1 Avakeo voh marandraignin'ny andro voalaohan'ny erign'andro, raha mbôla mahizigny igny, nagnegny amin'ny fasagna Maria Magdalenina aveo nahita lehy vato afa niteky lavitry lehy fasagna izy. 2 Noho zany dia nilomoay izy aveo nagnatogno Simona Petera ndraiky lehy mpianatra hafa zay tian'i Jesôsy, ary hoizy taminjareo: ''Nalainjareo tao amin'ny fasagna ny Tompo, avakeo tsy hanay zay nambilanjareo Azy.'' 3 Aveo nandaiha niboaka Petera ndraiky lehy mpianatra hafa, ary nagnagny amin'ny fasagna zareo. 4 Samby nilomoay zareo, avakeo nihoafan'ny lehy mpianatra hafa malaky Petera ary izy homby voalaohany tagny amin'ny fasagna. 5 Aveo nondriky izy, ary nizaha lehy lambam-paty nipaitraka teo, fao tsy mbôla nitsôfotro tagnatiny izy. 6 Tonga tafarany aveo Simona Petera aveo niditry tampasagna. Hitany nipaitraka teo lehy lambam-paty 7 ndraiky lehy lamba nitsabony tegny amin'ny laohany. Tsy niara-nipaitraka tamin'ny lehy lambam-paty anaifa lehy izy fao nivalombalogno hoazy teo amin'ny toairany. 8 Avakeo lehy mpianatra araiky hafa, lehy tonga voalaohany teo amin'ny fasagna, niditry tagnatiny koa, ary nahita avakeo nino izy. 9 Fao rango tamin'ny io fotoagna io zareo tsy mbôla nahay Saoratra Masigny faogna fao Izy tsy maintsy hitsangagna amin'ny maty. 10 Kay nimpôdy tagny an-tragno reo mpianatra. 11 Fao Maria nitsangagna nitomoagny tambailany fasagna. Koa izy nitomoagny igny, dia nondriky tamin'ny lehy fasagna. 12 Nahita anjely aroa magnano lamba fôtsy nipaitraka izy, ny araiky tan-andaohany, ary ny araiky tan-tongony tamin'ny lehy toairagna nambilagna vatan'i Jesôsy. 13 Hoizy zareo taminazy, "Ravehivavy, nagnino anao mitomoagny?" Hoizy izy taminjareo: "Satria nindesinjareo ny Tompoko, ary tsy haiky zay nambilanjareo Azy." 14 Koafa avy nivaolagna zany izy, dia nitodiky ary nahita Jesôsy nitsangagna teo, fao tsy hainy fao Jesôsy io. 15 Hoizy Jesôsy taminazy: "Ravehivavy, Nagnino anao mitomoagny? Fao zôvy zahavanao?" Sambarany fao lehy mpiambigny fao Izy, kay hoizy izy taminazy: "Tompoko, raha Anao nalaka Azy, ambarao zaho nambilanao Azy, fao ho alaiky agny Izy." 16 Hoizy Jesôsy taminazy: "Maria." Nitodiky izy, ary nivaolagna tamin'ny vaolagna Hebreo: "Rabôny" (zay midika hoe: "Mpampianatra.") 17 Hoizy Jesôsy taminazy: "Aza mikasiky Zaho, fao tsy mbôla nakatra akagny amin'ny Iada Zaho, fao mandihana akagny amin'ny reo rahalahiky aveo volagno zareo fao hakatra akagny amin'ny Iadako ndraiky Iadanareo Zaho, ary ny Zagnaharianaha ndraiky Zagnaharinareo." 18 Nandaiha Maria Magdalenina ary nivaolagna reo mpianatra nagnanjao: "Nahita Tompo zaho," aveo reo raha reo no nikoragniny taminazy. 19 Ary hariva tamin'ny zany, tamin'ny andro io, andro voalaohan'ny herign'andro, ary reo tamiagna zay nisy reo mpianatra, dia nifôdy nohon'ny fahatahaoragna reo Jiosy, nagnatogno Jesôsy ary nitsangagna tagnivonjareo kay nivaolagna taminjare nagnanjao: "Fiadanagna ho anareo." 20 Koafa avy nivaolagna zany Izy, dia naboakany zareo ny tagnany ndraiky lanivoany. Ravo reo mpianatra koafa nahita Tompo. 21 Aveo Jesôsy nivaolagna zareo nagnanjao: "Fiadanagna hoanareo. Karaha ny nagnirahan'ny Iada Zaho, no hagnirahako areo koa.'' 22 Koafa avy nivaolagna zany Jesôsy, dia nitsitro fôfokoaigny taminjareo ary nivaolagna zareo: "Alay Fagnahy Masigny. 23 Na heloko zôvy na heloko zôvy availanareo, ho availa zareo; ary na zôvy na zôvy tsy availanareo, tsy ho availa zareo." 24 Tomasy, araiky tamin'ny reo aroa ambin'ny fôlo, nantsôvigny hoe Didymo, tsy niaraka taminjareo koafa avy Jesôsy. 25 Reo mpianatra hafa aveo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Hitanay Tompo." Hoizy taminjareo: "Raha tsy hitako egny amin'ny tagnany ny loakan'ny reo fantsiky, aveo magnapaitraka ratsantagnanaha agnatiny lehy loakan'ny reo fantsiky zaho, ary mamaitraka tagnako amin'ny lanivoany, tsy hino zaho." 26 Valo andro tatoy afara dia tao ndraiky reo mpianany, ary niaraka taminjareo Tomasy. Nagnatogno Jesôsy raha nifôdy tamiagna, ary nitsangagna niaraka taminjareo, aveo nivaolagna nagnanjao: "Fiadanagna hoanareo." 27 Aveo nivaolagna Tomasy Izy: "Magnataogna atoy miaraka amin'ny tagnagnao ary ambilao eto amin'ny lanivoako zany. Aza hely finoagna, fao minoa." 28 Tomasy namaly aveo nivaolagna nagnanjao: "Tompoko, ndraiky Zagnahariky.'' 29 Hoizy Jesôsy taminazy: "Satria nahita Zaho Anao, dia nino. Sambatra reo zay tsy nahita, naifa mino." 30 Zeo Jesôsy nitsabo famantaragna fôntry hafa tagnatraihan'ny reo mpianany, famantaragna zay tsy voasaoratra tagnatiny tô boky tô, 31 fao reo dia voasaoratra mbô hahafahanareo mino fao Jesôsy no Kristy, lehy Zanaka Zagnahary, avakeo koafa mino Azy areo, hahazo fiainagna amin'ny agnarany.