1 Tafaran'ny raha reo Jesôsy niboaka taminjareo mpianatra ndremandaiha teo amin'ny ranomason'i Tiberiasy. Karaha zao fomba niboahany: 2 Simona Petera niaraka tamin'i Tomasy zay antsôvigny hoe Didymo, Natanaela avy akagny Kana akgny Galilia, reo zanak'i Zebedio, ary mpianatr'i Jesôsy aroa hafa. 3 Hoizy Simona Petera taminjareo: "Handaiha hagnarato zaho.'' Aveo hoizy zareo taminazy: "Zahay, koa, handaiha hiaraka aminao." Kay lôsogno zareo ary niditry tagnaty lakagna araiky, fao tsy nahazo na ino na ino zareo nandritry ny aligny jiaby. 4 Ary raha voh mahizinkizigny ny andro, nitsangagna tandranomasigny Jesôsy, fao tsy hain'ny reo mpianatra hoe Jesôsy io. 5 Kay hoizy Jesôsy taminjareo: "Oa tôvolahy, tsy managna hoaniky moa areo?" Namaly Azy zareo: "Tsia." 6 Hoizy Izy taminjareo: "Atopio eo amin'ny sisiny ankahery ny lakagna ny haratonareo, dia hahazo areo. "Kay natompinjareo ny haratonjareo ary tsy nahavita nampakatra zany tao nohon'ny hafontrizany ny hazandrano. 7 Aveo hoizy lehy mpianatra zay tian'i Jesôsy tamin'i Petera: "Ny Tompo io." Koafa regnin'i Simona Petera fao Tompo io, dia nampiditry ny ambonin'ankanjony izy (Satria tsy nagnano lamba izy), kay nitsambokigny tagnaty ranomasigny. 8 Reo mpianatra hafa nandaiha amin'ny lakagna (Satria zareo tsy lavitry tanety, teo amin'ny roanjato hakiho teo), ary nanintogno harato feno hazandrano. 9 Koafa tafakatra an-tanety zareo, nahita môtron'harigny tegny ary hazandrano tamboniny, miaraka amin'ny môfo. 10 Hoizy Jesôsy taminjareo: "Mindaisa hazandrano fôntrifôntry amin'ny reo voh hazonare teo." 11 Ary nakatra Simona Petera kay nanintogno an-tany ny harato, zay feno hazandrano gaida; 153. Taigna fôntry, kanaifa tsy triaka lehy harato. 12 Hoizy Jesôsy taminjareo: "Avia hinagna marandraigny." Tsisy tamin'ny reo mpianatra nahasaiky nagnontany Azy nagnanjao: "Zôvy moa Anao?" Hainjareo fao Tompo io. 13 Nagnatogno Jesôsy, nalaka môfo, avakeo nagnamia zany zareo, hotra zany koa ny hazandrano. 14 Fagnintelony amin'io no niboahan'i Jesôsy tamin'ny reo mpianatra tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty. 15 Koafa avy nihinagna marandraigny zareo, hoizy Jesôsy tamin'i Simona Petera: "Simona zanak'i Jaona, tia Zaho mihoatra noho reo moa anao?" Hoizy Petera taminazy: ''Ia Tompo, haina fao tia Anao zaho." Hoizy Jesôsy taminazy: "Fahano reo ondriky." 16 Nivaolagna taminazy fagnindrony Izy: "Simona zanak'i Jaona, tia Zaho moa anao?" Hoizy Petera taminazy: "Ia Tompo, hainao fao tia Anao zaho." Hoizy Jesôsy taminazy: "Karikaray ny ondriky." 17 Nivaolagna taminazy fagnintelo izy: "Simona, zanak'i Jaona, tia Zaho moa anao?" Dia nalahelo Petera satria Jesôsy nagnano intelo taminazy nagnanjao: "Tia Zaho moa anao?" Kay hoizy izy taminazy: "Tompo, Anao mahay raha jiaby, hainao fao tia Anao zaho." Hoizy Jesôsy taminazy: "Fahano ny ondriky." 18 Koragniky aminao, marigny, marigny tatôbe, rango mbôla tanora anao, zatra nampiditry manaokagna ny ankanjonao ary nandaiha tamin'ny zay tianao, fao koafa nahay hantitry anao, hamavatra tagnagnào, aveo ôlonkafa no hampiakanjo anao ndraiky hitondra anao amin'ny zay tianao mboagna." 19 Ary Jesôsy nivaolagna zany mbô hahaizagna hoe amin'ny karazagna fahafataisagna hotra ny ino no hagnamaizan'i Petera vogninahitry Zagnahary. Koafa avy nivaolagna zany Izy, dia hoizy Izy tamin'i Petera: "Magnaraha Zaho." 20 Nitodiky Petera kay nahita lehy mpianatra zay tian'i Jesôsy nagnaraka zareo, lehy araiky zay niankigny ampitan'i Jesôsy faogna koa tao, amin'ny fihinanagna ary nagnanjao: "Tompoko, zôvy lehy araiky hamadiky Anao?" 21 Nahita azy Petera ary hoizy izy avakeo tamin'i Jesôsy: "Tompo, ino no ho tsabony lalahy io?" 22 Hoizy Jesôsy taminazy: "Raha tiako hitoaitra izy papiky haviako, dia midika ino zany aminao? Magnaraha Zaho.'' 23 Kay nipariaka teo amin'ny reo mpirahalahy zany vaolagna zany, fao tsy hofoaty mpianatra io. Naifa Jesôsy tsy nivaolagna tamin'i Petera fao tsy hofoaty lehy mpianatra hafa, fao magnanjao: "Raha tiako hitoaitra izy papiky haviako, dia midika ino zany aminao?" 24 Izy lehy mpianatra zay nitsangagna antomoa mahakasiky raha reo, ndraiky lehy nanaoratra raha reo, ary haintsika fao marigny ny fagnambarany. 25 Misy raha maro hafa koa zay nitsabon'i Jesôsy. Raha voasaoratra tsiaraikiaraiky aby zany, dia sambarako fao na dia zao tontolo zao aby tsy homby boky zay ho soroatagna.