toko faha 16

1 Dra Kora gny zanadahin'i Jizara zanadahin'i Kehata zanadahin'i Levy, miaraky amin'i Datana vo Abirama zanadahin'i Eliaba, vo Ona zanak'i Peleta, taranak'i Robena, dra nampivory lelahy sasa-sasany. 2 Nisanga hanohisy an'i Mosesy izy reo , ka niaraky tamin'ereo lelahy hafa avy tamign'ny vahoaka'Israely, mpitariky fengona dimampolo vo rozato zay mpikamba fanta-daza teo amign'ny fengona . 3 Niara-niango izy reo mba hifanandry ami'i Mosesy vo Arona. Hoy izy reo taminazy:'' Lasa lavisy loasy iandrareo! Fa voatoka gny fiangona aby, gny kirairaiky amin'izy reo dra Yaveh dra eo aminizy reo. Nanap akory gny manandrasy gny vatandrareo eo amign'ny ambign'ny fengonan'i Yaveh iandrareo?'' 4 Gny fa ren'i Mosesy izay, dra nipiodriky gny tavany izy. 5 Nizaka tamin'i Kora vo ireo aby izay nidray taminy izay ho: ''Amigny maray dra hapahafatarin'i Yaveh ireo izay Azy vo ireo izay voataka hon'azy. Handesiny ho eo agnilany izay olo izay. Gny raiky izay voafily dra handesiny gny vatany. 6 Atovy izao, ry Kora vo gny tariny aby. Alao gny fandesan'afo. 7 Maraidray dra asio vo afo vo ditin-kazo magnisy agnatin'izay eo anoloan'i Yaveh. Gny raiky izay filin'i Yaveh, dra ho voatoka ho an'i Yaveh izay olo izay. Lasa lavisy loasy hanao, dra taranak'i Levy.'' 8 Dra hoy draiky Mosesy tamin'i Kora ho:''Akehitriny mitenoa, handrareo dra taranak'i Levy.'' 9 Moa raha masaisaiky amidrareo se gny napisarahan'i Zagnahary andrareo tamin'ny fiangonan'Israely, ba hinday andrareo agnilan'ny vatany, ba hanao gny asany ao amigny Tabernakelin'i Yaveh, dra hizaro eo anoloan'ny fiangona ba hanopo anazy ireo? 10 Ninday anao agnilany izy, vo ireo rahalahinao aby, taranak'i Levy, mindray aminao, nefa bo mitalia gny fisoronana avo koa handrareo! 11 Noho izay gny nivodrognadrareo vo gny tarinao hanohisy an'i Yaveh. Dra nanaoakory hadrareo gny mitaray mahakasiky an'i Arona, izay makato an'i Yaveh?'' 12 Dra Mosesy nitoka an'i Datana vo Abirama, zanaky lahin'i Eliaba, fa nizaka izy ireo ho: ''Sy hiakasy izahay. 13 Raha masaisaiky aminao angaha gny nindesanao anay niakasy niboaky gny tany todran-dronono vo tantely, ba hamono anay agny agnefisy? akehitriny dra magniry gny vatanao hanapaky eo aminay hanao! 14 Ho fagnapian'izay, sy ninday anay tagny amigny tany todran-dronono vo tantely hanao, na nagnome anay ireo saha vo tanim-boaloboky ho lova. Akehitriny dra magniry hahazamba anay amin'ireo fapanantenana foana se hanao? sy ho agny aminao izahay.'' 15 Tezitra fatrasy i Mosesy dra nizaka tamin'i Yaveh ho: ''Ka magneky gny fagnatiny. sy nangalakyna apondra raiky tamin'izy ireo zaho, dra sy nagnisy rasy na gny raiky tamin'izy ireo aza.'' 16 Dra nizaka tamin'i Kora i Mosesy ho: ''Maraindray dra sy maisy handeha eo agnatrehan'i Yaveh hanao vo gny tarikao___hanao vo izy ireo. dra Arona. 17 Samia mangalaky gny fitondran'afo hadrareo kiraikiraiky dra magnisy gny ditin-kazo magnisy ao amin'izay. Avy eo dra aoka hinday gny fitondran'afo eo agniloan'i Yaveh avy gny kiraikiraiky, fotondran'afo dima-polo vo aoka hinday gny Arona, avo koa, dra aoka hinday gny fitondran'afodrareo kiraikiraiky.'' 18 DRa nangalaky gny fitodran'afony gny olo kiraikiraiky, nadrehisy afo tamin'izy, dra nisanga teo amigny fidiran'ny tragno lay fihaonana nidray tamin'i Mosesy vo Arona. 19 Napivory ireo fivodronana aby manohisy an'i Mosesy vo Arona teo amigny fidiran'ny tragno-lay fihaonana i Kora, dra niseho tamin'ny fovodronana aby gny voninahis'i Yaveh. 20 Dra nizaka tamin'i Mosesy vi Arona i Yaveh ho: 21 '' Saraho amin'ity fiangonana ity gny tenanao ba hahafahako mandevo anazy ireo avy hatragny.'' 22 Niakohoky i Mosesy vo Arona dra nizaka ho: '' Zagnahary, Zagnahariny gny fagnahin'ny olombelona aby, raha manota gny olo raiky, dra ho tezitra amigny fiangonana aby se hanao? 23 Namaly an'i Mosesy i Yaveh. 'v 24Hoy izy ho: ''Mizaka amin'ny fovodrognana. Mizaka ho: ''Miala amigny lain'i Kora, Datana, dra Abirama.'' 25 Dra niainga i Mosesy dra nagnagny Datana vo Abirana; ireo lohalon'Israely dra nagnaraky anazy. 26 Nizaka tamin'ny fovodrognany izy dra nizaka ho: ''Akehitriny dra miala amin'ireo lain'ny rasy fagnahy dra aza mikitika na ino na ino gny anazy ireo, fadrao ho levo amigny alalan'ireo fahotany aby hanao.'' 27 Koa nandao anazy ireo tamin'ny zoron'ireo lain'i Kora, Datana, dra Abirama gny fivodrognany. Niboaky i Datana vo Abirama dra nisanga teo amigny fidiran'ny lain'ny ireo, nidray tamin'ireo valiny, zanaky lahy, dra ireo madininy. 28 Dra nizaka i Mosesy ho: ''Amin'izao gny ahafataradrareo fa Yaveh gny nagniraky anahy hanao ireo asa aby, fa sy nanao ireo tamin'ny saiko avo zaho. 29 Raha maty amigny fahafatesana voazagnahary manahaky gny zava-misy ara-dalana ireny olo ireny, dra sy nandefa anahy i Yaveh. 30 Fa raha mamorona fisokafana amigny tany izay mitely anazy ireo ao manahaky gny vava lahibe i Yaveh, midray amin'ireo fianakaviany aby, dra raha mizaso velona agny amigny fiaigna-sihita izy ireo, dra aoka ho fatasao fa ireny olo dra nanao sinosinona an'i Yaveh.'' 31 Raha bo sy tapisy gny fizakan'i Mosesy ireo teny aby ireo, dra nisokaky teo ambanin'ireo lelahy ireo gny tany. 32 Nanokaky gny vavany gny tany dra nitely anazy ireo, ireo fianakaviany, dra ireo olon'aby izay an'i Kora, dra koa ireo fanagnany aby. 33 Dra lasaky velo tgny amigny fiaigna-sihita izy ireo vo ireo aby tao amin'ireo fianakaviany. Nikatona teo agnabon'izy ireo gny tany, dra tamin'izay gny nahafongotra anazy ireo teo afovoan'ny fivodrognany. 34 Ireo Israely aby magnodidy anazy ireo dra nandososy tamin'ireo hiakiakiny. Nihiaky izy ireo go: ''Mety hitely asika avo koa gny tany!'' 35 Dra niselasy gny afo avy tamin'i Yaveh dra nandrapaky ireo 250 olo izay nanolosy ditin-kazo magnisy. 36 Dra nizaka tamin'i Mosesy draiky i Yaveh dra nizaka ho: 37 ''Mizaka amin'i Eleazara zanaky lahin'i Arona pisoro dra aoka izy hamono gny afo amigny fandorana gny ditin-kazo, fa gny fitondran'afo dra voatokana hon'ahy. Dra angao izy hapiely gny vain'afo agny lavisy. 38 Alao ireo fitodran'afon'ireo izay namoy gny ainy nahan'ny fahotany. Aoka ireo ho atao lovia voatefy ba ho fadrakofana gny alitara. Nanolosy ireo teo anoloako ireo olo ireo, dra voatoka hon'ahy ireny. Ho famatarana gny fisiako amin'ireo vahoakin'Israely ireo. 39 Nangalaky ireo fitodran'afo varahina i Eleazara pisoro izay napiasan'ireo olo izay may, dra nitefe ho fadrakofana ho an'ny alitara ireo. 40 Ba ho fapahasiahivana ho an'ireo vahoakin'Israely, ba sy hisy vahiny izay sy taranaky avy amin'i Arona ho avy hagnoro ditin-kazo magnisy manoloana an'i Yaevh, dra sy ho avy manahaky an'i Kora vo gny tariny izy ireo___araky izay fa nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. 41 Fa gny apiso maraina dra nitaray tamin'i Mosesy vo Arona gny fivodrognan'ny vahoakin'Israely aby. Hoy izy ireo ho: ''Nivononireo gny vahoakin'i Yaveh.'' 42 Dra niseho izay, aby nivory hanohisy an'i Mosesy vo Arona gny fivodrognana aby, raha nagnety tao amigny tragno-lay fihaonana izy ireo, dra ingo, nadrakoky izay gny rahona. Niseho gny voninahis'i Yaveh. 43 Dra Mosesy vo Arona dra nagneo anoloan'ny tragno-lay fihaonana. 44 Dra nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy: 45 ''Miala lavisy sy ho eo anolohany an'io fivodronana io ba hahafahako mandevona anazy avy hatragny.'' Dra napiodriky gny tavany tamin'ny tany i Mosesy vo Arona. 46 Hoy i Mosesy tamin'i Arona: ''Alao gny fitodran'afo, asio afo avy eo amigny alitara, asio ditin-kazo magnisy ao agnatin'izay, andeso malaky agny amigny fivodronana izay, dra manaova fagnavota hon'azy ireo, satria avy amin'i Yaveh gny fahatezerany. Niatomboky gny areti-mandringana.'' 47 Dra nanao araky ze nataron'i Mosesy i Arona. Nilomalomay hi eo agnevogn'ny fivondrona izy. Fa nanomboky niparitaky malaky teo amign'ny olo gny areti-mandringa , koa natorany gny dilin-kazo magnisy ka nanao fagnavota ho agn'ny olo izy. 48 Nisanga teo agnelagnela gny velo vo gny maty i Arona; ka tamign'izay dra nizano gny areti- mandringa. 49 Reo ze matign'ny areti-mandringa dra 14 700, ankoasy reo maty nohogn'ny amin'i Kora. 50 Nihery tany amin'i Mosesy teo amign'ny filiragn'ny tragno-lay fihaona i Arona, dra nisahasy gny areti-mandringa.