Toko faha 17

1 Nizaka tamin'i Mosesy Yaveh. 2 Hoy izy ho: ''Mizaka amin'ny vahoakin'Israely dra nangalaky tehina avy amin'izy ireo, raiky isaky gny kiraikiraiky amin'ireo fokon-drazana, dra tehina ro ambin'ny folo. Sorato eo amin'ny tehiny avy gny agnaran'ny olo kiraikiraiky. 3 Aoka ho soratinao eo amigny tehin'i Levy gny agnaran'i Arona. Sy maisy misy tehina raiky avy amigny fokon-drazany ho an'ny pitariky kiraikiraiky. 4 Sy maisy apetrakao ao amin'ny trano-lay fihaonana eo anoloan'ny lalan'ny fagnekena, izay hihognako aminao ireo tehina. 5 Dra gny tehin'ny olo izay filiko dra hisimoky. Hasahaso gny fitaregnana avy amin'ireo olo, izay zakany hanoerana anao.'' 6 Dra nizaka tamin'ireo vahoakin'Israely i Mosesy. Ngnome tehina anazy avokoa ireo pitariky ara-poko, tehina raiky avy ho an'ireo pitariky kiraikiraiky, izay nitedreny avy amigny fokon-drazana isan'isany, tehina ro ambin'ny folo gny fitambarany. Tao agnatin'izay gny tehin'i Arona. 7 Avy eo dra napetrak'i Mosesy teo agnatrehan'i Yaveh tao amigny lain'ny lalan'ny Fagnekena ireo tehina. 8 Gny maraidray dra nizoso tao amigny lain'ny lalan'ny fagnekena i Mosesy, dra idro, nagniry gny tehin'i Arona ho an'ny fokon'i Levy. Nagniry kibory dra izay namoa felany vo amygdala! 9 Nandesin'i Mosesy niboaky sy ho eo agnatrehan'i Yaveh ho eo amigny vahoakin'Israely manotolo ireo tehina aby, dra samy nangalaky gny tehina olo kiraikiraiky. 10 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: ''Apetraho eo anoloan'ny lalan'ny fagnekena gny tehin'i Arona. Tehirizo ho famataran-keloka hanohisy ireo olo izay nikomy izay ba hagnasaharanao gny fitaregnana manohisy anahy, raha sy izay dra ho maty izy ireo.'' 11 Nanao araky izay nandidian'i Yaveh anazy i Mosesy. 12 Nizaka tamin'i Mosesy gny vahoakin'Israely dra nizaka ho: ''Ho maty atiky sika. Ho ringana aby koa isika rehetra! 13 Izay rehetra miakasy, izay magnato gny tabernakelin'i Yaveh, dra ho maty. Dra sy maisy ho maty se isika rehetra?''