao?" na: "Nagnino Ana no mikoragna aminazy?" 28 Noho zany dia nagnapaitraka ny sehony vaiavy, kay nandaiha nimpôdy tagny an-tanàgna, aveo nagnambara tamin'ny ôlogno nagnanjao: 29 "Alôhy, hizaha lehy lalahy zay nagnambara ny vitako jiaby. Tsy ho Kristy zany, sa moa Izy?" 30 Dia niala teo an-tanàgna zareo, kay nandaiha Aminazy. 31 Tamizany, nampirisiky Azy reo mpianatra, nagnanjao: "Raby, Mihinàna". 32 Fao hoizy Izy taminjareo: "Zaho dia managna hanigny hoaniky zay tsy hainareo." 33 Kay nifampivaolagna zare mpianatra nagnanjao: "Tsisy ôlogno nitondra raha ho honigny aminazy, sa moa nisy?" 34 Hoizy Jesôsy taminjareo: "Ny hanignynaha dia ny magnano ny sitrapôn'ny Lehy nagniraka Zaho aveo magnano ny asany. 35 Moa anao tsy mivaolagna: 'Efa-abaolagna tavaila dia ho avy ny fararano?' Ambarako aminareo, hatopio ny masonareo dia zahao ny egny an-tsaha, fao afa masaka ary halaigny reo! 36 Zay malaka dia mahazo karama ave mamôry vokatra ho amin'ny fiainagna lalandava, kay hiara-paly ny mpamay sy ny mpihalaka. 37 Fao amizany dia marigny lehy vaolagna magnanjao: 'Ny araiky mamafy, aveo ny araiky ndraiky malaka,' 38 Nagniraka areo halaka zay tsy nisasaranareo Zaho. Reo hafa no nisasatra, ary areo no niditry teo amizay nisanarany." 39 Maro taninjareo samaritana tao amizany tanàgna zany no nino Azy nohon'ny tatitry lehy vaiavy zay magnambara: "Nambarany taminaha jiaby zay natako jiaby." 40 Kay koafa nagnatogno Azy reo Samaritana, dia nangataka Azy mbô hijanogno hiaraka aminjareo, dia nijanogno tao aroa andro Izy 41 Maro hafa no nino nohon'ny koragnanazy. 42 Hoizy zareo tamin-dravehivavy: "Tsy noho zay nambaranao eky no hinoanay, fao zahay lasite no afa naharegny, ary hainay fao Izy tatô be no lehy Mpamonjy zao tontolo zao." 43 Tafaran'ny reo aroa andro reo, dia niala avy tao Izy hoagny Galilia. 44 Fao Jesôsy lasite no nagnambara fao ny mpagnazary dia tsy manan-danja akao amin'ny taniny manaokagna. 45 Koafa tonga tao Galilia Izy, dia nalaka Azy zareo Galiliana . Zareo dia nahita ny raha jiaby zay natany tao Jerosalema tamin'ny andro fiaravoravoagna, satria nandaiha tagny amin'ny andro firavoravoagna foagna koa zareo. 46 Ary tonga tao Kana ao Galilia indraiky Izy, zay toairagna nagnovany rano ho divaigny. Nisy tandapa araiky zay nanagna zanaka lahy marary tao Kapernaomy. 47 Rehaifa regniny fao avy agny Jodia ho agny Galilia Jesôsy, dia nandaiha amin'i Jesôsy izy aveo nangataka taminazy mbô hijôtso ary hampahivagna ny zanany lalahy, zay afa ho faty. 48 Avakeo Jesôsy nagnambara taminazy nagnanjao: "Raha tsy mahita famantaragna ndraiky fahagagagna areo, tsy mbô hino lasite." 49 Hoizyy lehy tandapa taminazy: "Tompoko, mijotsoa moa alaohan'ny hafatesan' ny zanako." 50 Hoizy Jesôsy taminazy: "Mandihiana. Velogno ny zanakào." Nino ny antomoa zay nambaran'i Jesôsy taminazy lehy lalahy, kay lôsogno izy. 51 Raha igny izy nijôtso igny, dia nagnantianty azy reo mpanompony, nagnambara fao velogno ny zanany. 52 Kay nagnontany azy zareo ny fotoagna zay nanaretany izy. Namaly azy zareo: "Nimoaly tamin'ny fotoagna fahafito no nialàn' ny tazo taminazy." 53 Hainy lehy iada ave fao tamin'io fotoagna io no nivolagnan'i Jesôsy azy nagnanjao: "Velogno ny zanakao." Kay dia nino ny haigniny ndraiky reo fianakaviany jiaby. 54 Zany no famantaragna faharoa nitsabon'i Jesôsy fony Izy niala tao Jodia ho agny Galilia.