1 Aveo nentin'i Pilato Jesôsy kay nipipohiny. 2 Nandrandragna satroko fatsiky reo miaramila. Napaitraka zareo tamin'ny laohan'i Jesôsy zany aveo nampisikigny lamba vôlomparasy Azy. 3 Nagnatogno Azy zareo aveo nivaolagna nagnanjao: "Arahaba, mpanjakan'i Jiosy!" Aveo namboko Azy zareo. 4 Avakeo niboaka indraiky Pilato kay nivaolagna tamin-jareo nagnanjao: "Tô, ndesiky aminareo aketo ambailany Izy mbô hahaizanareo fao tsy mahita heloko Aminazy zaho." 5 Kay niboaka Jesôsy, nagnano lehy fehilaoha fatsiky ndraiky lehy lamba vôlomparasy. Hoizy Pilato tamin-ajareo: "Tô, tô lehy lalahy!" 6 Koafa hitan'ny laohany mpisôrogno ndraiky ny manambogninahitry Jesôsy, dia nangaiky mafy zareo kay nivaolagna nagnanjao: "Fantsaiho izy, fantsaiho izy!" Hoizy Pilato tamin-jareo: "Alaivonareo Izy avakeo fantsaiho, fao zaho tsy mahita heloko Aminazy." 7 Namaly azy reo Jiosy: "Managna lalàgna atsika, aveo ny lalàgna tôkony hofoaty Izy satria mitonon-tena ho Zanaka Zagnahary." 8 Koafa regnin'i Pilato zany fagnambaragna zany, nahay ambory izy, 9 aveo niditry tao amin'ny Lapam-panjakagna ndraimandaiha izy kay nivaolagna tamin'i Jesôsy nagnanjao: "Avaiza ny faviagnanao?" Naifa tsy nagnamia valin-teny azy Jesôsy. 10 Avakeo Pilato nivaolagna taminazy nagnanjao: "Tsy managna ambara aminaha moa anao? Tsy hainao moa fao managna fahefagna hamôtsotro Anao zaho, ndraiky fahefagna hamantsiky Anao?" 11 Namaly Jesôsy: "Tsy managna fahefagna Aminaha anao raha tsy namiagna anao avy akagny ambony zany. Noho zany, izy zay nanolaoragna Zaho taminao dia managna heloko maromaro." 12 Tamin'ny zany valin-teny zany, dia niaizaka ny hagnafaka Azy Pilato, fao nagaikingaiky mafy reo Jiosy, nagnanjao: "Raha avôtsotroa lalahy io dia tsy naman'i Kaisara anao. Zay jiaby magnano haigniny ho mpanjaka dia manohitry Kaisara." 13 Koafa regnin'i Pilato vaolagna reo, dia nindesin-jareo niboaka Jesôsy aveo nantotry teo amin'ny Sezy fitsaragna zay antsôvigny "Lampivato," fao amin'ny vaolagna Hebreo hoe ''Gabato." 14 Ary tonga ny andro fagnomanagna ny Paska, teo amin'ny fotoagna faha enigny teo. Hoizy Pilato tamin- jareo: "Tô, tô ny mpanjakanareo!'' 15 nangaiky mafy zareo nagnanjao: ''Ambilao Izy, ambilao Izy; fantsaiho Izy!'' Hoizy Pilato tamin-jareo: ''Tôkony hamantsiky mpanjakanareo moa zaho?" Namaly reo laohan'ny mpisôrogno nagnanjao: "Tsy managna mpanjaka ankoatran'i Kaisara zahay.'' 16 Aveo natôlotr'i Pilato zareo ho fantsaihagna Jesôsy. 17 Avakeo nalain-jareo Jesôsy, ary nandaifa niboaka izy, nilanja kakazofijaliagna, hoagny amin'lehy toairagna antsôvigny hoe"Toeran'ny Karandaoha," zay amin'ny Hebreo antsôvigny: "Golgota." 18 Nifantsaihan-jareo tagny Jesôsy, aveo nisy lalahy aroa hafa niaraka taminazy, araiky isaky ny ilaigny, aveo Jesôsy tagnivony. 19 Nanaoratra famantaragna faogna koa Pilato avakeo namaitraka zany teo amin'ny kakazo fijaliagna. Zao no voasaoratra teo: JESÔSY AVY AKAGNY NAZARETA, LEHY MPANJAKAN'NY JIOSY. 20 Maro tamin'reo Jiosy no namaky zany famantaragna zany satria tsy lavitry tanagna no misy toairagna namatsaihagna Jesôsy. Ilay famantaragna dia nosoratagna tamin'ny hebreo, Latina, ary Grika. 21 Aveo hoizy laohan'ny mpisôrogno jiosy tamin'i Pilato nagnanjao: "Aza soroatagna hoe: 'Lehy mpanjakan'ny Jiosy,' fao aleo hoe: 'Tô araiky tô nivaolagna hoe: "Zaho no mpanjakan'ny Jiosy."' 22 Aveo namaly Pilato nagnanjao: "Zay voasaoratra dia voasaoratra." 23 Koafa nifantsaihan-jareo miaramila Jesôsy, dia nalain-jareo lambanazy, kay nizarain-jareo aifatra, dia samy managna araiky aby reo; ary lehy ankanjo faogna koa. Ary tsisy vitrana lehy ankanjo, fao tenona araiky faogna. 24 Aveo nifampiraisaka zareo nagnanjao: "Aleo tsy rovitintsika tô, fao ndraiky andaiha hilokagna ahitavagna zay mahazo azy." Nitranga zany mbô hahatantairaka ny Saoratra Masigny zay mivaolagna nagnanjao: "Nifampizaran-jareo ny lambanaha aveo nilokaigny ny fitafiako." Zany no nitsabon'ny reo miaramila. 25 Avakeo nitsangagna teo narikitry kakazo fijaliagnan'i Jesôsy ny nininy, ny rahavavin-dreniny, Maria vadan'i Klopa, aveo Maria Mgdalaina. 26 Koafa nahita ny nininy ndraiky reo mpianatra zay tiany nitsangagna teo narikitry teo Jesôsy, dia nivaolagna tamin'ny nininy Izy nagnanjao: "Ravehivavy, tô ny zanakao lahy!" 27 Aveo hoizy tamin'ny mpianatra: "Tô, ny nininareo!'' Aveo tamin'ny zany fotoagna zany nalain'ny mpianatra hoagny aminazy izy. 28 Tafaran'zany, koafa nahay fao vita ny raha jiaby kay mbô ho tantairaka ny Saoratra Masigny, dia hoizy Jesôsy: "Mangetaheta Zaho." 29 Ary nisy tavoara feno divay marikivy nipaitraka teo amin'ny toairagna io, kay nasian-jareo divay marikivy ny siponjy kay notohizany tamin'ny hysopa aveo napaitany tamin'ny hysopa avakeo napaitapaitany tamin'ny vavanazy. 30 Koafa nigiaka lehy vinaigra Jesôsy, dia hoizy Izy: "Afa vita." Nahondriny ny laohanazy avakeo niala ny fagnahiny. 31 Satria andron'ny fihomanagna tamin'ny zany, kay mbô tsy hijanogno akeo amin'ny kakazo fijaliagna mandritran'ny Sabata (Satria ny Sabata dia andro manan-danja manaokagna) reo vata-manintsy, dia nangataka tamin'i Pilato reo Jiosy aveo, ny mbô hanapahagna hongotro njareo avakeo hangalagna zareo. 32 Aveo nagnatogno reo miaramila kay nanapaka ny hongotry lehy lalahy voalaohany ndraiky lehy lalahy faharoa zay voafantsiky niaraka tamin'i Jesôsy. 33 Koafa nagnatogno Jesôsy zareo, nahita fao afa maty Izy, kay tsy nitapahinjareo ny hongony. 34 Naifa, nisy miaramila araiky nanindrogno lanivoany tamin'ny lefogno, ary samby teo nisy lio ndraiky rano niraraka. 35 Lehy araiky zay nahita zany dia nitsangagna antomoa, aveo marigny ny fagnambarany. Hainy fao marigny zay nikoragnany mbô hinoanareo faogna koa. 36 Fao raha reo no nitranga mbô hahatantairaka ny Saoratra Masigny: "Tsy hisy ho tapaka na dia araiky amin'ny tahaolany aby." 37 Ary mbôla, misy Saoratra Masigny hafa mivaolagna magnanjao: "Izy reo dia hizaha Azy zay nolefonin-jareo." 38 Tafaran'ny reo, Josefa avy ao Arimatio, rango naha-mpianatr'i Jesôsy azy (Fao tao amin'ny mangingigny nohon'ny Fahatahaoragna reo Jiosy), nagnontany Pilato raha afaka malaka vatagna Jesôsy izy. Namaizan'i Pilato alalagna izy. Kay tonga Josefa ary nalaka vatany. 39 Tonga tagny faogna koa Nikodemosy, zay tonga voalaohany hizaha Jesôsy ny align'igny. Ary nitondra mainaka zato litatra teo ny fatrany. 40 Koafa niraisin-jareo ny vatan'i Jesôsy aveo namôgno zany tamin'ny lambam-paty ndraiky raha mangintry, araka ny fomba fandivaignagna Jiosy. 41 Ary teo amin'ny Toairagna namantsaihagna Azy dia nisy saha; ary teo amin'ny lehy saha nisy fasagna vava zay mbôla tsy nandevaignan'ôlogno. 42 Satria andron'ny fiomanan'ireo Jiosy tamin'zany ary satria narikitry fasagna, dia nambailan-jareo tao Jesôsy.